Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Septambra, 2015
Na Inona Na Inona Toetrandro, Mifidy i Trinidad & Tobago
Raha horaisina ny fehezantenin'ny iray tamin'ny mpifidy tao Trinidad sy Tobago , "Tsy mahasakana antsika tsy hifety ny orana, tsy ho afaka hanakana antsika tsy hifidy io."
Voalaza Fa Maty Ilay Reninà Palestiniana Zaza Menavava Maty May Nandritry Ny Fanafihan'ny Voanjo Tao Cisjordanie
Maty noho ny ratra nateraky ny fanafihana fandoroana nanjo ny tranony nataon'ireo voanjo Israeliana tamin'ny 31 Jolay i Riham Dawabsheh. Maty nandritra ilay fanafihana i Ali, zanany lahy 18 volana , niteraka hatezerana tany amin'ilay faritra bodoin'i Israely.
Fampielezankevitra Dizitaly Amin'ny Andro Fifidianana, Tezitra Ny Mpifidy Tao Trinidad & Tobago
Mety nohararaotin'ny antoko eo amin'ny fitondrana ao Trinidad sy Tobago ny tsy fahatombombanan'ny Representation of the People Act mba hanohizany ny fampielezankevitra tamin'ny alàlan'ny media dizitaly nandritry ny andro fifidianana.
Dia Miaraka Amin'ireo Mpitsoa-ponenana Mamakivaky An'i Hongria Ho Any Eoropa
Arakaraky ny nitomboan'ireo takelaka be fampielezankevitry ny governemanta hanoherany ny antsoiny hoe 'mpifindra monina' sy ny ady atao hanoherana ny mpitsoa-ponenana, nanomboka nifantoka bebe kokoa amin'ny olan'ny mpitsoa-ponenana tsy voafehy ao amin'ny firenena ireo media Hongroà mpamoaka vaovao
Nanomboka Ny Andro Fifidianana Tao Trinidad & Tobago
"Androany ilay andro ry Trinidad sy Tobago. Eo an-tànanao ny firenena..."
Loza Mananontanona Ny “Hany Sisa Havokavok”ilay Tanàna Meksikàna Oaxaca Ny Asa Fanorenana Ataon'ny Governemantam-panjakàna
Fikambanana maherin'ny 50, artista, sy olom-pirenena an-jatony no nanao hetsi-panoherana manohitra ny fanimbàna ireo lova voajanaharyao El Fortín Hill, 'ilay hany faritra maitso sisa tavela' ao an-tanànan'i Oaxaca.
Ilay Andro Naha-dibo-drano An'i Dhaka
Niteraka fitohanana fifamoivoizana henjana be sy fahasimbàna vokatry ny rano tao Dhaka ireo ora-nikija tao, nanelingelina ny fiainan'ireo olona an'aliny. Tao amin'ny media sosialy, ny toetrandro sy ny tsy fahalavorarian'ny fitantanana ny fako no nomen'ny olona tsiny.
Karatra Fandefa Paositra Avy Any San Salvador: Ny Jadona Saro-takarina Ataon'ny Andian-jiolahy
"Vinavinaina ho manodidina ny 500.000 hatramin'ny 600.000 ireo Salvadoriana mifandrohy amin'ny (andian-jiolajy) maras, na amin'ny fomba mivantana, na ankolaka—eo amin'ny 10 isanjaton'ny mponina eo."
Tsy Tany Kairo Nanatrika Ny Kaonferansa Momba Ny Ady Lehibe Faharoa Ny Filoha Mao. Koa Nahoana Ny Sariny No Ao Anaty Afisin'ilay Sarimihetsika?
Maro no mino fa nampiasain'ny Filoha Xi Jinping ny "Fanambaràn'i Kairo" sy ny matso miaramila amin'ny 3 Septambra mba hamerenana manoratra ny tantaran'ny firotsahan'ny Antoko Kaominista Shinoa tamin'ny ady nanosehana ny Japoney.
Sivana Nihatra Taminà Sary Mahatsikaiky, Fikarohana Teny Sy Sary Momba Ny Matson'i Shina Ho An'ny Ady Lehibe Faharoa
Raha faran'izay tena miabo/manindrahindra ireo fanehoankevitra hitamaso, ireo lahatsoratra izay nesorina sy nasitrika kosa tao amin'ny FreeWeibo.com dia nampiseho sary hafa ahitàna ny mpampiasa azy naneso ilay vanim-potoana tamin'ny alàlan'ny sary mahatsikaiky.