
Bahrainita Mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza Nabeel Rajab hiatrika fitsarana ny 15 Martsa. Sary: Majeed Tareef. Nahazoana alàlana: Demotix
Nahemotry ny Fitsarana Avon'ny Ady Heloka Bevava ao Bahrain androany ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha fitorian'ny governemanta an'ilay mpikatroka ny zon'olombelona Nabeel Rajab.
Nogadraina imbetsaka ny talen'ny Foiben-toerana ho an'ny Zon'olombelona ao Bahrain , Rajab nanomboka tamin'ny 2012 noho ny fikatrohany sy ny asany momba ny zon'olombelona.
Nosamborina indray i Rajab tamin'ny 13 Jona 2016 noho ny fanakianana ny fandraisana anjaran'ny Bahrain tao amin'ny ady tarihin'ny Arabia Saodita amin'ny mpikomy Houthi tao Yemen, sy noho ny firesahana ny fampijaliana malaza ratsy ao amin'ny fonjan'ny Jaw ao Bahrain tao amin'ny Twitter. Nahemotry ny fitsarana hatramin'ny 6 Oktobra ny didim-pitsarana, ary tsy nanome fahafahana an'i Najab izy mandra-piandry izany.
#Bahrain: High Criminal Court postponed the trial of HRD Nabeel Rajab to 6 October for ruling. #ReleaseNabeel pic.twitter.com/9UBGmFwPOj
— Nabeel Rajab (@NABEELRAJAB) September 5, 2016
#Bahrain: Nahemotry ny Fitsarana Avo Ady Heloka Bevava ho amin'ny 6 Oktobra ny famoahana didim-pitsarana an'i HRD Nabeel Rajab. #AfahoNabeel pic.twitter.com/9UBGmFwPOj
Raha meloka i Rajab dia mety hahazo sazy hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina eo ambanin'ny fehezan-dalàna famaizan'i Bahrain, izay manome 10 taona am-ponja ho an'ny olona “minia manambara vaovao diso na mampidi-doza, fanambarana na tsaho amin'ny fotoanan'ny ady,” ary roa taona ho an'izay “manafintohina firenena vahiny. ” Mety hahazo telo taona an-tranomaizina fanampiny izy tamin'ny siokany momba ny fonjan'ny Jaw noho ny ” fanafintohinana andrim-panjakana.”

Ankavia mian-kavanana : Nabeel Rajab manao diabe tamin'ny hetsi-panoherana tamin'ny 2012 miaraka amin'i Ali Abdulemam (any an-tsesitany amin'izao fotoana) ary Abdulhadi Al-Khawaja, izay any am-ponja ihany koa noho ny fikatrohany ara-politika. Sary: Mohamed CJ tamin'ny alàlan'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0)
Tao amin'ny fitsarana, niady hevitra i Rajab fa ny fandraisany anjara tamin'ny fandresen-dahatra ireo manam-pahefana Amerikana amin'ny toe-draharaha mahakasika ny zon'olombelona ao Bahrain sy ny faritra Helodrano Arabo no nahatonga ny fisamborana azy indray, fa tsy amin'ireo fiampangana izay nitoriana azy akory.
Nosamborina noho ireo fiampangana ireo i Rajab tamin'ny Aprily 2015 talohan'ny nivoahany tamin'ny volana Jolay tamin'io taona io ihany. Na dia tsy nakaton'ny fampanoavana mihitsy aza ny raharaha ary nahatonga azy namoaka didy fampisamborana azy indray tamin'ny 13 Jona 2016.
الحقوقي #نبيل_رجب من المحكمة: إعتقالي جاء بعد انزعاجهم من مقابلتي مع وزير الخارجية الامريكي حيث استدعيت للتحقيق بعدها #Bahrain
— Nabeel Rajab (@NABEELRAJAB) September 5, 2016
Ny mpikatroka ny zon'olombelona Nabeel Rajeb tao amin'ny fitsarana: nosamborina aho satria tezitra izy ireo [ireo manam-pahefana] noho ny fihaonako tamin'ny Sekreteram-panjakana Amerikana, ka nantsoina aho hatao fanadihadiana taorian'izany,
نبيل رجب من المحكمة: القضية كيدية وإعتقالي جاء بعدما رفضت إزالة اسمي من رسالة كتبها نشطاء خليجيين لاوباما اثناء زيارته للسعودية #Bahrain
— Nabeel Rajab (@NABEELRAJAB) September 5, 2016
Nabeel Rajab tao amin'ny fitsarana: valifaty ity tranga ity ary nosamborina aho rehefa nandà ny hanala ny anarako tao amin'ny taratasy avy amin'ireo mpikatroka ao amin'ny [faritra] Helodrano ho an'i Obama fony izy nanao fitsidihana tao Arabia Saodita
Tamin'ny Alatsinainy, mbola noampangaina ihany izy ho “naniratsira ny voninahitry” ny fitondrana mitondra amin'izao fotoana tamin'ny taratasy nosoratany tany am-ponja, izay nilazany ny fomba namaizana azy noho ny fanamelohana an'i Bahrain tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny ady ao Yemen sy ny fitsikerana an'i Etazonia tamin'ny tsy fananana hevitra mitombina hamaliana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Bahrain. Navoaka tamin'ny 3 Septambra tao New York Times ny taratasy.
