Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tontolo Arabo: nomena voninahitra tamin'ny alàlan'ny Google Doodle sy Twitter i Ibn Khaldoun

(Marihina fa tamin'ny 28 May 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

@hiddenlines

Pour la commémoration de l'anniversaire du philosophe Ibn Khaldun, voyez notre Google Doodle spécial sur www.google.com #ibn5ldoon #tunisia

Ho fahatsiarovana ny andro nahaterahan'ilay filôzôfa Ibn Khaldun, jereo ny Google Doodle manokana ao amin'ny www.google.com # ibn5ldoon #tunisia

Heverina ho toy ny mpanoratra sady mpahay tantara Arabo lehibe indrindra, teraka tamin'ny taona 1332 tany amin'ilay antsoina ankehitriny hoe Tonizia ilay filôzôfa Ibn Khaldoun. Fantatra amin'ny maha rain'ny tantaran'ny kolontsaina sy ny siansa ara-tsosialy maoderina azy ihany koa izy. Niteraka tenirohy vaovao tao amin'ny Twitter, # ibn5ldoon ny sary Google Doodle natao ho fanomezam-boninahitra azy mba ho fampahatsiahivana ity mpahay siansa lehibe ity sy ny sanganasany. Ireto misy sioka vitsivitsy ho fanomezam-boninahitra azy.

Namoaka ny fomba fitenenana fantatra fa nataony i @Shahadiana:

ولا تنكرنّ ما ليس بمعهود عندك ولا في عصرك شيء من أمثاله فتضيق حوصلتك عند ملتقط الممكنات
Aza lavina izay tsy fantatrao na izay tsy nahazatra anao tamin'ny andronao , satria hampihena ny fahatakaranao ny zavatra mety hiseho izany.

Nozarain'i @shushua ihany koa ny iray hafa:

اتباع التقاليد لا يعني ان الاموات احياء بل ان الاحياء اموات

tsy midika akory ny fanarahana ny fomban-drazana fa hoe velona ny maty ary tsy hoe maty ihany koa ny velona .

Namintina ny sasany tamin'ireo fampianaran'ity manam-pahendrena ity i @Ulfatak, izay mifandraika amin'ireo hetsika vao haingana tany amin'ny tontolo Arabo:

#Ibn5ldoon a souligné l'importance d'un “sens de la solidarité” dans le développement politique. C'est extrêmement adapté au #Yemen today http://bit.ly/khh8kz

Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny “dikan'ny firaisankina” amin'ny fampandrosoana politika i #Ibn5ldoon. Mety tsara ho an'ny Yemen ankehitriny izany

Nandalina ny filozofian'i Ibn Khaldoun hafa i @A7meid_:

العرب قوم همج … لم يوحدهم إلا الدين – ابن خلدون

Tsy mety fehezina ny vahoaka Arabo … Ny fivavahana ihany no mampiray azy ireo – Ibn Khaldoun

Ary nahita tenim-pahendrena hafa i @octavianasr:

“Les Arabes ne cèdent le pouvoir à personne, pas même à un père ou un frère…Ce qui provoque des conflits…Laissant leur pays dans le chaos et sans gouvernement.

” Tsy manome fahefana ho an'iza na iza ny Arabo, na dia ho an'ny ray na ny rahalahy aza izany… izay mahatonga fifandonana… Mamela ny fireneny ho ao anaty korontana sy tsy misy governemanta.

Nahatsiaro ny lesony filôzôfia i @najool:

الانسان كائن حي يؤثر ويتأثر بالبيئه المحيطه حوله..هذا ماتبقى في ذاكرتي الدراسيه من مقدمه ابن خلدون
Mamindra sady ifindran'ny tontolo iainany ny olombelona … Izany no hany zavatra tsaroako momba ny Muqadimmah (Prolegomenon) fony aho nianatra an'i Ibn Khaldoun.

@Rima_Awada :

#ibn5ldoon…Je ne souviens des nuits passées à lire des petites parties de l'Al Muqaddimah #school #philosophy

#ibn5ldoon … Mbola tsaroako ny alina namakiako ny ampahany kely tamin'ny Al Muqaddimah #sekoly#filôzôfia

Nahita lahatsoratra iray mahaliana tao amin'ny bilaogy SheikhyNotes , Ibn Khaldoun, rain'ny toekarena ihany koa aho:

Non seulement Ibn Khaldoun a planté les germes de l'économie classique, pour la production, les approvisionnement, le cout, mais il a aussi été pionnier en matière de consommation, de demande et de matières premières, les piliers de la théorie économique moderne.

Tsy nampiroborobo fotsiny ny voan'ny ekonomia klasika, ho an'ny famokarana, ny famatsiana ary ny fandaniana i Ibn Khaldun, fa mpisava lalana amin'ny fanjifana, ny tinady sy ny akora ary ny andry ara-toe-karena maoderina ihany koa izy.

Nahazo aingam-panahy i @arablit :

Un Google doodle pour mon philosophe préféré, Ibn Khaldoun: http://www.google.com.eg/ Admirez, et lisez le roman de Bensalem Himmich, “The Polymath.”

Google doodle ho an'ilay filôzôfa tiako indrindra, Ibn Khaldoun: Ankafizo, ary vakio ny tantaran'i Bensalem Himmich, “The Polymath.”

Faly i @Aalbaker:

Un beau geste de @GoogleArabia que de commémorer #ibn5ldoon. Il faut lire son chef-d'œuvre éternel, Muqaddimah.

Fihetsika mahafinaritra avy amin'i @GoogleArabia ho fahatsiarovana an'i # ibn5ldoon. Tokony ho vakiana ny sanganasany maharitra mandrakizay Muqaddimah.

Raha te hamantatra izany misimisy kokoa, indro ny Google Doodle izay navoaka tao amin'ny pejy fandraisana ny Google tamin'ny 27 Mey 2011 sy ny tenirohy tao amin'ny Twitter #ibn5ldoon.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.