Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2016
Taorian'ny Famborahana Ny Fanaovana Sotasota Ara-pananahana Any Amin'ny Toerampiasàna, Milaza Ny Iraniana Iray Mpanolotra Vaovao Fa “Tonga izao ny Fotoana Hiavotana Ho Afaka”
Voalaza fa nandositra ny firenena i Sheen Shirani taorian'ny famoahana ireo porofo tamin'ny Facebook fa nanao herisetra ara-nofo taminy ireo lehibeny. Asongadin'ilay tranga ny faharatsian'ny andraikitry ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa ao Iràna.
Ela Ny Ela, Rindrina Mampiray Vahoaka Fa Tsy Mampisaraka
Raha mamaky ny tantaram-pirenena maro isika dia endriky ny fisarahana, fanavakavahana ny rindrina. Saingy nisy toe-javatra vaovao antsoina hoe “rindrin'ny fahatsaram-panahy” ankehitriny manao izay mifanohitra indrindra amin'izany fampisarahana izany.
Tsy Mampino : Polisin'ny Fitondràntena Any Arabia Saodita Misambotra Saribakoly ‘Vavy’
Nosamborin'ny polisy ara-pivavahana any Arabia Saodita ny saribakoly 'vavy' iray.
Noravàn'ny ISIS i Dair Mar Elia, Monasiteran'ny Kristianina Tranainy Indrindra Ao Iraka
Noravain'ny ISIS ny monasiteran'ny Kristianina tranainy indrindra, Dair Mar Elia, izay naorina tamin'ny taona 595, ary miorina ao Ninawa, atsimon'i Mosul ao Iraka.
Sokafy Amin'Ireto Horonantsary 16 Avy Amin'ny Firenena Maneran-tany Ireto Ny Tontolon'ny Sarimihetsika Fijerinao
Araho ny zava-bitan'ilay dada vavilahy, ilay voatabia lò, ireo Iraniana mpanao rock , ilay mpiandry tanàna lasa ben'ny tanàna ary ny maro hafa amin'ity lisitra horonantsary izay mitondra anao amin'ny tontolo lavitra an'i Hollywood ity.
Mihabetsaka Ny Iraniana Mpisipa Miara-Mipetraka Ivelan'ny Mariazy
Fijery iray mahantonga ny Iraniana tanora mpisipa mbola misafidy ny hiara-mipetraka tsy mivady na dia mifanohitra amin'ny lalàna aza izany.
Nampihena Ny Didy Famonoana Ho Faty Ho Famonjana Valo Taona Poeta Iray I Arabia Saodita
Navadik'i Arabia Saodita ho famonjana valo taona sy kapoka an-karavasy miisa 800 ny didy famonoana ho faty ilay Palestiniana poeta Ashraf Fayadh, voampanga ho nihemotra tamin'ny finoana.
Taorian'ny Fifampiraharahana Fifanakalozana Gadra, Miantso An'i Tehran Ilay Iraniana Nahazo Nobel ‘Hihavana Amin'ny Vahoakany’
Raha naneho ny fifaliany tamin'ny famotsorana ireo Iraniana-Amerikana gadra efatra nataon'i Iran vao haingana teo ilay Nahazo ny Loka Nobel-n'ny fandriampahalemana Shirin Ebadi dia niantso ny governemanta iraniana “hihavana amin'ny vahoakany”.