Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mpamaham-bolongana malagasy nanatrika ny fihaonambe fiovan'ny toetr'andro sy ny vovonan'ny G20

Ny 27 Sept no nanamarika ny fiafaran'ny dia lavitra sy lava notontosain'ny mpamaham-bolongana malagasy Stephane, a.k.a pakysse izay mpandrindra ny Foko rahateo. Niala teto Antananarivo, Madagasikara i Stephane ny 21 septambra ary nitody teo amin'ny seranam-piaramanidin'i JFK, New York ny faha- 22 hanatrika ny Kaoferansy momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ao New York ao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana sy ny Vovonan'ny G20 (goavana 20) tao Pittsburgh. Ny Oxfam no nanasa an'i Stephane handray anjara tamin'ity vovonana ity noho ny tolo-kevitra avy The Youth Climate Movement (hetsiky ny tanora manoloana ny toetr'andro) (tamin'ny alalan'ny Rising Voices).

Nizara ny fizotry fivoriambe roa sosona tamin'ny teny anglisy, frantsay, malagasy mivantana i Stephane tamin'ny famahanam-bolongana sy ny fisiahana an-tserasera.

Raha nanao tsoa-kevitra momba ity fivoriam-be mikasika ny toetr'andro ity i Stephane ary maniry mba hivaingana amin'izay ny fanapahan-kevitra ary hisy ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana sy ny firenena mandroso : ( ato ny dikany amin'ny teny malagasy):

Heveriko manokana fa resaka manidina no betsaka fa tsy misy loatra ny asa mivaingana hotanterahina nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana [..] Efa maro loatra ny fahapotehana ankolaka sy mivantana ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro eto Afrika : ady an-trano, tondra-drano, kere,…sy ny fahateren-tsaina ara-pivavahana miteraka fampihorohoroana. Ny lesona tsara azo raisina dia ny hitandroana ny tontolo iainana sy hanome anjara toerana lehibe ny natiora mba hahatrarana ny fampandrosoana. Fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena mandroso sy andalam-pandrosoana no vahaolana tokana.

Ary dia nitsofoka tao amin'ny Ekipan'ny feo miresaka fiovaovan'ny toetr'andro tao Pittsburgh i Stephane ny faha-24n'ny volana, vavolombelon nahita ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana sy ny fihetsiketseham-panoherana isan-karazany izy.

Protesting the lack of airtime for poverty issueFanoherana ny tsy fahampian'ny fotoana miresaka ny fahantrana
taking photos of police forceteo ampandraisana sary ny mpitandro ny filaminana

Nanadihady ny antony ilàna itony fivoriambe itony ho an'ny tontolo an-dalam-pandrosoana tamin'ny mpandray anjara vitsivitsy ihany koa i Stephane ka indreto (teny anglisy) ny roa tamin'ny resadresaka nataony:

Ary dia nanao tsoa-kevitra avy tamin'ny vovonan'ny G20 i Stephane hoe :

“tsy manahy na inona na inona afa-tsy ny momba azy ireo ihany ny filohan'ny firenena mandroso nanatrika ny G20. Diso fanantenana tanteraka aho…”

Indro ny raki-tsary flickr an'i Stephane nandritra ny fivoriambe.

Eto ihany koa ny raki-dahatsary nalainy nandritra ny fivoriana.

lova rakotomalala

1 hevitra

  • Izay ngaha vao fantatrao fa tsy ahoana’ny tany vaventy miitsy anie ny pays s dévéloppés e! fa mba mody asainy miaraka mivory aminy any @ tany mandroso ianao dia faly ery oe ” niara nivory t@ firenena vaventy ” kanefa tsy minsy ninoninona ho anao ao.
    Izany no mahazo ny firenena M/sy ankehitriny. Ampiadiany dia roboka tokoa mifandrafy ny samy M/sy? ” KELY SAINA a! ” Milaza azy tsy ho ” AFRICAIN ” kanefa dia manoatra noho ny Africain raha ny toe-tsaina.
    Randriandreny.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.