Nampitombo be ny fizarazaran-kevitra ao anatin'ny Aostralia momba ny fandraisana an-tànana ny raharaha mpikatsaka fialokalofana tonga amin'ny sambo ilay tolokevitra farany naroson'ny governemanta — irian'ny governemanta mpifikitra amin'ny fombandrazana, tarihan'i Malcolm Turnbull, ny hikapoka azy ireny amin'ny tsy fahazoana fanomezandàlana mandrakizay.
Amin'izao fotoana izao, fomba roa lehibe no iatrehan'ny politika Aostraliana ireo mpikatsaka fialokalofana tonga amin'ny sambo: fampiantranoana azy ireny any amin'ireo toby fitànana eny an-dranomasina, na ao Nauru io, na ao amin'ny nosy Manus any amin'ny Papouasie Nouvelle-Guinée, sy ny famerenana ireo efa tonga tao Aostralia. Ireo voatàna ary nekena ny fangatahany fialokalofana dia heverina fotsiny ho toy ny afaka mipetraka mandra-pamindra azy ireo ho any amin'ny firenena iray ao amin'ny faritra. Saingy ny tsy fisian'ireo firenena afaka amindràna dia midika fa marobe ireo mpitady fialokalofana no taraiky any anatin'ireny toby ireny mandritry ny fotoana tsy voafetra.
John Lord ao amin'ny The AIM Network (The Australian Independent Media Network) dia anisan'ireo marobe tezitra amin'ilay volavola ho fandraràna mandrakizay tsy hahazo fahazoandàlana:
Fanesoana ny lalàna iraisampirenena ny fandraràna ireo mpitsoaponenana tsy hahazo mandrakizay ny fahazoandàlana hiditra an'i Aostralia. Izany no zavatra jadona indrindra tsy mbola reko hatrizay. Mihatra amin'ireo olondehibe rehetra nalefa nanomboka ny Jolay 2013 any amin'ny nosy Manus na Naru io.
Manamafy io fa raha tsy mahita firenena fahatelo hamindràna ireo olona ao Naru sy Manus ireo ny governemantantsika dia hanasazy azy ireo hifonja mandrakizay ao an-toerana, fanamelohana ho faty na eo aza ny zavamisy hoe mandritry ny fiainan'izy ireo manontolo, tsy nisy heloka bevava vitany. Henatra ho an'ny fireneko.
Marobe ihany koa ireo hafa ety anaty serasera no mahita ilay olana ka miteny mahery. Andrew Laird, mpisolovava, dia iray amin'ireo mpanohitra mibaribary an'ilay drafitra:
Opinion divided (between nutters/decent people) as Govt seeks life ban on asylum seekers entering Australia #auspol https://t.co/asvKCPeGAm
— Andrew Laird (@ReclaimAnglesea) October 30, 2016
Mizarazara ny hevitra (eo amin'ireo mitapy sy ny olona mendrika) raha ny governemanta kosa mikatsaka ny handrara mandrakizay ireo mpitady fialokalofana mba tsy hiditra ao Aostralia
Somary mangingina ihany ao amin'ny Twitter ireo mpomba ilay fandraràna naroso. @redpill1811 no iray amin'ireo naningana :
Happy with the new #AsylumSeekers policy this will discourage illegal migrants to seek the services of illegal people smugglers #auspol
— skankhunt24 (@redpill1811) October 30, 2016
Faly amin'ilay politika vaovao momba ny #mpitadyFialofana Hampihena ny risipon'ireo mpifindramonina ara-dalàna hangataka tolotra amin'ireo mpampita tsy ara-dalàna io
Ny antoko Firenena Tokana an'i Pauline Hanson no nahazo laza sy nianjeran'ny rihitra. Manana mpikambana efatra izy ao amin'ny Antenimieran-doholona izay itakian'ny governemanta vatom-pifidianana sivy avy amin'ireo tsy miankina mba handaniana ilay tolodalàna. Ny PHON dia antoko iray mpanohitra ny fifindramonina sy ny Silamo.
Good to see that it looks like the Government is now taking its cues from One Nation. Just like last time. #auspol #PHON #Nauru #Manus https://t.co/c0GQew7vR8
— Pauline Hanson (@PaulineHansonOz) October 30, 2016
Tsara ny mahita hoe toa mandray ny hevitry ny Firenena Tokana ny governemanta. Toy ny tamin'ny farany teo mihitsy.
Nantenain'i @Ann1912 ny hiverenan'ny tantara. Nahavita telo taona, fepotoana fiasàna tao amin'ny antenimiera i Hanson, ny 1996 hatramin'ny 1998.
