Notazonin'ny Fitsarana Alzeriana Ny Fiampangana Ilay Mpikatroka Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Ny Islamo Tao Amin'ny Facebook

49 year-old Slimane Bouhafs blogs in support of religious minorities in Algeria.

Slimane Bouhafs, 49 taona, mibilaogy ho fanohanana ny vitsy an'isa ara-pivavahana ao Alzeria.

Tamin'ny 6 Septambra, nanamafy ny fiampangana an'ilay mpikatroka Slimane Bouhafs noho ny faniratsiràna ny Islamo sy ny mpaminany Muhammad tao amin'ny Facebook ny fitsarana ambony ao atsinanan'ny tanàna Alzeriana, saingy nampihena ny sazy an-tranomaizina ho telo taona raha dimy taona izany teo aloha.

Tamin'ny 7 Aogositra, nanome sazy dimy taona an-tranomaizina sy lamandy 100.000 dinara Alzeriana (eo ho eo amin'ny 900 dolara Amerikana) ny fitsarana ambaratonga voalohany noho ny “faniratsiràna ny Mpaminany”, sy ny “fanambaniana ny finoana sy fitsipika silamo” eo ambany andininy faha 144 bis 2 ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana ao Alzeria. Tamin'ny fampiakarana ny raharaha, nihazona ny fiampangana azy ny Fitsarana Ambony ao Setif, nampihena ny sazy an-tranomaizina ho 3 taona ary nanafoana ny onitra.

Matetika mandefa lahatsoratra ao amin'ny  Facebook, ny Google+ sy ny bilaoginy manokana momba ny toe-draharahan'ny Kristianina vitsy an'isa ao Alzeria i Bouhafs, izay kristianina niova fo, sady mpikatroka ao amin'ny Fandrindrana ny Kristianina St. Augustine ao Alzeria, izay manohana ny zo ara-pivavahan'ny vitsy an'isa ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny Amnesty International, mpanohana ny Hetsika Fizakan-tenan'i Kabylia (MAK) ihany koa izy, vondrona ara-politika tsy miankina mitady fizakantena ho an'ny faritr'i Kabylia.

Nosamborina izy tamin'ny 31 Jolay, noho ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny Facebook teo anelanelan'ny May sy Jiona 2016. Navoaka tamin'ny 21 Jiona ny iray tamin'ireo lahatsoratra voalaza fa porofo hiampangana azy, nizara sariitatra avy amin'ny gazetiboky Frantsay mahatsikaiky Charlie Hebdo mampiseho ny Mpaminany Muhammad mitomany miaraka amin'izao fanehoan-kevitra izao i Bouhafs:

Muhammad cries because he lost in advance in Kabylia, but also in all of Algeria. His lie will disappear because the light of Christ is here, because he is peace, truth and the true path

Mitomany i Muhammad satria very mialoha tao Kabylia izy, ary tao Alzeria manontolo koa. Hanjavona ny laingany noho ny fahazavan'i Kristy eto, satria fiadanana,  fahamarinana sy ny lala-marina i Kristy.

Ny rohy mankany amin'ny lahatsoratra Facebook izay voalaza fa nahatonga an'i Bouhfsa any am-ponja amin'izao fotoana izao dia tsy mampiseho sariitatra Charlie Hebdo. Na izany aza, mbola hita ao amin'ny bilaoginy ny lahatsoratra tahaka izany miaraka amin'ny sariitatra.

Niampanga ny fisamborana sy ny fiampangana n'i Bouhaf ny Amnesty International sy ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona. Ary niampanga ny sazy noho ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana Alzeriana sy ny fenitra iraisampirenena momba ny zon'Olombelona ny Ligy Alzeriana Miaro ny Zon'Olombelona (izay nanendry ny mpisolovavany mba hiaro an'i Bouhafs amin'ny fitsarana ambony), ary niantso ny manampahefana mba hanova ny andininy faha-144 ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana izay manameloka ny fanevatevana fivavahana sy ny saimbôlin'ny (sariohatra) fanjakana. Imbetsaka mampiasa ity andininy ity ny manampahefana Alzeriana mba hanampenam-bava izay mitsikera ny fanjakana na ny fivavahana. Misazy [mg] roa taona an-tranomaizina amin'izao fotoana izao ilay mpanao gazety Mohamed Tamalt noho ny fitsikerana ny filoham-pirenena Abdelaziz Bouteflika tamin'ny tononkalo navoakany tao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.