Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Mey, 2015
Mpiasa Mankalaza Ny Fetin'ny Asa Amin'ny Fanatevenana Laharana Ny Fihetsiketsehana an-Dalambe Manerana an'i Azia Atsimo Atsinana
An'arivony ny mpiasa nidina an-dalambe manerana ny faritra ho fitakiana fampisondrotana karama, tombontsoa isan-karazany, ary fanatsarana samihafa eo anatrehan'ny ny fisondrotry ny vidim-piainana.
Ny ‘Hakanton'ny’ Tsy Fahazakàna Lahy Tia Lahy Na Vavy Tia Vavy, Rosiana

Nitondra ny lohateny hoe "Olona Tsara Tarehy sy ny Zavatra Nolazain'izy Ireo Ahy," ilay fikatrohana mafàna fo miaro ny zon'ny LGBT. Lena Klimova, dia nandefa ireo sarin'ireo olona tsirairay amin'ireo fiainany andavan'andro, sy ireo hafatra mandrahona nalefan'izy ireo ho azy tao amin'ny aterineto.
Mihamaro ireo LGBT Japoney no Mivoaka avy any amin'ny Miafina
Fitsapa-kevitra an-tserasera iray nataon'ny orinasa iraisampirenena iray sy ny goavan'ny mpanao dokambarotra Dentsu no nahitana fa iray amin'ny Japoney 13 (7.7%) anelanelan'ny taona 20 ka hatramin'ny 59 no manondro tena ho lesbiana, gay, biseksa ary nanova taovam-pananahana (LGBT).
Inona No Mitranga Rehefa Mahazo Herinandro Lavabe Ho Fialantsasatra i Japana?
Mifamahofaho ny fihetsehampo rehefa mifarana ny "Herinandro Volamena", fialantsasatra lavabe tao Japana. Ny sasany malahelo hiverina hiasa, raha ny hafa indray faly fa mivoaka ny trano ny fianakaviana ary miverina ho toy ny isanandro ny fiainana
Nahavotra Tovovavy Chechen Tsy Hanambady Kapiteny 57 Taona Ve Ilay Mpanoratra Gazety? Tsia.

Nitatitra ny RuNet Echo tamin'ny herinandro lasa fa nahavita nanakana tovovavy Chechen 17 taona tsy hanambady kapitenin'ny polisy 57 taona tsy vokatry ny fony ilay mpanoratra gazety tsy miankina Rosiana. Fantatra ankehitriny fa tontosa ihany ilay fanambadiana na dia izany aza.
Ny Fomba Mety Hamotehan'ny Dihy Vody Ny Fandraharahàna Madinika Rosiana

Nampiasa fomba fandihy tsy fampiseho masoandro mba hampahafantarana ny vokatra avy aminy ny orinasa Rosiana iray mpanao vokatra ho an'ny fikarakarana tarehy, ary politisiana Rosiana iray no nilaza fa manao "fihetsika fitondrantena ratsy" manohintohina ireo ankizy tsy ampy taona ny dokambarotr'ilay orinasa.
Gazetiboky Sangany Ao Iran, Naato Taorian'ny Niresahany Momba Ny Tokantrano Maso Ivelan'ny Fanambadiana
Milaza i Shahla Sherkat, tonian-dahatsoratra, fa mbola antenainy ny hahafahany handresy lahatra ny fitsaràna hamela ny fiverenan'ny fanontàna indray. Araka ny tatitra dia noho ny fanoratan'ny Zanan-e Emrooz momba ny "fanambadiana fotsy" no nampiatoan'ny Kaomity Mpanaramaso ny Asa Fanaovana Gazety Ao Iran azy.
“Diaben'ny Vahoaka” Alohan'ny Zaikaben'ny Mpitondra Rezionaly Ataon'ireo Mpikatroka ao Azia Atsimo Atsinanana
Mpikatroka sy mpitarika maherin'ny 1000 avy amina fikambanana fiarahamonim-pirenena manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no nanambara ny heviny mikasika ny toetry ny zon'olombelona sy ny fitomboan'ny hantsana ara-toekarena.