
Monasiteran'ny Masindahy Elijah, Mosul, Iraka – monasiteran'ny kristianina tranainy indrindra ao Iraka. Sary avy amin'i Doug, tao amin'ny Wikimedia Commons, GFDL
Noravain'ny ISIS ny monasiteran'ny Kristianina tranainy indrindra, Dair Mar Elia, araka ny tati-baovao nivoaka androany [fivoahan'ny lahatsoratra teny anglisy]. Ny monasitera, fantatra amin'ny teny Anglisy hoe Monasiteran'ny Masindahy Elia, dia naorina tamin'ny taona 595, ary miorina ao Ninawa, atsimon'i Mosul, izay toerana mampatanjaka ny vondrona milisy ao Iraka.
Na dia rava aza, dia mbola nanohy nitsidika ny monasitera vita amin'ny vato ny mpanao fivahiniana masina kristianina, izay ahitana trano fiangonana sy fitoerana masina, ary koa tahirin-drano manodidina sy loharano mineraly voajanahary. Mampiseho korontam-bato nisian'ny fotodrafitrasa niorina teo amin'ny havoana ny sary zanabolana navoakan'ny Associated Press, izay namoaka ny tantara.
I can't describe the feeling of standing in a place that is no longer there https://t.co/coZAGeGfzc pic.twitter.com/Y4ndF3q4f2
— Maya Alleruzzo مايا (@mayaalleruzzo) January 20, 2016
Tsy haiko ny mamaritra ny fihetseham-po tamin'ny nitsanganana eny amin'ny toerana izay tsy misy intsony
Naneho ny hatezerany sy ny tsy finoany ireo hafa maro tao amin'ny Twitter:
Misioka i Fawzi Shingali avy ao Iraka:
تنظيم #داعش يفجر دير مار ايليا اقدم دير في العراق بني ما قبل الاسلام ذبحوا البشر ودمروا الحجر وعاثوا في الارض فسادا #الدوله_الإسلاميه !!!
— Fawzi Shingali (@FawziShingali) January 20, 2016
Nodarohan'ny ISIS baomba i Dair Mar Elia, monasitera tranainy indrindra ao Iraka. Naorina talohan'ny Islamo izany. Namono olona izy ireo, nandrava trano, ary nitondra korontana eto an-tany.
Toerana manan-tantara 10 noravan'ny ISIS sy ny maha-zava-dehibe azy ireo
Manazava ny fijeriny tamin'ny andiana sioka izy:
Once again, events like the razing of Deir Mar Elia demonstrate the ineffectiveness of the international response to heritage destruction.
— James Noyes (@JRANoyes) January 20, 2016
Averina indray, ny zava-mitranga tahaka ny fandravana ny Dair Mar Elia dia mampiseho ny tsy fahombiazan'ny valintenin'ny iraisampirenena manoloana ny fandravana vakoka.
UNESCO conventions don't help places like Deir Mar Elia. They are treaties which depend on peace, and are often ignored by signatories.
— James Noyes (@JRANoyes) January 20, 2016
Tsy manampy ny toerana tahaka ny Deir Mar Elia ny fifanarahana UNESCO. Fifanarahana miankina amin'ny fisian'ny fandriampahalemana ireny, ary matetika tsy raharahian'ireo mpanao sonia.
The use of a heritage site by a state's or an occupier's troops is a technical violation of the Hague Convention: an act of non-compliance.
— James Noyes (@JRANoyes) January 20, 2016
Ny fampiasan'ny tafiky ny mpibodo na ny tafi-panjakana ny toerana sokajiana ho toeram-bakoka dia fanitsakitsahana ara-teknika ny Fifanarahan'i Hague: fihetsika maneho tsy fanajana
And then we have the issue of groups operating today (like IS) who denounce the very premise of cultural heritage and universal value.
— James Noyes (@JRANoyes) January 20, 2016
Ary manana ny olan'ireo vondrona miasa ankehitriny (tahaka ny IS) isika izay mandà ny tsirinkevitry ny vakoka ara-kolontsaina sy ny soatoavina manerantany.
And so we might ask: faced with both non-compliance and non-recognition, how can Hague conventions really save places like Deir Mar Elia?
— James Noyes (@JRANoyes) January 20, 2016
Ary mety manontany isika: manoloana ny tsy fanajana sy ny tsy fankatoavana, ahoana no ahafahan'ny fifanarahan'i Hague hiaro tokoa ny toerana tahaka an'i Deir Mar Elia?
Surely there needs to be rethinking about how, in today's climate, the international community protects important cultural heritage sites.
— James Noyes (@JRANoyes) January 20, 2016
Tena ilaina tokoa ny mandinika indray ny fomba hiarovan’ ny fiarahamonina iraisampirenena ireo toerana manana vakoka ara-kolontsaina lehibe indrindra amin'izao toe-draharaha misy ankehitriny izao.
Nilatsaka teo am-pelatanan'ity milisy ity tamin'ny volana Jiona 2014 i Mosul, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Iraka ary eo ambanin'ny fifehezan'ny vondrona mpisintaka tao amin'ny Al Qaeda malaza, izay miady ao Syria ihany koa ankehitriny.