Vehivavy Saodiana maro omaly no nandray ny familiana tao Arabia Saodita mba hankahatra ny fandraràna azy ireo tsy hitondra fiara. Natao tamin'ny Facebook ny fanetanana, ary namafisin'ireo resaka ifanakalozana tamin'ny fampahalalam-baovao ara-tsosialy hafa, toy ny vohikala fanaovana bilaogy kiritika Twitter.
Laila Sindi, avy any Jeddah, dia mizara ny niainany tanaty andianà bitsika[ar].
في خلال ١٠ دقائق انتهينا من شارع الستين ووصلنا بداية الخط الدائري ولقينا نقطة تفتيش..رغم اننا تأكدنا مرارا من عدم وجود قطة هناك #women2drive
Folo minitra taty aoriana, nahavita ny làlana faha 60 izahay ary nanomboka nahazo ny fiantombohan'ny làla-mihodina. Tratry ny fisavana izahay teo na dia efa imbetsaka nanao fanamarinana fa hoe tsy tokony hisy fisavàna eo amin'io toerana io.
Teo amin'ny toerana fisavana, niagavy azy ireo mba hanajanona ny fiara sy hivoaka tao ny manamboninahitra sy miaramila iray. Manazava i Laila :
نزلنا وطلب منا الملازم الركوب في سيارته وكانت من نوع الفورد.. ركبنا كلنا في المقعد الخلفي ولم يقل لنا شيئا لكن صادر حقائبنا #women2drive
Nivoaka izahay ary nasain'ilay manamboninahitra hiditra tao anaty fiarany, izay Ford. Nipetraka tao aoriana izahay rehetra. Tsy niteny na inona na inona izy fa nisintona ny kitaponay.
لم يرد علينا أبدا في البداية.. بعد قيادة ٢٠ دقيقة تقريبا أوقف السيارة على جانب طريق الدائري ونزل منها وأغلق الأبواب وبدأ القلق #women2drive
Tsy niresaka taminay mihitsy izy teo ampihaingàna ary nanajanona ny fiara teo amin'ny sisin'ny fihodinan-dàlana noho ny afaka 20 minitra sady nivoaka ny fiara ka nohidiny tao izahay. Nanomboka niahihahy izahay teo.
Nony tao ivelany, ilay miaramila dia niresaka tamin'ny finday
نزل وتكلم بجواله ثم عاد وأخذ حقائبنا وخرجبدأ في تفتيشها خارج السيارة.. أعترف أنني بدأت أصرخ وأشتم وصديقتنا انهارت وتبكي #women2drive
Nidina ny fiara izy ary niresaka tamin'ny findainy, niverina izy avy eo, naka ny entanay ary nanomboka nisava izany tao ivelan'ny fiara. Nihaiky aho fa niatsoantso sy nanompa ary nihantatra nitomany koa ny namako.
15 minitra teo noho eo no lasa, niverina tao anaty fiara ilay miaramila, nitondra an-tànana ny entan'ireo tovovavy, kanefa nalainy ny findainy mba tsy ahafahan'izy ireo miantso ny havany sy handraketany zavatra hafa.
هددته بالفضيحة والمقاضاة فلم يرد وقالت له سناء بنت عمي أن والدها سيرفع دعوى فلم يرد وقاد السيارة الى طريق العابدية وقلقنا جدا #women2drive
Nampihorohoroako izy fa ho halaiko baraka ary ho toriko any amin'ny fitsarana. Nolazain'i Sana rahavaviko fa mpisolovava ny rainy ka hametraka fitoriana fiampangana azy kanefa tsy namaly izy. Nentiny tany amin'ny làlana Abidiya ny fiara ka vao maika niahihahy mafy izahay.
وهو يقود السيارة قال لنا أن هدأتوا ستكون التمور بخير وطبعا لم نسكت ولم نتوقف عن التهديد وفجأة أوقف السيارة وصرخ: وربي انا معكم #women2drive
Teo am-pamiliana ny fiara dia nilaza taminay izy mba ho tony dia handeha ho azy ny raharaha. Eny, tsy nety nangina izahay na nijanona nihorohoro. Najanony tampoka ny fiara ary niteny mafy anay fa:”miniana amin'Andriamanitra aho fa eo anilanareo.”
قال لنا أن شخصا ما رآنا وأبلغ عنا بالاتصال على رقم النجدة وبلغه النداء فوصل إلينا أولا واتفق مع الجندي على “تهريبنا” #women2drive
Nilaza taminay izy fa nisy olona nahita anay ary nitaraina noho ny aminay tany amin'ny polisy. Rehefa azon'izy ireo ny filazana, nifanaiky izy sy ilay miaramila hafa handefa azy ireo mangingina.
Mibitsika i Laila fa hoe niteny ilay miaramila hoe teo mba hanampy azy ireo ry zareo.
