Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Voalaza Fa Maty Ilay Reninà Palestiniana Zaza Menavava Maty May Nandritry Ny Fanafihan'ny Voanjo Tao Cisjordanie

Eighteen-month-old Ali Al Dawabshen with his parents. Ali was burned to death in a settler attack on his West Bank home. His father died last week. His mother died last night. Both his parents and four-year-old brother were injured in the fire which killed him. Photograph shared by @LinahAlsaafin on Twitter

Ali Al Dawabsheh, valo ambinifolo volana, sy ireo ray sy reniny. Maty may nandritry ny fanafihan'ny voanjo ny tranony tao Duma, ao Cisjordanie tamin'ny 31 Jolay i Ali. Maty ny 8 Aogositra ny rainy. Ary maty vao maraina androany 07 Sept ny reniny. Samy naratra avokoa tao anatn'ilay afo nahafaty azy ny ray sy reniny ary ny rahalahiny efatra taona. Sary avy amin'i @LinahAlsaafin tao amin'ny Twitter

Maty vao maraina androany 07 Sept ny renin'ilay Palestiniana zaza menavava maty may nandritra ny fanafihana fandoroana ny tranony nataon'ireo voanjo Israeliana tao am-bohitr'i Duma, any Cisjordanie, any amin'ny Faritra Bodoin'i Israely. Niteraka hasosorana sy hatezerana ny fahafatesany satria raha mifiaka alahelo noho ny namoizany olona telo avy ao anatinà ankohonana iray ny Palestiniana, miriaria koa ireo nahavanon-doza.

Maty teo noho eo i Ali, valo ambinifolo volana ary naratra ireo ray sy reniny ary ilay rahalahiny efatra taona, may hatramin'ny 75 isanjato ny vatan'izy ireo, hoy ireo mpitsabo ao Nablus, tanàna mpifanolo-bodirindrina aminy, izay niteny tao amin'ny Al Jazeera, rehefa nitranga ilay fanafihana tamin'ny 31 Jolay.

May  niaraka tamin'ny trano iray nifanila vodirindrina tamin'ny azy ny tranon-dry zareo, nodoran'ireo voanjo izay namela soratsoratra mivaky hoe ‘valifaty’ sy “ho ela velona Messiah” teny ivelan'ireo rindrina may. Mesalem Daoubasah, mponina ao an-toerana, nilaza tamin'ny Haaretz, gazety Israeliana, fa voanjo israeliana efatra no hitany nandositra ilay toerana ary marobe ireo mponina nanenjika azy ireo. Araka ny lazain'i Daoubasah, nandositra nankany Ma'aleh Ephraim toerana fonenana akaiky eo ireo voanjo ireo.

Namela an'i Ahmed zanany lahy, voalaza ho efa tsy dia atahorana intsony, ho kamboty i Riham, mpampianatra izay vao avy feno 27 taona monja.  Teo amin'ny faha-32 i Saad  rainy no maty ny 8 Aogositra.

Manazava i Gaza Writes Back :

Kamboty ray i Ahmeda Dawabsheh kely, kamboty reny, tsy misy rahalahy. Izy no dimbin'i Palestina. Tsy maintsy manefa i Israely!

Manampy i Dr Bilal Dabour avy ao Gaza :

Maty i Riham, reniny. Efa voamarina io. Vavolombelon'ny habibian'ireo Sionita ny dia efa im-betsaka nodiaviny nifampitantànany tamin'ny fahafatesana

Manipika i Mairav Zonszein, Israeliana mpanao gazety, fa tsy mbola misy olona ahiahiana voampanga amin'ilay heloka bevava:

Maty izao maraina izao noho ny ratra nahazo azy i Reham Dawabshe, renin'i Ali sy Ahmed. Volana iray sy tapany izay no lasa hatramin'ny nitrangan'ny fanafihana fandoroana tao Duma. Tsy mbola misy voaheloka

Ary manamarika ilay Palestiniana, Lina Alsaafin hoe :

Nametraka laharana ny polisy Israeliana -0508386626- ho an'izay olona manana vaovao mikasika ireo mpamono. hmmm, nandositra tao amin'ny tanin'ny voanjo ao Maaleh Efraim ireo mpanafika, atombohy amin'izany aloha e.

Nalevina tao Duma i Riham, tamin'ny fasana mifanila amin'ny vadiny sy ny zanany lahy. Ireto ny saripika vitsivitsy ahitàna ireo mpianany nitomany ny fahafatesany, nozarain'i Gaza Writes Back tao amin'ny Twitter:

Novonoin'ny Jiosy ny renimpianakaviana iray, rahavavy, anabavy iray ary mpampianatra be fitiavana sy tia mikarakara. Mandria am-piadanana sy Reham Dawabsheh

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.