Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2016
Free Basics, Tetikasan'ny Facebook Amin'ny Aterineto Maimaim-poana, Ary Efa Misy Ao Amin'ny Firenena Miisa 47
Ny Free Basics dia vokatry ny fiarahamiasa teo amin'ny Facebook sy ny orinasan'ny teknolojia finday izay hahafahana miditra aterineto maimaim-poana saingy voafetra.
Tantaran'ilay Zanaka Lahin'ny Mpampijaly Olona Tao Arzantina
Nijoro nanohitra ny rainy tamin'ny raharaham-pitsarana La Perla-Ribera ny zanany lahy. Mpampijaly telo amby efa-polo no voampanga tamin'ny heloka bevava tamin'ny olombelona tamin'ity raharaham-pitsarana ity, izay nifarana tamin'ny 24 Aogositra 2016.
Mihanaka Ao Maraoka ny Fihetsiketsehana Taorian'ny Fahafatesana Feno Herisetra Nahazo ilay Mpivarotra Trondro
Niteraka fihetsiketsehana manerana ny firenena, Maraoka ny fahafatesana feno herisetra nahazo ilay mpivarotra trondro voahitsaky ny kamiao mpanary fako.
Mpitady Fialokalofana Tonga Avy Any An-dranomasina: Fandraràna Tsy Hahazo Fahazoandàlana Mandrakizay No Vinavinain'ny Governemanta Aostraliana
"Fanesoana ny lalàna iraisampirenena ny fandraràna ireo mpitsoaponenana tsy hahazo mandrakizay ny fahazoandàlana hiditra an'i Aostralia. Izany no zavatra jadona indrindra tsy mbola reko hatrizay."
Fiaran'ny Polisy Filipiana Manitsaka Amin-kerisetra Ireo Indizena sy Vitsy An'isa Mpanao Fihetsiketsehana Mitaky ny Zony
"Tany anatin'ny vondrom-piarahamonina nentindrazanay, zavatra faran'izay ratsy ny famelezana...Any amin'izay rehetra alehanay, anaovana herisetra izahay Lumads sy ireo vitsy an'isa hafa eto amin'ny firenena."
Mahita Fanitsakitsahana Zon'Olombelona Ao Anatin'ilay Volavolan-dalàna Hiarovana ny Ankizy Ireo Shinoa Mpisera Amin'ny Aterineto
Manandrana ny hiaro ireo ankizy ireo volavolan-dalàna vaovao, amin'ny fangatahana ireo orinasa mpanamboatra solosaina mba hametraka rindrambaiko fanarahamaso ao amin'ireo fitaovana, ary amin'ny fanindrahindrana ireo fitsaboana ny "fiankinandoha amin'ny Aterineto."
“Stand with Standing Rock”: Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Dakota Access Pipeline
"Indraindray ianao, taitra ao anatin'ny taona 2016, saingy mbola mahatsapa ho mbola any amin'ny taona 1875 hatrany satria mbola miady amin'ny fiarovana ny taniny hatrany ny Teratany." --Sherman Alexie