وقال انه من “عيال مكة” وان لو قبض علينا راح يصير لنا شيء مو طيب ابدا فقرر يساعدنا.. طبعا ما صدقته واصريت اكلم والدي #women2drive
Nilaza taminay izy fa avy any Lameka ka raha misambotra anay izy, dia hisy loza hanjo anay, ka naleony nanampy anay. Tsy natoky azy anefa aho mazava loatra ka nisisika niantso ny raiko.
شرح لنا أن دوريته انتهت وأن رسميا هو والجندي ليسوا على رأس للعمل فهو في أمان لكن لو اتصلنا بلغنا احد سيتضرر #women2drive
Nazavainy anay fa tapitra ny fetr'ora fiasàny ka noho izany dia tsy miasa izy sy ilay miaramila izao ka azo itokisana..nefa raha mbola miantso olona ihany izahay, dia ho tezitra izy.
قال ان الخيار بيدنا.. يرجعنا للسيارة ونتحمل مخاطرة البلاغ والبحث أو ننتظر في سيارته ساعتين ثم يرجعنا لبيوتنا #women2drive
Nilaza taminay izy fa eo an-tànanay ny safidy..naveriny tao anatin'ny fiara izahay ka handray ny andraikitray noho ny fitarainana sy fikarohana, na miandry ao anaty fiara mandritra ny adiny ora mandrapandefany anay mody.
Milaza i Laila fa nisafidy ny hino azy ry zareo ka nalefa nody tany an-tranony avy.
Nipetraka tao aorinan'ny fiara ireo tovovavy nandritra ny adin'ny roa. Manoratra iLaila :
جلسنا محشورات في مقعد سيارته أكثر من ساعتين وما كلمنا أبدا.. بنت عمي تحتاج دوا ورفض اننا نخرج او انه يتركنا لجلب الدوا #women2drive
Nahatsiro-tena ho irery izahay tao anatin'ny fiarany nandritra ny adin'ny roa mahery, tsy nanao na inona na inona izy na dia ny niteny taminay aza. Nila fanafody ny anadahiko nefa tsy navelany niala ny fiara hitady izany izahay.
يعني هو قرر يحمينا من الحبس لكن من غير ما يسبب لنفسه ضرر او احراج.. وهذا شي متفهم طبعا #women2drive
Midika izany fa niaro anay amin'ny famonjàna izy ary koa tsy hampidi-doza na hanahirana azy, izay takatray tsara .
Afaka adin'ny iray, ilay miaramila niteny taminy fa tiany raha tafaverina mody any an-trano ry zareo mandritra ny fotoam-bavaka mitatao vovonana, rehefa nalalaka ny làlana. Manazava izy:
وفعلا جلسنا في سيارته اكثر من ساعتين وبعد اقامة صلاة الجمعة بدا في السواقة في اتجاه بيت بنت عمي والجندي يسوق سيارتنا #women2drive
Maherin'ny adin'ny roa no nipetrahanay tao anatin'ny fiarany ary taorinan'ny fanombohan'ny fivavahana, nentiny ny fiara ka nankany amin'ny tranon'i dadatoanay, ary ilay miaramila nanaraka nitondra ny fiaranay avy ao aoriana.
وصلنا بيت عمي ونزلنا وشكرناه وراح هو والجندي وطبعا صادر الجوالات احتياطا واعتذر وقال انسوا جوالاتكم #women2drive
Tonga tany amin'ny tranon'i dadatoako izahay dia nivoaka ny fiara sy nisaotra azy ary dia lasa nandeha izy sy ilay miaramila. Nentiny ny findainay ary niala tsiny sy niangavy anay mba hanadino ny momba azy ireo.
هذا مجمل اللي حصل وسامحوني على التويتات الكثيرة.. اعترف ان جسمي ما زال يتنافض من كثر القلق والفجعة #women2drive
Izay no famitinana ny zava-niseho ka miala tsiny noho ny fahalavan'ny bitsiko. Tsapako tena mbola mangorintsin'ny ahiahy sy horohoro ny tenako.
Lahatsary maro no nalefa tany amin'ny YouTube, mampiseho ireo vehivavy mitondra ny fiarany ao amin'ny Fanjakana. Vinavinaina ho teo anelanelan'ny 20 ka hatramin'ny 50 ny vehivavy nanohitra ny fandraràna ny fahazoana mitondra fiara ka nandray ny familiana. Norasin'ireo tambajotra sosialy ny vaovao, ka tamin'izany na dia ny tompom-bady aza dia nampiseho ny fahaizam-badiny mitondra fiara.
Ao amin'ny Storify, PaulTOwen mizara ato ity fantina fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba ny vehivavy mandray ny familiana any Arabia Saodita ity.
Raha hijery fanehoan-kevitra maro ao amin'ny Twitter, araho ny tenifototra Women2Drive
Global Voices dia zakain'ny ezak'ireo mpandray anjara manolo-tena, orina mpanasoa, mpanome sy ireo serivisy mifandraika amin'ny iraka. Raha hijery torohay bebe kokoa miangavy mba vakio ny