
Mohamed Tamalt. Sary avy amin'ny Tambajotra Arabo Ho An'ny Fampahalalana ny Zon'Olombelona na Arabic Network for Human Rights Information (CC BY-NC-ND 4.0)
Lasa tsy nahatsiaro tena ilay mpanao matoambaovao sady bilaogera Alzeriana nigadra roa taona an-tranomaizina Mohamed Tamalt, noho ny faniratsirana ny filoham-pirenena. Voalaza fa nitokona tsy nisakafo nanomboka tamin'ny 27 Jiona i Tamalt ho fanoherana ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja nataon'ny manampahefana Alzeriana azy.
Tamin'ny 30 Aogositra, nanatsonga teny avy amin'ny tranonkalam-baovao tao an-toerana El Watan ilay mpikaroka iray any Afrika Avaratra antsoina hoe Sirine Rached miara-miasa amin'ny Amnesty International:
#Algérie le journaliste #MohamedTamalt condamné à 2 ans de prison pour avoir critiqué les autorités est dans le coma https://t.co/wJGRwfVK03
— Sirine Rached (@sirine_ai) August 30, 2016
Tsy mahatsiaro tena ilay mpanao gazety Mohamed Tamalt, voaheloka roa taona an-tranomaizina noho ny fanakianana ny manampahefana,
Tamin'ny 11 Jolay, nohelohin'ny fitsarana tao an-drenivohitr'i Alzeria tambanin'ny Fehezan-dalàna famaizana andininy faha-144, 144 bis ary 146 i Tamalt higadra roa taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 200.000 dinars Alzeriana (eo amin'ny 1800 $ Amerikana) noho ny fanafintohinana ny Filoha Abdelaziz Bouteflika sy ny andrim-panjakana tamin'ny famoahana lahatsoratra an-tserasera, anisan'izany ny tononkalo sy ny lahatsary nalefa tao amin'ny Facebook misy fanehoan-kevitra izay hita fa manala baraka an'i Bouteflika sy ny Praiminisitra Abdelmalek Sellal.

Nogadraina noho ny famoahana lahatsoratra an-tserasera i Tamalt anisan'izany ny tononkalo eto ambony, izay hita fa manivaiva ny Filoha. Avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tamalt
Nanao fanehoan-kevitra momba ny raharaha amin'izao fotoana izao any Alzeria i Tamalt tao amin'ny media sosialy sy ny gazetiny an-tserasera Arab Context , anisan'izany ny andraikitry ny tafika eo amin'ny sehatra ara-politika, ny kolikoly eo anivon'ireo manampahefam-panjakana sy ny manamboninahitra jeneraly, ary ny rendrarendram-piainan'ny mpitondra ao Alzeria sy ny fianakaviany. Manana ny zom-pirenena Britanika ihany koa i Tamalt ary efa ela izy no nipetraka tany Angletera hatramin'ny 2002 rehefa nandao an'i Alzeria noho ny fandrahonana azony mifandraika amin'ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy. Nanamarina ny didim-pitsarana ny Fitsarana Ambony tamin'ny 9 ogositra. Araka ny Amnesty International, nampakatra ny raharaha any amin'ny Fitsarana Fandravana Didy, izay rafi-pitsarana fara-tampony ao Alzeria ny mpisolovavany .
Tato anatin'ny volana vitsivitsy izay, namoaka didy maro manasazy ireo mpisera manao fanehoan-kevitra an-tserasera ireo manampahefana Alzeriana. Tamin'ny faramparan'ny volana Mey, voaheloka enim-bolana an-tranomaizina ilay mpikatroka ny zon'ny mpiasa Belkacem Khencha noho ny famoahana lahatsary tao amin'ny Facebook nitsikera ny fampidirana am-ponja ny mpiara-miasa aminy, raha nodidiana handoa onitra 100.000 dinars Alzeriana (manodidina ny 1,000$ Amerikana) noho ny famoahana sary manesoeso ny filoha tao amin'ny Facebook ny volana Martsa ilay mpikatroka ny zon'olombelona Zoulikha Belarbi.
Matetika miafara amin'ny fahafatesan'ilay olona ny fitokonana tsy mihinan-kanina maharitra ela tahaka izany. Ny sary eto ambany, noforonin'i Visualizing Impact , dia manoritra ny zavatra iainan'ny olona iray amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina rehefa mandeha ny fotoana, nangalana hevitra avy amin'ny fikarohana Forensic Science International, ny Journal of the American Medical Association ary ny British Medical.