Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fampielezankevitra Dizitaly Amin'ny Andro Fifidianana, Tezitra Ny Mpifidy Tao Trinidad & Tobago

Prime Minister of Trinidad and Tobago, Kamla Persad-Bissessar; photo by Inter-American Commission of Women, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Kamla Persad-Bissessar, praiminisitra ao Trinidad sy Tobago. Sary an'ny Kaomisionan'ny Vehivavy Iraisan'ny ao Amerika, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0 .

Ao Trinidad sy Tobago, voaràran'ny lalàna ny fanaikàna ny olona mandritry ny androm-pifidianana solombavambahoaka. Nefa, toa mbola hita nisy ihany androany ilay fomba fanao tety anaty aterineto, voalaza ho avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna.

Nandefa sary iray izay nozaraina betsaka, narahana maribolana, ny pejy Facebook Triniscene.com, misy hafatra fohy lazaina ho nalefan'ny mpirotsaka iray avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna

Bhoe

Androany, fidio i Dr Bhoe Tewarie ao Caroni Central, ary aorian'ny nifidiananao dia i Kamla Persad-Bissessar no ho Praiminisitra. Manan-danja ny vatom-pifidianana tsirairay ho an'ny Rising Sun

Niahiahy ny amin'ny maha-azo itokiana ilay sary, nanazava i Triniscene :

Mampiseho anarana mivantana ilay hafatra, ary tsy avy aminà laharana tsy fantatra na tsy notahirizina. Sahala amin'ny asehon'ilay pikantsary ho ‘i ‘Bhoe Tewarie’ no mpandefa. Rehefa nanontanian'ny Triniscene.com hoe misy sa tsia ny laharan'ny findain'i Dr Tewarie voatahiry tamin'ilay hafatra voaray tao anatin'ny findain-dry zareo (izay tokony hahafahana mamoaka ny anaran'izay mpandefa) namaly ireo nandray ny hafatra hoe ‘Eny, laharana voatahiry ato amiko ny azy’

Araka ny Triniscene:

Nanamafy ny Kaomisiona momba ny Fifidianana sy ny Sisintany – Elections and Boundaries Commission (EBC) – fa nahazo tatitra avy amin'ireo olom-pirenena hoe naharay hafatra toa miendrika fampielezankevitra ry zareo, manainga azy ireo hifidy ny mpirotsaka hofidiana natolotry ny People's Partnership any amin'ny fari-pifidianana misy azy.

Tanaty resaka an-telefaona niarahany tamin'ny Triniscene.com, nanamafy ny manampahefana iray avy amin'ny EBC izay nangataka ny tsy hanononana ny anarany, fa naharay tatitra ny kaomisiona ary nanoro hevitra an'ireo olom-pirenena mba hametraka fitoriana eny amin'ny polisy satria tsy ananan'ny kaomisiona ny fahefàna hanao fanadihadiana.

Pikantsary maro amin'io hafatra io ihany no nalefa ho an'ny Triniscene, samy mampiseho ny ora naharaisana azy daholo ho nanodidina ny tamin'ny 6 ora maraina.

Nilaza ny solontena iray avy amin'ny blink/bmobile, ilay tolotra voalaza ho nampiasaina nandefasana ny hafatra, fa handinika ilay olana ilay orinasa ary hanome valiny, tamin'ny fanazavana fa misy ‘code’ 5 mipetaka amin'ny hafatra izay mety hahafahan-dry zareo mahafantatra ny mpandefa.

Milatsaka avy hatrany any anaty hafatra am-peo izay rehetra antso atao amin'ny laharan'i Dr Bhoe Tewarie, ary tsy tsy nisy valiny hatramin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity.

Naharikoriko an'i Rhoda Bharath, mpampiasa Facebook, ilay tetikady:

kamla rhoda

Andro fifidianana ny anio ka raha mbola tsy nandeha nifidy ianao dia fotoana izao hamonjena ny biraom-pifidianana

  • mikatona amin'ny 6 ora hariva ny birao – raha mbola ao anatin'ny faritry ny toeram-pifidianana ianao dia afaka mifidy
  • tsy azonao antoka hoe aiza no tokony hifidy? Jereo eto ny misy ny biraom-pifidiananao
  • raha tsy naharay ny karapifidianana, aza matahotra. Mandehana fotsiny mitondra karapanondro mankany amin'ny birao fifidianana, ary hanome karapifidianana ho anao ny mpiandraikitra ao an-toerana

Aparitaho amin'ny namana sy ny fianakaviana ary ny mpifanolo-bodirindrina ity imailaka ity mba hivoahan-dry zareo handeha hifidy.

