Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bahrain: Famoretana Tanaty Rà Mandriaka Hatrany an-Tanàna

Ity lahatsoratra ity dia isan'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoerana Bahrain 2011.

Tamin'ny Talata, talohan'ny nanambaràn'ny Mpanjaka  Hamad bin Isa Al-Khalifa  ny Lalàna momba ny Filaminam-pirenena manome fahefana ny tafika sy ny hery hafa hiantoka ny filaminan'ny firenena, dia  nanao herisetra sy faneriterena eran'ny tanàna maro ao amin'ny faritra afovoan'i Bahrain ny polisy.

Niditra tany anaty tanàna tany ireo polisy nanao akanjo toy  ny olon-tsotra ary akanjo aro bala, mitifitra tsy amin'antony an'ireo vahoaka amin'izao fotoana izao. Ity video manaraka ity dia avy any an-tanànan'i Sitra misy ireo polisy mitifitra ny mponina.


Nampakarin'i Saloooh97, mpampiasa  YouTube

Tena sary mivandravandra misy lehilahy tanora iray avy ao  an-tanànan'i Sitra voatifitra avy any an-katony no niseho masoandro.

@FawazSaad يا حكومات الخليج وياعقلاء الشيعة نتوسل إليكم فالدماء لن تجلب الحلول http://twitpic.com/49rfmu #Bahrain (Sary mivandravandra)

O ry GCC (Gulf Cooperation Council) governemanta, O ry Shiita manam-pahalalàna, mangataka anareo izahay mba hitsahatra fa tsy mitondra aminà vahaolana ny fandatsahan-drà.

Noho ireo tranganà fandatsahan-drà, maro ireo tatitra no niseho masoandro tao amin'ny Twitter fa hoe betsaka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra Shura no nametra-pialàna. Mbola mila hamarinina amin'ny fomba ofisialy ireo.

@abdulemam Nanamafy fa efa vaovao azo antoka ny fametraham-pialàn'ireo mpikambana tao amin'ny Filankevitra Shura:mohammed radhi,mohammed alhalwachi,nasir almubarak,nada hafad,abdulhussain a.ghaffar #bahrain #lulu

@nice_n_blue @abdulemam Araka ny loharanom-baovao ofisialy sy ny mpitondra tenin'ny Filankevitra Shura, tsy mbola nisy olona nametraka fialàna izany.

Ity lahatsoratra ity dia isan'ireo tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoerana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.