.@PaulineHansonOz I smile when I remind myself that, #JustLikeLastTime you will eventually be gone! https://t.co/OetqyhQZXB
— BroadspectrumOfAbuse (@Ann1912) October 30, 2016
@PaulineHansonOz mihomehy irery aho rehefa mahatsiaro hoe, #Toy ny tamin'ny farany teo mihitsy, ho vita ihany ny aminao
Fa notsinian'ny hafa ireo antoko lehibe :
Let's not blame Pauline Hanson for the latest attacks on asylum seekers. The major parties have been going down this path for a long time.
— Simon Copland (@SimonCopland) October 30, 2016
Aoka isika tsy hanatsiny an'i Pauline Hanson noho ireo famelezany farany teo ireo mpitady fialokalofana. Ireo antoko lehibe no efa nizotra tamin'io làlana io hatry ny ela
Na izany aza, mampisalasala ny hoe hotohanan'ny Antokon'ny mpiasa, mpanohitra, ilay tolodalàna ilaina hampiharana ilay fandraràna :
Malcolm Turnbull is in Pauline Hanson's pocket and HEAR HEAR @billshortenmp for calling it out. #auspolhttps://t.co/PzxcSbKgpQ via @smh
— Van Badham (@vanbadham) October 31, 2016
Milelaka ny felatanan'i Pauline Hanson i Malcolm Turnbull ary HENOY HENOY i @billshortenmp miantso izany
Manohitra mibaribary ilay fandraràna ireo olo-maventin'ny Antokon'ny Mpiasa fahiny, Kristina Keneally sy Craig Emerson :
So now we're banning refugees who found refuge in other countries from even visiting Australia? That's ridiculous. Shameful. Appalling.
— Kristina Keneally (@KKeneally) October 30, 2016
Araka izany dia raràntsika tsy hahazo mitsidika intsony mihitsy an'i Aostralia ve ireo mpitsoaponenana izay nahita fialofana any amin'ireo firenena hafa ? Hadalàna izany. Mahamenatra. Mampahatahotra.
Agreed, KK. Seeking asylum is not a crime. Pauline Hanson has claimed credit. Disgraceful Liberal Party endorsed by One Nation. https://t.co/mJ5002CRlx
— Craig Emerson (@DrCraigEmerson) October 30, 2016
Ekeko, ry KK. Tsy heloka bevava ny fitadiavana fialokalofana. An'i Pauline Hanson ny voninahitra sy laza. Mahamenatra, Antoko Liberaly tohanan'ny Firenena Tokana
Ny olona sasany mino hoe misy fifanarahana iraisampirenena ao ambadik'io fitadiavana toerana hametrahana ny mpitsoaponenana voatàna ao Nauru sy ny nosy Manus io ho alefa any aminà firenena iray fahatelo, mety ho i Nouvelle Zealande, na Etazonia:
Is the #AsylumSeekers legislation change the result of an impending deal with NZ? Can't think of any other reason for it. #auspol
— Janet Cumming (@Polyquats) October 30, 2016
Vokatry ny fifanarahana andalam-piketrehana ifanaovana amin'ny NZ ve ny fiovàna amin'ilay lalàna momba ireo mpitady fialokalofana? Tsy vita ny hietritreritra antony hafa ankoatra izay
Ho an'i Jane Gilmore (@JaneTribune), zavatra ataon'ny governemanta mba hanariana dia ny sain'ny maro tsy hijery ny tsy fahombiazany io drafitra io:
Me @junkeedotcom “latest attempt to distract us frm their failure 2 govern is sphincter-looseningly cynical” #Nauru https://t.co/oPvwpeEk8a
— Jane Gilmore (@JaneTribune) October 31, 2016
Teniko ho an'i @junkeedotcom “hevitra poakaty manirikiry ny andrana farany mba hanariana dia antsika tsy hahita ny tsy fahaizan-dry zareo mitantana
Nahasarika ny fifantohan'ireo vaovao sy media sosialy hatrany ampitan-dranomasina ilay tolodalàna :
#Australia moves toward lifetime entrance ban on offshore #refugeeshttps://t.co/uP4sD0TYiz
— Marianna Karakoulaki (@Faloulah) October 30, 2016
Miroso mankamin'ny fandraràna mandrakizay ireo mpifindra monina avy any an-dranomasina tsy hahazo hiditra any aminy i #Aostralia
Tsy isalasalàna, mbola hihamafy io fifantohana io rehefa tafiditra any amin'ny parlemanta ilay tolodalàna, ato ho ato