
Sekolim-panjakana iray ao Oganda. Milaza ny mpisioka fa ny sekoly tahaka izao no mila vatsian'ny volan'ny mpandoa hetra. Sary navoakan'ny Fiarahamiasa ho amin'ny Fahadiovana Maharitra eo ambany lisansa Creative Commons.
Rehefa nivoaka ny vaovao fa mikasa ny hampiasa vola arivo miliara shillings (30 tapitrisa dolara amerikana) avy amin'ny hetram-bahoaka ogandey hanentsenana ny fatiantoky ny orinasa tra-pahasahiranana ny governemantan'i Oganda, dia niantsoantso ny hetsika ho “fisolokiana” ny Ogandey ao amin'ny Twitter ary nanolo-kevitra fa tokony ho any amin'ny sekoly efa simbasimba tanteraka no andehanan'ny vola.
Miavosa ny trosan'ireo orinasa tian'ny governemanta vonjena ireo izay nindramina avy amin'ny banky isan-karazany ao Oganda, trosa nalaina tamin'ny anarany manokana. Maro amin'ireo fandraharahana no tarihin'ireo ratrema tsara fifandraisana amin'ny matanjaka. Maro amin'ireo manampahefana ao amin'ny banky foibe sy ny minisiteran'ny vola no manohitra izao drafi-panavitana izao.
David Mpanga, mpisolovava ogandey, milaza ny drafitra ho « fizarazarana (amin'ny fiaraha-monina) ny fatiantoka » :
The privatisation of profit and socialisation of loss. Must we all pay for business failure when we didn't all share in the profits made?
— David F.K. Mpanga (@dfkm1970) July 22, 2016
Fanomezana ho an'olombitsy ny tombombarotra sy fizarazarana ho an'ny fiaraha-monina ny fatiantoka. Tsy maintsy mandoa ny tsy fahombiazan'orinasa ve isika rehetra raha tsy mba nizara ny tombombarotra azony ry zareo?
Nahamarika tamim-pahagagana i Allan Ssenyonga fa toeram-pandihizana (discothèque) ny iray amin'ny orinasa anaty lisitra:
Club Silk is one of the companies in need of a bail out. Is this really a priority for Uganda?? #ScamBailOuts
— Allan Ssenyonga (@ssojo81) July 22, 2016
Iray amin'ny orinasa mila fanentsenam-patiantoka ny Club Silk. Laharam-pahamehana ho an'i Oganda tokoa ve?
Nanolo-kevitra i Fredrick Tumusiime:
For any #bailout, the public must acquire a stake in the firm(s). No public money for private sins. #ScamBailOuts https://t.co/kQ95Ky2cqB
— Fredrick Tumusiime (@tufre80) July 22, 2016
Isaky ny misy fanentsenam-bola, dia tsy maintsy mahazo taratasim-pananana ao amin'ny orinasa ny vahoaka. Tsy ekena ny volam-bahoaka hanavotana fahotan'olon-tsotra.
Tsy eken'ny Ogandey ny lojikam-programam-panohanana ireo mpanankarenan'ny fandraharahana efa mahafantatra olona maro ao amin'ny firenena kely ny fampiasam-bola amin'ny fotodrafitrasa ary efa ravarava ny sekoly sy ny hopitaly.
Sarah Bireete nanolo-kevitra ny governemanta hanampy ireo sekoly fadiranovana indrindra:
Poor Ugandans can't continue to subsidise the rich #ScamBailOuts Bailout schools with no classrooms, books &latrines pic.twitter.com/YkNYlFEQd1
— Bireete Sarah (@SarahBireete) July 23, 2016
Tsy afa-manohy amin'ny fanampiana ny mpanankarena ny Ogandey mahantra. Ampio ara-bola ireo sekoly tsy manana efitrano, tsy manana boky, tsy manana efitra fidiovana.
Nozarain'i Jeff ny sarin'ny orinasa iray tokony hampian'ny governemanta :
A photo representing the companies that need bail out by the Government using taxpayers money #ScamBailOuts pic.twitter.com/nZuldcEzBH
— Jeff 4.7.1™ (@andsjeff) July 23, 2016
Sary iray maneho orinasa iray mila ampian'ny governemanta ara-bola amin'ny volan'ny mpandoa hetra.
Ary sary iray hafa mampiseho sekolim-panjakana ravarava:
Karungu Seed School,Buhweju District.
Does it need a BailOut? NO,Bailout companies that don't pay Tax #ScamBailOuts pic.twitter.com/giwY9J1zXa
— Jeff 4.7.1™ (@andsjeff) July 23, 2016
Sekolin'i Karungu Seed, ao amin'ny distrikan'i Buhweju.
Mila fanavotana ve io ? TSIA, avoty ny orinasa tsy mandoa hetra.
Nanome hevitra i Samwise Gamgee:
If Bailing them out is a matter of National Importance, sharing their profits should be a matter of National Importance too. #ScamBailouts
— Samwise Gamgee (@Sambannz) July 22, 2016
Raha tena raharaham-pirenena ny fanentsenana ny fatiantoky ny orinasa, dia tokony ho raharaham-pirenena ihany koa ny fitsinjarana ny tombombarotr'izy ireo.