Ela Ny Ela, Rindrina Mampiray Vahoaka Fa Tsy Mampisaraka

Wall of kindness in Peshawar. Photo by: Serve Mankind Facebook Page

Rindrin'ny Fahatsaram-panahy ao Peshawar. Saripika: Pejy Facebook Serve Mankind

Raha manavatsava ny tantaram-pirenena dia endriky ny fisarahana, fanavakavahana ny rindrina. Saingy nisy toe-javatra vaovao antsoina hoe “rindrin'ny fahatsaram-panahy” (Deewar-e-Meherbani) ankehitriny manao izay mifanohitra amin'izany indrindra. Manoloana ny toetrandro mangatsiaka [any amin'ny ilabolantany avaratra] dia manomboka mametraka fitariham-pahalalahan-tanana ho an'ny tsy manankialofana sy ny olona fadiranovana ny Iraniana amin'ny fananganana ny “rindrin'ny fahatsaram-panahy.” Hita amin'ny rindrina ny fanantonana akanjo izay mifanila amin'ny fehezanteny hoe, “Mandraisa iray raha mila ianao. Mametraha iray raha tsia.” Lasa nisandrahaka tamin'ny sehatra iraisampirenena ny fanentanana iraniana hanolotra fanomezana, palitao, satroka, pataloha ary fitafiana mafana.

Izay niainga tao Mashhad, Iran, ankehitriny no miparitaka mankany Shina sy Pakistan. Indreto ny sasantsasany amin'ny sary mampafana fo sy ny tantaran'ny “rindrin'ny fahatsaram-panahy” manerana ny firenena vitsivitsy

Iran: Toerana nanombohany

Nanomboka izao rehetra izao tamin'ny alalan'ny ranomandry nisinisy ihany tao Mashhad:

Ranomandry mahafinaritra ao Mashad

Raha mahafinaritra ny maso ny mijery azy dia mafy kosa ny miaina izany indrindra hoan'ireo tsy manankialofana. NIpoitra tsimoramora avy eo ny diezy دیوارمهربانی# (rindrinn'ny fahatsaram-panahy) amin'ireo sary isan-karazany, rehefa nanomboka nanampy ireo mila izany ny olom-pirenena:

Rindrin'ny fahatsaram-panahy #Kerman ao amin'ny lalana Khajoo, mialoha ny fihaonan-dalana ao Khajoo, amin'ny ankavia #yalda ao #Kerman

#RindrinnyFahatsarampanahy

Rindrin'ny Fahatsaram-panahy ao Shahsavar, manakaiky ny moskean'i Shahsavar

Nanaraka i Shina

Tsy ela akory taorian'izany dia nivoaka tao amin'ny media sosialy ireo sarin'ny “Rindrin'ny Fahatsaram-panahy” tao Shina. Mitatitra ny Shinoa fa “hoan'ny olona tsy manankoraisina” ny fitafiana:

“Rindrin'ny Fahatsaram-Panahy” ao Chengdu, Shina. Ity ny tanàna nianaran-dRtoa Gibbs tany amin'ny kolejy.

Nanangana rindrin'ny fahatsaram-panahy ny tanànan'i Liuzhou ao Shina hanampiana ny tsy manankialofana mandritra ny ririnina.

Eto Shina ihany koa ny “Rindrin'ny Fahatsaram-panahy” avy any Iran. Fahombiazana ara-diplaomatikan'ny vahoaka Iraniana kosa izany.

Nanara-dia i Pakistan

Nanambara ny drafitra hananganany Rindrin'ny Fahatsaram-Panahiny koa i Ismat Ali sy i Maria Waqas, mpampianatra ao amin'ny Kolejy Bahria ao Karachi :

So, my dear friends and family…I come to you again. This time in collaboration with my senior, Ma'am Ismat Ali. We are starting a wall of kindness in karachi. Area will be mentioned later. Please donate generously your clothing or shoes that are just sitting in your cupboards and can help the needful. Truly grateful. Let's begin 2016 with a new heart!!
Posted by Mariya Waqas on Tuesday, December 29, 2015

Eny ry tapaka sy namana… Tonga eto aminareo indray aho. Eto dia ho fiarahamiasa amin'ny zokiko, madama Ismat Ali. Nanomboka ny rindrin'ny fahatsaram-panahy eto Karachi izahay. Holazaina amin'ny manaraka ny toerana. Miangavy ny hanomezanareo ny akanjo na kiraro mipirina fotsiny any anaty arimoara any nefa mety hanampy ny tsy manana. Amim-pankasitrahana tokoa. Andao atombotsika amin'ny fo vaovao ny taona 2016!!

Wall of Kindness in Karachi. Photo Courtesy: Wall of Kindness Facebook Page

Rindrin'ny Fahatsaram-Panahy ao Karachi. Sary nindramina tamin'ny pejy Facebook Rindrin'ny Fahatsaram-Panahy Pakistan.

Nanangana ny rindrin'ny fahatsaram-panahy any an-tanànany ihany koa ny olom-pirenena ao Peshawar sy Lahore. Ao Peshawar, vondron'olona avy ao amin'ny ONG Serve Mankind no nanoratra:

Vehivavy iray manome akanjo eo amin'ny rindrin'ny fahatsaram-panahy phase 3 Hayatabad ao Peshawar. Notsidihana androany.

Rindrin'ny Fahatsaram-Panahy: ezaka lehibe hanampiana ireo mila fitafiana. Miangavy ny hanomezana fitafiana mihoatra. Hayatabad phase 3

Ary ho an'i Lahore, ny Twitter no noraisin'ny olona hampielezana ny teny.

“Rindrin'ny Fahatsaram-Panahy” akaikin'ny zaridaina Jam e Sheeren, Tsena Firdous ao Lahore.

Misy “Rindrin'ny Fahatsaram-Panahy” ao Lahore akaikin'ny zaridaina Jam e Sheeren, Tsena Firdous. Miangavy ny hanomezanao ho asam-panasoavana sy hanampy ny olona [resy] ivelan'ny trano

Mbola tsy vita ry vahoaka

Manome sakafo ihany koa ny Iraniana. Indro misy fanaova-mofo iray manome sakafo ireo tsy manankialofana sy noana. Hoy ny fivakin'ny baoritra, “Maimaimpoana ny mofo ho an'izay tsy mahavidy.”

Tonga ao amin'ny fanaova-mofon'ny fahatsaram-panahy ny rindrin'ny fahatsaram-panahy.

Te-hiteny fotsiny aho, ny sioka farany, dia fanaovamofo iray ao Iran. Toy izao ny fivakin'ny soratra: “mofo maimaimpoana ho an'ireo izay tsy mahatakatra ny vidiny” …eritrereto aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.