WikiLeaks: Mivadika Ôrera
Raha namoaka ny tahirin-kevitra miisa 61.000 avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Saodiana ilay tranonkala pro-fangaraharana WikiLeaks, dia narantin-dry zareo ny fomba fifandraisana sy ireo torohevitra manandanja ahafahana mahafantatra ny fomba fiasan'ny Diplaomasia Saodiana ao anatiny ao. Farafahakeliny ihany koa dia fandraketana sy torohay ara-pahasalamana hafa an'olon-tsotra miisa 124 no navoakan-dry zareo , araka ny tati-baovaon'ny 23 Aogositra navoakan'ny Associated Press.
Namoaka anaran'olona tanora lasibatry ny fanolanana ny roa amin'ireo fandraketana ara-pahasalamana ireo. Ny iray hafa indray nampiharihary ny mari-panondroana olom-pirenena saodiana iray nosamborina amin'ny maha-pelaka azy, izay nantsoin'ny AP “hetsika mivoaka ny mahazatra” ho an'ny firenena iray izay iharan'ny fanilikilihana ara-tsosialy, fanagadrana, fampijaliana ary hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza izany saikatra (pelaka) izany.
Maro amin'ny olona no niditra avy hatrany tao amin'ny media sosialy haneho ny fahatezerany. Nanoratra i Joey Ayoub, Tonian'ny Global Voices any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, fa mety mahatonga fahafatesana ho an'olona sasany ny fiporitsahan-tahirin-kevitra tahaka izany.
These leaks can cost people's lives. Truly disgusting. “Private lives are exposed as @WikiLeaks spills its secrets” https://t.co/WWk9lCRdle
— Joey Ayoub جووي أيوب (@joeyayoub) 23 August 2016
Mety hihatra aman'aina amin'olona sasany ireny poritsaka ireny. Tena maharikoriko. Naharihary ny fiainan'olona an-takonana noho ny famoahan'ny @WikiLeaks ny tsiambaratelony”
Nantsoin'ny mpahay tantara sady mpahay fahagola Sara E. Palmer ho doxxing, milaza ny fomba famoahana ampahibemaso ny mombamomba ilay olona (tahaka ny adiresy, laharan-telefonina, laharan-karapanondrom-pirenena) tsy nahazoana alalana, misy fikendrena hanimba ilay olona izany.
This isn't a fight for truth any more, it's just doxxing. Incompetent doxxing. https://t.co/D6BLwvH6vv
— Sara E. Palmer (@anqatisara) 24 August 2016
Tsy tolona ho amin'ny marina intsony izany, efa doxxing izany, doxxing amin'ny tsy fahaiza-manao.
Nanjary nalaza ny WikiLeaks tamin'ny Avrily 2010, rehefa namoaka lahatsarin'ny angidimby Apache an'i Etazonia anankiroa nanao tifitra an'habakabaka teo Baghdad tamin'ny 12 Jolay 2007 izay nahafatesan'olona tokony ho 12 teo ho eo, ka anisan'izany ny mpanao gazetin'ny Reuters miisa roa. Nitondra ny lohateny hoe “Collateral Murder” izany lahatsary izany, ary nahazo ny voaloham-pejin-gazety avy hatrany, ary nahatonga ny WikiLeaks halaza teo amin'ny sehatra iraisampirenena.
Nahatonga ny WikiLeaks hahazo mpanohana maro dia maro izany fironana amin'ny famoahana ho hitam-bahoaka izany fihoaram-pahefana, kolikoly ary tsy fisian'ny mangarahara izany. Teo aloha dia nanoritra mazava ny solontenan'ny fikambanana ny fiezahany hiaro amin'ny fomba rehetra ny fiainana an-takonan'olon-tsotra amin'izay mety ho fiantraikan'ny famoahana tahirinkevitra tsiambaratelo tahaka ireny.
“Manana politikam-pampihenana izay mety hanohintohina olon-tsotra izahay,” hoy i Assange tao amin'ny seminera iray tao Oxford, tamin'ny Jolay 2010. “Misy ny tokony hotazonina ho tsiambaratelo. Ny tahirin-kevitra ara-pahasalamana avy amin'ny dokoteranao, tokony hotazonina ho tsiambaratelo izany.”
Saingy mihamitombo ny faneriterena azon'ny fikambanana, sy ny fahombiazana ihany koa, mihamaro ireo ohatra mipongatra amin'ny famoahana fiainan'olona an-takonana izay tsy olona manandaza akory.
So now @wikileaks publishes people's medical records. And shrugs it off. Anyone still thinks this is a Good Thing? https://t.co/rnr6cz8HNY
— Karin Kosina (@kyrah) 23 August 2016
Ankehitriny lasa mamoaka tahirin-kevitra ara-pahasalaman'ny olona ny WikiLeaks. Ary toa tsy mivaky loha amin'izany. Mbola misy mieritreritra ve fa zavatra tsara izany ?
