Taorian'ny Famborahana Ny Fanaovana Sotasota Ara-pananahana Any Amin'ny Toerampiasàna, Milaza Ny Iraniana Iray Mpanolotra Vaovao Fa “Tonga izao ny Fotoana Hiavotana Ho Afaka”

Nozohian'ireo Iraniana ny resaka mahery vaika tao amin'ny media sosialy taorian'ny filazan'ny mpanolotra vaovao, Sheen Shirani, izay miasa ho an'ny Press TV amin'ny fiteny Anglisy an'ny fanjakàna Iraniana, nivoaka niaraka tamin'ireo porofo manandanja nilaza fa nanmpiharan'ireo lehibeny sotasota ara-nofo izy.

Ny 5 febroary, nampakatra ireo rakipeo avy tamin'ny finday sy ireo hafatra tao amin'ny Messenger-n'ny Facebook sy WhatsApp koa i Shirani, izay nahenoany ireo fikaotikaotiana tsy tiany nataon'i Hamid Reza Emadi, tonian'ny famoahana vaovao ao amin'ilay fahitalavitra.

Noho ny fanitsakitsahana zon'olombelona, tafiditra ao anatin'ny lisitra maintin'ny Vondrona Eropeana izay nataon'ny Fitsaràna Eoropeana momba ny Zon'Olombelona ny taona 2013 i Emadi. Fantatr'i Maziar Bahari, ilay Iraniana mpanao gazety  miaina an-tsesitany amin'izao fotoana izao, i Emadi, fa nandray anjara tamin'ireo fakàna ambavany azy sady nanery ny fiaikena heloka diso, fony izy voahidy tao amin'ny fonja Iraniana Evin. Naelin'ny Press TV ireo andiana fiaikena helok'ireo voafonja nampijaliana mialohan'ny nametrahana an'i Emadi tao amin'ny lisitry ny famaizana Eoropeana.

Nalefan'i Shirani tao amin'ny Facebook ireo hafatra. Ny harivan'io ihany, nanao tatitra izy fa nesorin'ny Facebook ny lahatsorany fa tsy nanaraka ireo fitsipika ara-dalàna mifehy ny fiarahamonina ao amin'ny Facebook. Nandefa fangatahany marobe taminy i Emadi mba hanalàna ireo rakipeony tany aloha, saingy tsy mazava hoe misy fifandraisana ve eo amin'ireo fanoheran'i Emadi sy ilay fanesoran'ny Facebook.

Nesorin'ny Facebook fotsiny izao ny telo tamin'ireo lahatsoratro noho ny filazàny fa tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina Facebook. Tany aloha…

Shirani's Facebook post after she discovers the evidence she posted against her former Press TV managers were removed by Facebook.

Sata Facebook nataon'i Shirani taorian'ny nahitàny fa nofafàn'ny Facebook ireo porofo nalefany hamelezana ireo mpitantana teo aloha tao amin'ny Press TV

Tao anaty tafa an-dahatsary iray (aseho ery antampon'ny lahatsoratra) niaraka tamin'i Masih Alinejad, iraniana iray mpanao gazety mahery fo  miaina any an-tsesitany, manazava bebe kokoa ny herisetra ara-batana nataon'i Emadi tao amin'ny birao i Shirani.

Nampangainy koa ny Lehiben'ny PressTV, Payam Afshar, ho nanao herisetra ara-nofo. Taorian'ny nandàvany fikaotiany azy, toa voalaza fa nataon'i Afshar lasibatry ny tsy rariny i Shirani, nangataka ireo mpiasa hafa mba hitatitra momba ny hadisoana  madinidinika nataon'i Shirani, toy ny fahataràna iray na roa segondra tamin'ireo fandaharany.

