avylavitra · Marsa, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2011

Yemen: Hafatra Fandrahonana Ho Faty Nahazo Ilay Mpitoraka Bilaogy, Afrah Nasser

Mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Yemenita, Afrah Nasser, naharay hafatra fandrahonana tao amin'ny Facebook tamin'ny 13 Martsa ary nanapa-kevitra ny hamoaka izany tao amin'ny bilaoginy “mba ho izao tontolo izao no hamaky azy“. Ny hafatra fototra dia tamin'ny teny Arabo fa nadikany ho teny Anglisy, niteraka valinteny feno ahiahy avy amin'ireo namana maro tao amin'ny aterineto.

Japana: Ilazao Izao Tontolo Izao Mba Hanampy

  15 Marsa 2011

AFikarohana sary nampakarina tao amin'ny Twitter fotsiny dia efa mety hitondra zavatra mahavariana. Tadiavo ny teny hoe "宮城" (Miyagi) ary dia sary maro samihafa no hiakatra mikasika io prefecture io, iray amin'ireo tena vodoana mafy tokoa tao Japana tamin'ilay tsunami farany teo. Akorisaho midina, dia hisy ary sary iray hiavaka, boribory kely toa vongan-dranonando miloko volontany sy manga mandram-panapotsitrao azy ...

Azerbaijan: Maro Ny Fihetsiketsehana, Maro Koa Ny Fisamborana…

  13 Marsa 2011

Taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ireo tanora mafàna fo omaly tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nanao ny azy koa androany ireo mpanohana ny antoko mpanohitr'i Musavat. Nalaina tahaka ihany koa tamin'ny hetsiky ny mpandàla ny demaokrasia tany Ejipta sy Tonizia, tsy tena goavana toy ireny ilay hetsika fa raha ny vivavina dia vitsivitsy ka hatramin'ny anjatonjatony eo ny olona tao, saingy nafonja ihany ilay izy.

Yemen: Mpanao Fihetsiketsehana Marefo Amin'ny Fanafihana Feno Herisetra

Mitohy miditra amin'ny herinandro faha efatra ankehitriny ireo mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fametraham-pialàn'ny Filoha Ali Abdullah Salehm ao Yemen.Saleh dia niantso ny hery ara-politika rehetra hifampidinika. Nolavin'ny mpanohitra ny fanasàna. Mandritra izany fotoana izany, nitohy ny fanafihana ataon'ireo herim-pamoretana sy mpandàla an'i Saleh an'ireo mpanao hetsika ampilaminana.

Filipina: Fanaraha-maso Tsunami sy Tsaho Horohorontany

  11 Marsa 2011

Taorian'ilay horohorontany nahery vaika namely an'i Japana, navoaka ny fampitandremana ny mety hisianà tsunami hamely faritra amorontsiraka 19 any Filipina. #Batanes sy #Samar dia lasa lohahevitra nironan'ny rehetra tao amin'ny twitter. Batanes dia ny faritra tena faran'ny avaratra raha i Samar dia miresaka ny tatitra diso hoe nisy horohorontany namely ny faritanin'i Samar.

Japana: Ny ao Tokyo taorian'ilay horohorontany

  11 Marsa 2011

Ny Zoma, 11 Martsa 2011 tamin'ny 2:46:23 tolakandro ora any an-toerana, horohorontany manana tanjaka 8.9 no niantraika tamin'i Japana, ny goavana indrindra voarakitry ny tantara. Ora 5 no efa lasa taorian'ny nitrangan'ilay horohorontany, ary maro ireo olona ao Tokyo no miezaka mamonjy fodiana amin'ny alalan'ny dia an-tongotra. Nakatona ny fifamoivoizana...