Free Basics, Tetikasan'ny Facebook Amin'ny Aterineto Maimaim-poana, Ary Efa Misy Ao Amin'ny Firenena Miisa 47

Capture d'écran de la vidéo présentant Free Basics sur YouTube. Via internet.org

Pikantsary mampiseho ny lahatsary mampahafantatra ny Free Basics ao amin'ny YouTube. Tao amin'ny internet.org

Miainga amin'ny fiheverana fa 85 % mahery amin'ny mponina manerantany no monina amin'ny faritra voarakotry ny tambajotra finday, saingy lafo ireo tolotra ireo raha hiditra aterineto, ka nanangana ny Free Basics ny Facebook, miara-miasa amin'ireo mpandraharaha momba ny finday ifotony manerana izao tontolo izao.

Natomboka tamin'ny 20 Aogositra 2013 teo ambanin'ny anarana Internet.org ny fandaharana Free Basics. Vokatry ny fiarahamiasa amin'ny Facebook sy ny orinasa miasa eo amin'ny sehatry ny teknolojia finday Samsung, Ericsson, MediaTek, Opera Software, Nokia ary Qualcomm izany. Ahafahana miditra aterineto miaraka amin'ny karatra SIM avy amin'ny mpandraharaha finday rehetra mandray anjara amin'ity tetikasa ity.

Nanadihady ny fiantraikan'ity fampiharana ity eo amin'ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao i Thierry Barbaut ary nitanisa ohatra vitsivitsy tao amin'ny habaka Afrique Technologie

Ce programme a un véritable impact sur les vies humaines en fournissant un accès gratuit à la santé, à l’éducation, et aux informations économiques. SmartBusiness, par exemple, est un site qui apprend aux gens à lancer et à gérer une entreprise, avec désormais 5 services de recherche de plus par jour depuis son lancement en Afrique du Sud au mois de juillet, ce qui signifie qu’un plus grand nombre peut accéder aux informations économiques importantes.

BabyCenter et MAMA atteignent des millions de personnes dans le monde en proposant des informations de santé primordiales pour la grossesse et l’art d’être parent et, rien qu’à travers les services Free Basics Internet.org, 3,4 millions de personnes sont informées. «Dès que les gens sont connectés, ils peuvent réaliser des choses extraordinaires aussi bien en tant que communauté qu’individus. La connectivité offre des opportunités aux peuples du monde entier, notamment, en Afrique où nous avons commencé ce voyage, » déclare Ime Archibong, directeur des partenariats stratégiques au sein de Facebook.

Tena misy fiantraikany eo amin'ny fiainan'ny olona ity tetikasa ity amin'ny alalan'ny fanomezana fidirana maimaim-poana amin'ny vaovaon'ny fahasalamana, ny fanabeazana, ary toekarena. Smartbusiness, ohatra, dia toerana mampianatra ny olona hanomboka sy hitantana orinasa, izay efa manana asa fikarohana 5 fanampiny sahady isan'andro hatramin'ny nanombohany tao Afrika Atsimo tamin'ny volana Jolay, izay midika fa marobe ny olona afaka mahazo vaovao lehibe ara-toekarena.
Mahatratra olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao ny BabyCenter sy MAMA amin'ny alalan'ny fanomezam-baovao lehibe ara-pahasalamana momba ny vohoka sy ny maha-ray aman-dreny, ary amin'ny alalan'ny tolotra Free Basics Internet.org fotsiny, dia olona 3,4 tapitrisa no nahazo vaovao. “Raha vao tafiditra aterineto ny olona, dia afaka manao zavatra miavaka amin'ny maha fiarahamonina sy amin'ny maha olona. Manome fahafahana ho an'ny olona manerana izao tontolo izao ny fifandraisana, indrindra fa any Afrika izay nanombohanay ity dia ity”, hoy i Imé Archibong, talen'ny fiarahamiasa ara-stratejika ao amin'ny Facebook.

Hatrao Bukavu, tanàna nandratoany fianarana, ao atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo, nanisa ireo habaka 80 maimaim-poana amin'ny Free Basics-n'ny Facebook i Olivier Ntanama, bilaogera, mampiasa ny solonanarana Smach, mpanorina ny bilaogy Tech in Congo:

Tsy voafetra ho an'ireo mpisera tambajotra sosialy tsotra ihany ny fampiharana Free Basic. Mitodika any amin'ireo mpandrafitra rindrambaiko (développeurs) ihany koa. Raha ny marina, nandritra ny fihaonambe G8, nanambara ny Facebook hoe:

Aujourd’hui, lors de la conférence F8, nous allons annoncer deux nouveaux outils destinés aux développeurs Free Basics. Nous avons lancé la plate-forme Free Basics en septembre pour tous les développeurs dont le service répond aux critères techniques et aux critères de participation de base. À l’heure actuelle, plus de 500 services sont proposés dans le monde. Les développeurs qui intègrent la plate-forme Free Basics jouent un rôle fondamental dans l’élaboration des expériences offertes aux personnes lorsqu’elles accèdent à Internet par le biais de Free Basics.

