Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Yemen 2011 ity lahatsoratra ity.
Raha vao nanomboka voalohany ny hetsi-panoherana tany Yemen tamin'ny Janoary lasa teo, dia nampanantena ny Filoha Ali Abdullah Saleh fa tsy hirotsaka amin'ny fifidianana hatao amin'ny 2013 intsony mba hampitoniana ny hatezeran'ireo mpanohitra. Na izany aza, tsy dia nahafaly loatra ireo mpanohitra ny governemanta izany, izy ireo izay mangataka ny fialàna tsy misy hatak'andron'i Ali-Abdullah Saleh ary ny fitsaharan'ny fitondrany nandritra ny 32 taona. Niditra tamin'ny fanehoan-kery ny governemanta avy eo, nandefa jiolahimboto, nampiasa bala tena izy, ary mety ho hatramin'ny entona mampitapy mba hampitsaharana ireo hetsi-bahoaka mifanesy mampihovitrovitra ny firenena.
Ilay Yemenita mpitoraka bilaogy, Afrah Nasser, dia monina manakaiky ny toerana fanaovan'ireo mpanohitra ny governemanta hetsika ao Sana'a renivohitra ary nampakatra saripika sy lahatsoratra miantso revolisiona. Nasser koa dia sady mpanao gazety ao amin'ny gazety an-tsoratra Yemen Observer.
Naharay ity fandrahoana ho faty ity izy tao amin'ny Facebook tamin'ny 13 Martsa ary nanapa-kevitra ny hamoaka azy tao amin'ny bilaoginy ny ampitson'iny, “mba ho izao tontolo izao no hamaky azy“. Ny hafatra fototra dia tamin'ny teny Arabo fa nadikany ho teny Anglisy:
يبدوبان بانالكلام والتعامل معك بالطيب لا ينفع , رغم الجلسات التي تمت بينك وبين الــــ ؟؟؟؟!! كانت توحي بطيبه واحترام وذوق الطرف الاخر لكن مايتضح هو بانك لاترغبين بالعيش في امن وامان مع امك المسكينه التي تعبت وضحت من اجلكي انتي واختكي المغتربه ,قدمت كل التنازلات الشخصيه من اجل الحفاظ على ابنتيها الوحيدتان وتربيتهن وتعليمهن حتى اصبح كل من حولها يحسدونها على هذا الشي ,لكن يبدو بان المقوله المشهوره لاتريد ان تفارقكي(العرق دساس “نـ….. ر” ) اتمني بان تكون الاستاذه القديرة/ @#$% هي قدوتكي في الحياه فلا تخالفيها واسمعي كل كلامها فهيا اعلم منكي بالتعامل مع الاخرين ولااضن بان هناك شخص اخر يعرف مصلحتك ويخاف عليكي اكثر من امك… كم اتمنى بان تكون هذة الام هي امي فسوف احاول اسعادها ولو بعمري …….
على العموم سيتم تجاهل كل الماضي ليس لاجل شي وانما لاجل تلك الام المسكينه المناظله التي لايتم مكافاتها بمثل هذة المكافه وهي حرمانها من احد افراد اسرتها بكل هذة السهوله مقابل طيشكي لانريد ان نفقدها كل تعب السنين الماضيه.
اتمنى بان رسالتي قد وصلت اليكي يابنت اليمن …..
اصحي اصحييييييييييييييييييييييييي فلا تكوني وامكي واختكي ضحيت طيشكي يامتعلمه
Ireo mpanaraka an'i Afrah, na ao amin'ny twitter na ao amin'ny bilaoginy, dia tohina avokoa ary naneho ny fanohanany sy ny firaisan-dry zareo hina aminy.
WomanfromYemen mandefa bitsika hoe:
@Afrahnasser Andriamanitra ô!!!! manandrana mampiasa ny tetiky ny fampitahorana ry zareo mba hampihorohoroana anao, miaraka aminao sy manohana anao izahay.
Muna (@ArabsUnite) mibitsika hoe:
@Afrahnasser Andriamanitra ô! Miaraka aminao izahay, manohana anao ary mirary mba ho salama lalandava ianao, hatanjaka ary tsy hihemotra araka ny fanirian'i @WomanfromYemen..
Amal miteny hoe:
من انتم؟؟ من انتم ؟ يا من تهددون حاملي الاخبار !
هذا هو الجبن بعينه .. ومن ارسل هذه الرسالة سيجر خيبته ورائة عندما يسقط الطاغية وسيسقط اعوانه تباعاً!!يالي فاكر نفسك رجال وبترسل هذه الرسالة .. شوف الرجال الحقيقيين في ساحات التغير !
Mohammed Al_Shaheri nandefa ity fanamarihana ity tao amin'ny bilaogin'i Afrah:
الشعب كله مهدد لكن والله لن يزيدنا هذا إلا إصرار وأصبري يا أختي فما هي إلا أيام معدودة فالنظام يلفظ أنفاسه الأخيرة
Faranany aminà toro-hevitra fohy ho an'i Afrah ny fanehoan-keviny:
ونصيحة يا أختي أبقي قريبة من مظمات المجتمع المدني حتى إذا ما حاول أي شخص أن يمسك بسوء فلن يستطيع وسيردعه الخوف فهم لن يقوموا بأي شيء يهيج الشارع في ظل الأوضاع الراهنة
Afrah (@Afrahnasser) mibitsika hoe:
الحقيقة تزعج الكثير من المواليين .. سحقا لهم .. لن يسكت صوت الحق ابدا
Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Yemen 2011 ity lahatsoratra ity.