· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2018

Ny Fahamarinana Sy Ireo Vokany

  24 Mey 2018

Ny zavatra voalohany nanaitra ahy rehefa nandalo teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety aho, vao tsy ela akory izay tamin'ity herinandro ity, mba hanongilan-tsofina hihaino ny fihaonan'ireo blaogera ejiptiana, dia ny fisian'ireo fiaraben'ny Fiarovana Foibe nihantsona manodidina ny zoron-dalana rehetra

Fifidianana Any Iràka : Ny Sasany Manao Ankivy Ny Fifidianana ‘Tsy Misy Dikany’, Ny Hafa Mifidy Hanozongozonana Ny Parlemanta

  24 Mey 2018

Tsy misy akory ny tena fiovàna marina ary dia voafandrika ao anaty lavaka mangitsokitsoka izay nohadian'ny mpanao politika sangany izahay ; nampiasainy ny fahefany mba handaniana ny lalàna hiantohana ny fijanonan'ny antoko lehibe ao amin'ny governemanta ary hahafahany hanohy hatrany ny fomba ratsiny : ny kolikoly. Tsy omeny , na dia vintana kely fotsiny aza, ny mpifidy mba hanala aminy ny fahefàny.

Bahrain: Tsinio i Ahmed Zainal!

  24 Mey 2018

Misy zavatra hitarainana momba an'i Bahrain? Tsy faly tamin'ny zavatra eo amin'ny fiainanao? Aza mitady lavitra. Omeo tsiny fotsiny Ahmed Zainal! Misy mihitsy bilaogy, vondrona Facebook natokana hanomezana tsiny ny tanora Bahrainita noho ny fahoriana sy ny fahantrana ao amin'ny firenena sy ny lavidavitra kokoa ary ny tenirohy Twitter!

Pakistana : Fijery Avy Any Afovoany Atsinanana

  23 Mey 2018

Inona no ambaran'ireo blaogera avy ao Afovoany Atsinanana momba ny fivoarana farany ao Pakistana? Miainga avy amin'ny fanangonan-tsonia mba hanakanana ny lalàna miaramila ka tonga hatramin'ny hanihany mahatsikaiky, miainga avy amin'ny torohevitra mankany amin'ny fitarainana noho ireo fotoana tokony hahafanaha manao zavatra saingy tsy mifanojo amin'ny ilàna azy ireo fanehoankevitra.