Tamin'ny 22 Jolay 2016, namoaka mailaka an'arivony avy amin'ny lohamilin'ny Komity Demaokraty Nasionaly ao Etazonia ahitana ny ezaka anatiny ataon'ny antoko demaokraty hanohintohina ny fanentanan'i Bernie Sanders hironana any amin'ny fanentanan'i Hillary Clinton ny WikiLeaks. Nampidirin-dry zareo tao ihany koa ny anarana feno, ny adiresy, ny laharan-telefonina, ny laharan'ny pasipaoro ary ny laharan'ny fiahiana ara-tsosialin'ireo nanolotra fanomezana ho an'ny antoko. Nilaza tamin'ny AP ny roa tamin'ireo voatonona anarana fa nisy nangalatra ny mari-panondroan'izy ireo taorian'ny famoahana ireo tsiambaratelo ireo.
Any amin'ny ohatra hafa indray, navoakan'ny WikiLeaks ny imailaka maro avy amin'ny antoko AKP ao Torkia, antokon'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan mitondra amin'izao fotoana izao. Nojeren'ny mpikatroka sy ny mpanao gazety Tiorka ireny mailaka ireny, ary hitan'izy ireo fa tsy mahaliana ny torohay avy ao amin'ny ankapobeny. Ankoatra izany, nitatitra toy izao ny mpampianatra-mpikaroka tiorka momba ny media vaovao Zeynep Tufekci :
WikiLeaks also posted links on social media to its millions of followers via multiple channels to a set of leaked massive databases containing sensitive and private information of millions of ordinary people, including a special database of almost all adult women in Turkey.
Navoakan'ny WikiLeaks ho an'ny mpanjohy azy an-tapitrisany amin'ny alalan'ny fantsona maro ao amin'ny media sosialy ihany koa ny rohy maro mankany amin'ny lahatahiry saro-pady an-tapitrisany ka ao anatin'izany ny lahatahiry manokana saika ahitana ny vehivavy ampy taona rehetra ao Torkia.
Medical records, debts, personal info… Wikileaks treats ordinary people's safety and privacy as collateral damage. pic.twitter.com/P7HEG9i6z3
— Zeynep Tufekci (@zeynep) 23 August 2016
Rakitra ara-pahasalamana, trosa, fampahafantarana manokana… Ataon'ny WikiLeaks ho Fahavoazana miara-zakaina ny fiarovana sy ny fiainana an-takonan'olon-tsotra.
Tsara ihany koa ny milaza, araka ny notaterin'ny tetikasa Global Voices Advox tamin'ny herintaona, fa farafahakeliny ny sasany amin'ireo dosie mipaingotra navoakan'ny WikiLeaks no misy rindrantsompatra izay mety mampidi-doza izay rehetra mijery izany. Na ny poritsaka AKP na ny imailaky ny ‘Hacking Team’ nivoaka tamin'ny 2015 dia samy ahitana rindrantsompatra (viriosy).
Wikileaks’ indiscriminate dumps include sensitive personally-identifiable information, and now malware. https://t.co/z4YRrYDorn
— profdeibert (@RonDeibert) 14 August 2016
Nahitana torohain'olon-tsotra saropady mety ahafantarana azy ny poritsaky ny WikiLeaks, ary dia misy rindrantsompatra ankehitriny.
Mitaky fanazavana amin'izao fihetsiky ny WikiLeaks izao ireo mpiaro ny zon'olombelona. Taorian'ny famoahana ny poritsaka Afghan War Diary, dia notakian'ny Amnesty International sy ireo vondrona hafa mpiaro ny zon'olombelona ny WikiLeaks hanaisotra ny anaran'ireo sivily Afghan mpanome vaovao ny Tafika U.S. amin'ireo tahirin-kevitra navoakan-dry zareo, mba hiarovana azy ireo tsy ho tratran'ny famaizana.
Toy izao ny valintenin'i Assange ho an'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona, “Tsy manam-potoana holaniana amin'ny olona tsy mahavita na inona na inona, afa-tsy fiarovana ny vodiny.” Mihamitombo ny isan'ireo olona ahiana idiran-doza noho ny politikam-poritsaka tsy manaisotra anaran'olon-tsotra ataon'ny Wikileaks, tsy fantatra moa raha hitan'i Assange ny karazana fihatsaram-belatsihy ao anatin'izany fanambarana izany. Ny mazava kosa anefa, dia efa tsy mahazo ny fanohanam-bahoaka tahaka ny taloha intsony ny WikiLeaks.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...