Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Andriamifidisoa Zo · Oktobra, 2009

Bilaogera amin'ny teny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2009

11 Oktobra 2009

Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon

Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.

10 Oktobra 2009

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

08 Oktobra 2009

Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana

4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ny...

06 Oktobra 2009

Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly

Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala telo farafahakeliny no niara-nanapa-kevitra hitantara azy an-tserasera [streaming] , zavabita tsara indrindra [record] izany ho an'ny tambajotran-tserasera Kostarikana. Tsy vitan'ny...

03 Oktobra 2009

Azia sy Oseania: Lahatsarin'ny vokatry ny loza voajanahary

tondra-drano Tao anatin'ny herinandro monja dia horohorontany, tsunami ary rivodoza isan-karazany no nandòna ny firenena maro any Ôseania, Azia atsinanana sy Azia atsimo atsinanana. Tany amin'ny lahatsoratry ny Global Voices (teny anglisy) tany aloha tany no efa nampahalala antsika tamin'izay nitranga tany Thailandy, Kambodza, Laos, Philippines, ary Vietnam tamin'izay nafitsoky...

02 Oktobra 2009

Mpamaham-bolongana malagasy nanatrika ny fihaonambe fiovan'ny toetr'andro sy ny vovonan'ny G20

Rising Voices

Ny 27 Sept no nanamarika ny fiafaran'ny dia lavitra sy lava notontosain'ny mpamaham-bolongana malagasy Stephane, a.k.a pakysse izay mpandrindra ny Foko rahateo. Niala teto Antananarivo, Madagasikara i Stephane ny 21 septambra ary nitody teo amin'ny seranam-piaramanidin'i JFK, New York ny faha- 22 hanatrika ny Kaoferansy momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ao...