Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2016
An'hetsiny No Nanjohy Ny Fanentanana Notarihan'ireo Vehivavy Saodiana Mba Hamaranana Ny Fiahian'ny Lehilahy Ao Amin'ny Fanjakàna
Mpampiasa tambajotra an'hetsiny no nanjohy ny fanentanana notarihan'ireo vehivavy Saodiana mba hampitsaharana ny fiahian-dehilahy ao anatin'ny fanjakana.
WikiLeaks: Mivadika Ôrera
Na amin'ny lasibatry ny fanolanana na amin'ny famoahana ny anaran'ireo antoko demaokraty, lasa mirona amin'ny fampahafantarana manokana mety hanohintohina ireo olon-tsotra ny famoahana tsiambaratelo ataon'ny WikiLeaks ankehitriny.
Notazonin'ny Fitsarana Alzeriana Ny Fiampangana Ilay Mpikatroka Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Ny Islamo Tao Amin'ny Facebook
Na dia nahena roa taona aza ny saziny an-tranomaizina, mbola higadra noho ny fanehoany ny heviny foana i Bouhafs .
Manararaotra Ny Tsy Fahatomombanan'ny Android Ireo Mpijirika Hikendrena Ireo Mpikatroka Iraniana
Nahafantatra ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran fa nanamafy ny ezaka hidirana an-tserasera ao amin'ny kaontin'ny mpikatroka ny zon'olombelona iraniana ireo mpijirika ahiahiana ho tohanan'ny fanjakana tao anatin'ny herinandro maromaro izay tamin'ny alàlan'ny fanararaotana ny tsy fahatomombanan'ny Android amin'ny smartfinday.
Tezitra Noho Ny Sivana Mihatra Amin'ny Fampiharana Finday, Manontany Ny Saodiana: ‘Inona Fotsiny No Antony Hananana Aterineto?’
Efa nahatezitra ny mpiserasera ny fanapahan'i Arabia Saodita ny WhatsApp, Viber sy Skype kanefa mbola notapahana indray izao ny fampiharana fandefasan-kafatra an-tsoratra sy feo, LINE.
Tsy Nanaiky Ny Famotsorana Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona Nabeel Rajab Ny Fitsarana Bahrainita , Nahemotra Ny Didim-pitsarana
Miatrika 15 taona an-tranomaizina i Rajab noho ny sioka momba ny ady tarihin'i Arabia Saodita ao Yemen sy noho ny filazana ny fampijaliana ao amin'ny fonja Bahrainita.
Mandray Ny Anjarany Ny Zanaka Vavy Ao Amin'ity Fivarotana Vatomamy Mahazatra Ao Torkia Ity
Tontolon'ny lehilahy hatrany ny Tanàna Tranain'i Istanbul. Saingy miova ny fotoana ho an'ilay fivarotana vatomamy taranaka faha-dimy
Iraniana Mpahay Siansa Nokleary Nogadraina Nisioka Momba Ny Famotsorana Azy Arahim-Pepetra
Taorian'ny fanagadrana azy nandritra ny dimy taona, navotsotra ilay mpahay siansa nokleary Omid Kokabee.
Fahatsiarovana An'i Samad Behrangi, ilay Mpanoratra Nanainga Fanahy Iraniana Revolisionera Tsy Tambo Ho Isaina
Fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-49 ny fahafatesan'i Behrangi. Manoatra noho ny mpanoratra tantara maizina ho an'ny ankizy, nanoratra fanoharana ihany koa izy izay nampiseho ny tolona nataon'ireo andian-taranaka Iraniana revolisionera.
Nasongadina Indray Ny Olana Ara-Tontolo Iainana Maro Ao Libanona Amin'ny Fitsidihan'ny Greenpeace
Tsy kisendrasendra no nisafidianan'ny Greenpeace an'i Libanona amin'ny fanombohan'ny fitetezam-paritra Mediteraneana mba hampiroboroboana ny fampiasana ny angovon'ny masoandro.