Hanambara fitaovana vaovao roa natokana ho an'ireo mpandrafitra rindrambaiko Free Basics izahay anio, amin'ny fihaonambe G8. Nanangana ny sehatra Free Basics izahay tamin'ny volana Septambra, tolotra ho an'ny mpandrafitra rindrambaiko rehetra manana tolotra mahafeno ny fepetra ara-teknika sy ny fepetra fandraisana anjara fototra. Amin'izao fotoana izao, tolotra maherin'ny 500 no nampahafantarina manerantany. Mandray anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana traikefa atolotra olona ireo mpandrafitra rindrambaiko mampiditra ny sehatra Free Basics ireo rehefa miditra aterineto amin'ny alalan'ny Free Basics.

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jiona tao amin'ny blastingnews.com mitondra ny lohateny hoe “Free Basics ao Madagasikara: aterineto maimaim-poana an'ny Facebook amin'ny vidiny ohatrinona?“. Nanadihady ny tombotsoan'ny fampiharana tao amin'ny fireneny ilay bilaogera, , nandritra ny fitsidihan'ny solontenan'ny Facebook teto Madagasikara mba hampahafantatra ny tetikasa:

Tamin'ny Mey 2015, efa azo nidirana tao amin'ny firenena 47 ao Afrika, Azia-Pasifika sy Amerika Latina ny Free Basics. Mpandraharahan'ny finday ao amin'ny firenena Afrikanina miisa 22 no manome ity tolotra ity, ary ao anatin'izany i Afrika Atsimo, Nizeria, Kenya, Ghana, Senegal, Zambia, Rwanda ary Ginea.

Araka ny fanadihadiana nataon'ny Facebook, mpisera Facebook 79.632 no nanao fanehoan-kevitra taorian'ny fampiasana azy. Tamin'ny isa iray hatramin'ny dimy, 47.951 no nanome naoty ambony indrindra, izany hoe 70 isan-jato, 11.757 kosa nihevitra fa 4 no naoty mendrika izany, izay 15 isan-jato, ary mpiserasera 7410 nanome naoty 3, latsaky ny 10 isan-jato. Izany hoe fanehoan-kevitra tsara ny 95 isan-jato avy amin'ireo mpiserasera.

Etsy andaniny, nanambara ny valin'ny fanadihadiana natao tao India ny tranonkala info.internet.org:

Lors d’un sondage réalisé auprès de plus de 3 000 personnes en Inde, 86 % des participants ont soutenu Free Basics après avoir pris connaissance des avantages et des inconvénients du service.

En outre, plus de 80 % des participants sont favorables à l’idée d’un « accès gratuit à un ensemble de sites web utiles sur Internet”.

Nandritra ny fanadihadiana natao tamin'ireo olona 3 000 tao India, 86 %-n'ny mpandray anjara no nanohana ny Free Basics rehefa avy nahita ny tombontsoa sy ny voka-dratsin'ny tolotra.

Fanampin'izany, mpandray anjara maherin'ny 80 % no nankasitraka ny hevitra « fidirana maimaim-poana amin'ireo tranonkala ilaina amin'ny aterineto”.

Araka ny filazan'ny The Guardian, eo am-piresahana amin'ireo tompon'andraiki-panjakana Amerikana sy ny mpandraharahan'ny finday ny Facebook volana maromaro izao mba hamolavolana endrika Amerikana amin'ny Free Basics. Ity endrika natao ho an'ny vahoaka Amerikana ity dia hikendry ireo saranga kely fidiram-bola sy ny faritra ambanivohitra tsy afaka miditra amin'ny aterineto haingam-pandeha na amin'ny smartfinday.

Na dia eo aza ny fankasitrahan'ireo mpiserasera marobe sy ny tolotra maimaim-poana, misy ny fanoherana, izay niafara tamin'ny fampiatoana ny Free Basics tao India sy Ejipta.

Nanomboka tamin'ny May 2015, nanaparitaka taratasy nalefa ho an'i Mark Zuckerberg ny fikambanana tsy miankina mpiaro ny zo nomerika, taratasy niampanga ny fandaharan'asa tamin'ny filazana fa fandrahonana ny tsy fitanilan'ny aterineto sy manohintohina ny fiainana manokana sy ny fiarovana ny mpisera aterineto izany. Milaza izy ireo fa fikasana hananganana fefy nomerika hanidiana ireo olona mahantra eto amin'izao tontolo izao io amin'ny alalan'ny fanomezana sehatra sy tolotra voafetra sady tsy voaaro. Nahangona sonia an'arivony maro manerantany izany fanangonan-tsonia izany.

Anisan'ireo fikambanana niandohan'izany fanangonan-tsonia izany ny sasany ao Afrika: Paradigm Initiative Nigeria, RIght 2 Know Campaign – Afrika Atsimo, Unwanted Witness (Oganda), Fikambanana tsy miankina Zimbabwe Human Rights Forum – Zimbaboe, Foibe Afrikanina Fifanakalozana Ara-kolontsaina (CAFEC) R. D. Congo, i freedom Oganda, KICTANet (Kenya) Just Associates Southern Africa – Africa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.