Shirani said she turned to Emadi for advice on how to deal with Afshar. After the problem with Afshar was solved with Emadi's help, Emadi reportedly reasoned his sexual advances under the rubric of his professional support for her:    ………………Nilaza i Shirani fa nitodika tamin'i Emadi izy mba hanoro hefvitra azy momba izay fomba hiatrehana an'i Afshar. Taorian'ny nivahan'ny olàny amin'i Afshar noho ny fanampian'i Emadi, voalaza fa navadik'i Emadi ho ao anatin'ny fanohanany azy tamin'ny resaka asa ny sotasota ara-nofo nataony taminy.

Nanampy anao foana aho. Teo foana aho nanohana anao. Tamin'ny fotoana nilànao fanampiana, nanampy anao aho. Tsy niteny taminao aho hoe mamonoa olona. Afaka manampy ahy ho toy ny mpinamana ianao. Afaka manao firaisana amiko ianao sahala amin'ny mpinamana.

Tao anatin'ilay rakipeo nozarain'i Shirani tamin'i Alinejad mpanao gazety heno ho nangataka an'i Shirani ho hiaraka hatory taminy i Emadi satria mahatsiaro ho tsy manam-pitoniana izy. Taorian'ny nilazan'i Shirani taminy mba hanaovany ireo fangatahany ireo amin'ny vadiny, mamaly i Emadi fa “Raha afaka nahita ny vadiko aho dia tsy nangataka taminao.”

Io tranga io dia manazava ny haratsian'ny andraikitr'ireo vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa ao Iràna.

Ho setrin'ny fanakianana henjana teny anaty media sosialy niampanga an'i Shirani hoe rha ny marina dia izy mihitsy no niditra tamin'ny resaka firaisana ara-nofo taminìi Emadi, dia nilaza tamin'i Alinejad izy fa:

Raha faniriako ny hiditra tamin'ny fiarahana tamin'i Emadi, minoa ahy fa nitàna toerana ambony tao amin'ny Press TV aho fa tsy ho mpiasa tsotra tsy misy fifanekena tahaka izao; vehivavy iray tsy manana antoka; vehivavy iray mandalo ny sedran'ny ‘tsy misy atoraka’ . Mety nahangona harena be aho ary tsy hanana ahiahy amin'ny hoaviko mihintsy, na ho an'ny zanakolahy.

According to a report by IranWire, Shirani has left Iran, and her whereabouts unknown. While employed with Press TV, she always wore a hijab, in line with the broadcaster (and country's) strict rules on women's modesty; however, following her departure and accusations, she has presented herself without the headscarf. It's “time to break free,” she wrote on Facebook.   ……………..Araka ny tatitra iray tamin'ny IranWire, nandao an'i Iràna i Shirani, ary tsy fantatra hoe lasa aiza. Raha mbola niasa tao amin'ny Press TV izy dia nisalotra hatrany ny sarondohany, ety anaty serasera miaraka amin'ny fepetra henjan'ilay fahitalavitra (sy eto amin'ny firenena) mifehy ny vehivavy; na izany aza, taorian'ny fialàny sy ireo fanendrikendrehana azy, niseho tamin'ny maha-izy azy izy tsy nanao sarondoha. “Tonga izao ny Fotoana Hiavotana Ho Afaka”, hoy izy nanoratra tamin'ny Facebook.

Shirani posts about shedding her hijab and leaving a job that compromised her dignity while forcing her to maintain a Islamic dress code.

Mitatitra ny fanalàny ny sarondohany sy ny fandaozany ny asany izay mangeja ny maha-izy azy amin'ny fanerena azy hisalotra ny fitafiana silamo i Shirani.

Namoaka fanambaràna tamin'ny fiteny Persiana ny Press TV miantefa indrindra amin'ireo ampamoakan'i Shirani. Nanazava izy ireo fa mpiasa roa no naàto tamin'ny asany raha mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mikasika io tranga io etsy andaniny, saingy tsy nilaza kosa hoe i Emadi sy Afhsar ireo mpiasa roa ireo. Nanamafy koa izy ireo fa tsy nisy fametrahana fitoriana ofisialy natao taoi Iràna, ary ireo fiampangana imasom-bahoaka dia ampahany amin'ny tsikombakomba politika natao mba hanozongozonana ny rafitra politikan'i Iràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.