 

Tsy matotra mihitsy Kamla amin'ny fanaovana ny marina amin'ny fiainana an….efa mitatao vovonana androany ve dia mbola manao ny fomba fanao hahazoana vato ihany ianao?

Tabatha Domonique Auguste, iray hafa mpampiasa Facebook, nandefa saripikan'ny imailaka voarainy androany avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna:

TEAM k 1

kamla rhoda

Naneho ny heviny i Auguste :

Fa nahoana? Nefa tsy ara-dalàna izao an. Very fanantenana ve? Tsia ry Nenitoa Kams, tsy mbola nandeha nifidy aho, kanefa efa maika sy dodona. Aleo vitaina ity.

Toa anaty fanavaozana sata tamin'ny Facebook nalefa taloha kelin'ny nikatonan'ny birao fifidianana androany tamin'ny 7 ora hariva, nampakatra sary iray hafa misy ny hafatra imailaka voaray avy amin'ny “Ekipa Kamla” i Auguste:

KAMLA EMAIL

Noho ny toetrandro ratsy dia nitarina ho hatramin'ny 7ora hariva ny fifidianana ho an'i Tobago, Raha mbola tsy tany, mandehana.
Ilaina ny vaton'ny tsirairay mba hahavoafidy indray an'i Kamla hisian'ny Trindad sy Tobago tsara kokoa – aza adino araka izany ny mizara ity kisary ity ao amin'ny Facebook sy Twitter ho an'ireo namana, fianakaviana ary mpiray vodirindrina

Tamin'ity indray mandeha ity, hoy i Auguste naneho hevitra:

Ry Nenitoa Kams malala, atsaharo ny manorisory ahy amin'ity fifandraisana mandika lalàna ity. Tsy mampiseho taratra ny maha-olo-mendrika anao io na ny voninahitra sy ny fanajànao ny zo sivily anananako.

Caroline Taylor, mpampiasa Facebook, dia nahatsiaro tohina mafy tamin'ilay fanaikàna tety anaty aterineto, mandra-pisian'ny fitondràna fanazavàna taminy hoe tsy fahalavorariana (faille) no nisy :

Inona no vokatry ny fanitsakitsahana ny Lalàna iraisampirenena CAN-SPAM , ary ny ratsy kokoa, ny lalàna mandràra ny fanaovana fampielezankevitra amin'ny Andro  Fifidianana? Tsy misy? Mivoaka ny imailaka sy ny hafatra fohy, dia tsy misy vokany?! [FANAVAOZANA: toa tsy nasiana fanitsiana hihitatra hahazo ny media sosialy sy ny karazany hafa ny lalàna…! *smh*]

Ary bitsika iray avy amin'ny iray amin'ireo trano famoaham-baovao eto amin'ny firenena no nanamafy fa na tsy azo lazaina ho tsy ara-dalàna amin'ny lafiny teknika aza ny hetsika ety anaty serasera, dia mifanipaka amin'ny fanahy itondràna ny lalàna izany:

Lazain'ny EBC fa tsy voafaritry ny Representation of the People Act ho tsy ara-dalàna ny fanaovana fampielezankevitra dizitaly, fa kosa nanentana ny olona izy tsy hanaraka ilay fanentanana hifidy

Efa nikatona ankehitriny ny biraom-pifidianana ao Trinidad sy Tobago. Ary satria efa manomboka voaangona ny vokatra, dia andrasana sisa ny hahitàna na nisy vokany na tsia ity ezaka tamin'ny fotoana farany voalaza ho nataon'ny antoko eo amin'ny fitondràna ity, sy hoe hiverina sa tsia amin'ny toerany ny fitantanan'i Kamla Persad-Bissessar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.