Tsy Mampino : Polisin'ny Fitondràntena Any Arabia Saodita Misambotra Saribakoly ‘Vavy’

Saudi Arabia's vice police arrested this mascot at the opening of a sweet shop because .. it wasn't wearing the Islamic attire

Nosamborin'ny polisin'ny fitondràntena ity saribakoly ity tamin'ny fanokafana ny trano fivarotana vatomamy satria… tsy nanao ny akanjo fitondran'ny silamo

Nosamborin'ny Komitin'ny Fampiroboroboana ny Hasina sy Fisorohana ny Fahazarandratsy na ny polisy ara-pivavahana, any Arabia Saodita ny saribakoly vavy iray tamin'ny fanokafana trano fivarotana vatomamy iray tao Riyadh renivohitra, satria tsy nanao ny fitafiana tsy maintsy anaovan'ny vehivavy Silamo ao amin'ilay fanjakana mpifikitra amin'ny fomban-drazana. Fa ny tena loza, dia hay lehilahy manao saribakoly misarim-bavy, izay tsy voarakotra sy manao fihetsika tsy mendrika amin’ ilay saribakoly lahy niaraka taminy ilay izy.

Tao amin'nyTwitter, ny mpisera dia niomehy sy namazivazy ilay zava-nisy, nitaraina momba ny faharavan'ny fahalalahana sisa navela mba ho an'ny olona. Maro no tsy nety nino fa tena niseho tokoa iny trangan-javatra iny.

Mibitsika amim-pisalasalana i Najwa Hammoud :

Nisambotra saribakoly hoe ry zareoo ???

Sahiran-tsaina ihany koa i Migrant Soul :

#الامر_بالمعروف_تعتقل_دميه ity ny tenifototra fa tsy mbola fantatro na tena izy io na fanarabiana

Marina tokoa ve io ? Eny, marina. Tena nisambotra saribakoly ny polisy ara-pivavahana ary azo jerena amin'ny tenifototra #الامر_بالمعروف_تعتقل_دمية izay midika hoe #Nisambotra_Saribakoly_Ny_Polisin'ny_Fitondràntena

Zarain'i Naifco, mpisera misy 216.000 mpanaraka azy ao amin'ny Twitter, ity filazana miaraka amin'ny antsipirihany mahaliana momba ilay zava-nitranga avy amin'ny polisin'ny Fitondràntena ity :

Androany, nahazo tatitra maro izahay momba ireo saribakoly anankiroa, lahy ny iray ary vavy ny iray. Nanao fihetsika tsy azo ekena teo anoloan'ny trano fivarotana Sanabil Al Salam izy ireo, ary nahasarika olona maro be teo amin'ny làlana Mpanjaka Abdulla ny fisiany. Nandeha teny amin'ilay toerana voalaza izahay ary nahita ireo saribakoly anankiroa nanao izay voalazan'ny fitarainana. Nahita lehilahy tao anatin'ilay saribakoly vehivavy izahay ary avy eo nanatona ny mpitantana ny faritr'i Kharj, niresaka tamin'ilay lehilahy ( tao anatin'ilay saribakoly) ary nasainay nanoratra filazana fampanantenana ny tsy hiverenan'izany intsony izy sy ny mpanaramaso azy. Nampatsiahivinay azy ny momba an'i Allah sy ny zavatra nataony, fodiana ho vehivavy, mifanohitra amin'ny sharia (lalàna silamo ) izany. Nanenina ry zareo ary niangavy tamin-dry zareo mba hanaraka anay ho any amin'ny foibe mba hameno ny fombafomba.

Ho an'ny maro, fotoana iray ahafahana mitaraina momba ny fihenan'ny zo ao amin'ilay fanjakana fatra-panaraka fombam-pivavahana ilay zava-nitranga. Mitaraina i Aziz Alqenaei :

Ny fisamborana manam-pahaizana ; ny zon'ny vehivavy ; ny fikapohana sy ny fitoraham-bato ; ny fampiharana ny lalàna Sharia ; ary amin'izao fotoana izao ny fisamborana saribakoly noho ny tsy fanajana ny fomba fiakanjo silamo. Mampalahelo fa hamaivanin'ny tany mandroso amin'izao fotoana izao ireo olan'ny silamo.

Ampian'i Jalal AlBaqshi :

Mbola ho gaga ihany ve izay rehetra mamaky ny rakitra tsy mitsaha-mitombo momba ny famonoana miaro habibiana fa hoe voasambotra ny saribakoly iray ? Tsia. Tsy gaga izahay.

Ary avy any Koety, ny mpanoratra Dalaa Almoufti no mampitandrina :

Andraso ny vaovao amin'ny gazety manerantany sy ny fampisehoana hatsikana any ivelany.

Ho tsinianao ve izay nitondra ity tantara ity ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.