Nanohitra ny ady hatrany am-piandohana aho. Nisy avy hatrany sy lozabe ny isan'ireo sivily maty, ary nitabataba aho nanohitra ny tsy mety iafaran'ny krizy maha-olombelona izay miseho, miantso hisian'ny fandriampahalemana aho. Ankehitriny, mizaka ny vokany aho.
- Nabeel Rajab, “Taratasy avy ao amin'ny Fonjan'ny Bahraini ,” tamin'ny alalan'ny New York Times
Manao fanentanana hanafahana an'i Rajab ireo mpikatroky ny zon'olombelona sy ireo vondrona ao amin'ny faritra sy manerana izao tontolo izao. Nivory teo ivelan'ny masoivoho Bahrainita any amin'ny Fanjakana Britanika sy any Etazonia mitaky ny famotsorana azy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny faha-52 taona tsingerin-taona nahaterahany tamin'ny 1 Septambra 2016.
Thank you to everyone who joined us to mark @NabeelRajab‘s birthday & call for his release! #ReleaseNabeel pic.twitter.com/LbwTh9d3rE
— English PEN (@englishpen) September 1, 2016
Misaotra anareo rehetra izay niaraka taminay hanamarika ny andro nahaterahan'i @NabeelRajab sy miantso amin'ny famotsorana azy ! #AvoahyNabeel pic.twitter.com/LbwTh9d3rE
From outside @BahrainEmbDC we call on gov't of #Bahrain to #ReleaseNabeel! pic.twitter.com/lw2bheJhuV
— ADHRB (@ADHRB) September 1, 2016
Avy aty ivelany @BahrainEmbDC miantso ny governemanta #Bahrain izahay #AvoahyiNabeel !
Nisioka ny fanohanany i Margaret Ferrier Depiote avy ao amin'ny Antoko Nasionaly Ekaosey :
.@NABEELRAJAB is spending his 52nd birthday today n a Bahraini jail – freedom of expression is being denied to him & many others #FreeNabeel
— Margaret Ferrier MP (@MargaretFerrier) September 1, 2016
Tao amin'ny fonjan'ny Bahraini i @NABEELRAJAB no nankalaza ny faha-52 taona nahaterahany androany -nolavina taminy sy ho an'ny maro hafa ny fahalalahana maneho hevitra #AfahoiNabeel
Nisioka ilay Bahrainita mpikatroka sady tale lefitry ny Foibe Helodrano Mandala ny Zon'olombelona Maryam Alkhawaja hoe:
Happy birthday @NABEELRAJAB. May u be reunited with your family soon. You are free despite their prison bars, that's y they fear u #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) September 1, 2016
Arahabaina i @NABEELRAJAB noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany. Enga anie ka ho tafaraka indray amin'ny fianakavianao tsy ho ela ianao. Olona afaka ianao na dia eo aza ny sakana any am-ponja , izany no antony atahoran'ireo ao #Bahrain anao .
Nahazo ny anarana “gadran'ny volana” Septambra 2016 ihany koa i Nabeel Rajab tamin'ny fanentanana ” Ny fahafahany, Ny Zony”. Miantso ho amin'ny famotsorana ny olona voafonja maneho hevitra ao amin'ny faritra Arabo isam-bolana ny fanentanana izay tarihin'ny vondrom-piarahamonim-pirenena mandala ny fahalalahana miteny Libaney ao amin'ny Orina Mpanasoa Maharat sy ny Tambajotran-Torohay Arabo Mandala ny Zon'olombelona (ANHRI) ao Ejypta.
Nandrisika ny mpanjohy azy tao amin'ny Twitter ny Orina Mpanasoa Maharat hanatevin-daharana ny fanentanana hanafahaba an'i Rajab:
يمكنكم دعم الناشط #نبيل_رجب عبر نشر صور ومعلومات عنه على فايسبوك وتويتر مع استخدام هاشتاغ #حريتهم_حقهم @NABEELRAJAB pic.twitter.com/l3d3jYXTeB
— Maharat News (@MaharatNews) September 1, 2016
Afaka manohana ilay mpikatroka Nabeel Rajab ianao amin'ny alalan'ny fandefasana vaovao sy sary momba azy ao amin'ny Facebook sy Twitter amin'ny fampiasana ny tenirohy “ny fahafahany, ny zony”.
Tsy i Rajab irery ihany no mizaka ny vokatry ny fikatrohany sy ny fomba fijeriny ara-politika ao Bahrain. Misy ny gadra politika maherin'ny 4.000 araka ny tombantombana avy amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona 2015 ao amin'ny fanjakan'ny nosy manana mponina 1.2 tapitrisa.