Fotoana fohy taorian'ny 3 ora maraina tany an-toerana, nosamborina tany an-tranony ny mpitoraka bilaogy fanta-daza Mahmood al-Yousif . Talohan'ny nialany niaraka tamin'ireo manam-pahefana, nitoraka tweet ilay mpitoraka bilaogy:
Eto amiko ny mpitandro filaminana
Al-Yousif dia mpitoraka bilaogy manan-danja ary ny asa(sorany farany dia momba ny fampihavanana ny Bahraini. Ny 15 Martsa, nanoratra izy:
[Izao] nifidy ny hiverina [any Bahrain] mba hanohana ny fahasalamana sy ny fandeferana. Mba hanohy ny ezaka hampisehoana ny vahoaka fa raha tsy jerena ny finoana, ny fari-piainana ary ny fahasalamana, lahatra ho antsika Bahrainita ny miasa miaraka ary isika no tokony hikaroka ireo fomba mifandanja mba hiaraha-miaina sy hampivoarana ny fahasamihafantsika.
Tsy te-hanorotoroka aho na te-hanameloka olona hafa koa. Mangataka ny fahatongavan-tsaina amin'ny antony fototry ny ady aho mba handrosoana, na inona na inona mety hamparary amin'ny fampiharana izany.
Mpikirakira ny vohikala iray antsoina hoe JustBahraini i Al-Yousif, fanentanan'ny fikambanana hanohitra ny tsy fahaiza-mandefitra. Vao haingana izy dia nanoratra mikasika ny mpanohana ny fanentanana iray norahonan'ny mpitandro filaminana.
Voamarin'ny rahalahiny ny fisamborana azy, tahaka izany koa ny zanany lahy, izay nitoraka tweet:
Vao tonga taty an-tranoko ny mpitandro filaminana ary nisambotra ny raiko, Mahmood Al-Yousif. @BahrainRights @OnlineBahrain
Sary avy amin'ny Rotary Club-n'i Adliya azo ampiasaina miaraka amin'ny fahazoan-dàlana Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0).