Fiaran'ny Polisy Filipiana Manitsaka Amin-kerisetra Ireo Indizena sy Vitsy An'isa Mpanao Fihetsiketsehana Mitaky ny Zony

Pikantsary avy amin'ny lahatsary mampiseho ilay fiaran'ny polisy manosy ireo mpanao hetsi-panoherana.
Voarakitra ao anaty lahatsary iray miely be tokoa amin'izao fotoana izao, imbetsaka ny fiaran'ny polisy no tratra niverimberina nanosy sy nanitsaka ireo vahoaka indizena mpanao hetsi-panoherana ary ireo vondrona vitsy an'isa ao amin'ny firenena nifamory hanao hetsika ny 19 Oktobra maraina teo anoloan'ny Masoivohon'i Etazonia ao Manila.
Hetsika tafiditra amin'ilay Pambansang Lakbayan ng mga Pambansang Minorya (Diabe Nasionalin'ireo Vitsy An'Isa ao amin'ny Firenana) misy amin'izao fotoana izao, izay nahitàna vahoaka indizena 3.000 tonga tao amin'ny renivohitr'i Filipina mba hisarika ny saina hijery ireo fanitsakitsahana zon'olombelona sy fandrakofana miaramila tafahoatra ny tany navalen'ny razan'izy ireo. Ny fanesorana ireo andian-tafika any anatin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo no takian'ireo vitsy an'isa ao amin'ny firenena ireo, ary ny fandravàna ireo andianà milisy tohanan'ny fanjakana.
Amin'ny ampahany, ilay fihetsiketsehana dia natao hanehoana firaisankina sy fanohanana ny Filoha Rodrigo Roa Duterte amin'ny fikisahany niala tamin'ilay fifandraisana mitanila efa naharitra am-polo taona maro niarahana tamin'i Etazonia, izay lazain'ireo vondrona indizena fa nitondra ireo orinasa vahiny mpitrandraka harena ankibon'ny tany sy mpanao voly midadasika hanao ny tanin'ny razan-dry zareo ho toy ny fanariana fako.
Saingy raha tokony ho fandevenana ny herisetra no hita tao amin'ny renivohitry ny firenena, herisetra no valin'ny diabe am-pilaminana nataon'izy ireo ho any amin'ny masoivoho amerikàna, satria tamin-kerisetra no nanaparitahan'ny polisy ilay hetsi-panoherana amin'ny entona sy kibay raha iny efa hifarana iny indrindra ilay izy.
Avy eo, Franklin Kho, manamboninahitry ny polisy grady faha 3, no niverimberina nitondra ny fiarany nanitsy ireo andianà mpanao hetsi-panoherana ary nanosy vahoaka indizena sy mpikatroka maro.
Ireto misy lahatsary telo bolongany be nalain'ny Ligy Iraisampirenen'ny Tolon'ny Vahoaka, sy Barry Dacanay ary ny Mayday Media mampiseho io tranga io avy aminà zoro samihafa :
Nolazain'ireo mpanao hetsi-panoherana fa baikon’i Marcelino Pedrozo Jr. mpifehy ambony ao amin'ny Polisin'ny Distrikan'i Manila ilay fanaparitahana tamin-kerisetra, na nandà imasom-bahoaka ho tsy nanome baiko tamin'ilay hetsika aza i Pedrozo. Iray hafa mpitondra tenin'ny polisy ihany koa no nandà hoe tsy nisy na iray aza fiaran'ny polisy nanosy mpanao fihetsiketsehana.
Na izany aza, azon'ny fakàntsary i Pedrozo niteny tamin'ny olony hanaparitaka ireo mpanao hetsi-panoherana sy handranitra azy ireo mihitsy raha ilaina, tamin'ny filazàna fa henatra ny fanaovan'ireo mpanao hetsika azy io eo akaikin'ny masoivohon'i Etazonia :
Wala man lang kayong hinuli, ang dami-dami niyan… Magkagulo na kung magkagulo, pulis tayo rito e. Pwede ba tayong patalo sa mga yan? Anong mukhang ihaharap natin sa embassy? Kaya i-disperse mo ‘yan! Lumaban kasi kayo! Mga pulis kayo hindi kayo lumalaban!
Tsy nisambotra olona akory ianareo na iray aza, marobe ry zareo no teny… Aleo hisy fandranitana raha ilaina, isika no polisy eto. Hanaiky hovelesin'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo ve isika? Endrika manao ahoana no ho asehontsika ny masoivoho? Noho izany aparitaho izao dieny izao ireo! Polisy ianareo nahoana ianareo no tsy miady!
Niharan'ny herisetran'ireo polisy ihany koa ny mpamily jeepney iray ratsy vintana nampiasain'ireo mpanao hetsi-panoherana, nahatonga azy ho vaky rà teo amin'ny arabe taorian'ny daroka imbetsaka teny amin'ny lohany :
Voatsenan'ny tafondron-drano sy andrana fanaparitahana tamin-kerisetra ny ezaka iray nataon'ireo vitsy an'isa ao amin'ny firenena mba hitondra ny momba azy ireo any amin'ny Foiben-toeran'ny Tafika Mitampiadiana ao Filipina, any akaikin'ny tanànan'i Quezon tamin'ny 18 Oktobra — andro iray talohan'ilay hetsi-panoherana tao Manila.
Misy vovonana iray vaovao vao naorin'ireo vitsy an'isa ao amin'ny firenena, antsoina hoe Sandugo, niteraka ny hetsi-panoherana tao an-tanànan'i Quezon, nanameloka ny herisetran'ny polisy sy ny tsy rariny tafahoatra manjo ireo vahoaka indizena manao hetsi-panoherana. Niantso ny fanjakàna ihany koa ry zareo mba hitazona ireo manampahefana ao amin'ny polisy ho tomponandraikitra tamin'ilay famonoana olona.
Iverenana ny ao Manila, nandratra olona 50 ilay fanaparitahana tamin-kerisetra, ary 10 raha kely indrindra ireo olona nalefa notsaboina tao amin'ny hopitaly tsy lavitra teo noho ny ratra mafy nanjo azy. Raha kely indrindra dia 29 koa ireo mpanao hetsi-panoherana nosamborina, misy naratra ny sasany amin'izy ireny. Navotsotra ry zareo taorian'ny nanaovan'ireo mpanao hetsi-panoherana fihetsiketsehana teo anoloan'ny foiben-toeran'ny polisy.
Ity ny lahatsary iray ahitàna ny mpitarika ireo indizena sy mpitondra tenin'ny Sandugo, Piya Macliing Malayao, iray amin'ireo voadonan'ilay fiaran'ny polisy, avy amin'ilay vondrona tsy miankina mpamokatra lahatsary Tudla Productions:
Efa teo am-pamaranana ary hiparitaka izahay. Niandry fotsiny izay hahataperan'ny kabarin'ilay farany nandray fitenenana. Fa nihetsika nandroso ny polisy ary nandroso nihemotra aza ny iray tamin'ny fiaran'izy ireo. Izany no anton'ireo ratrako. Ary ankehitriny raha tokony hahazoako fitsaboana vonjy taitra avy amin'ireo namako ao anatin'ny tariky ny mpitsabo….nosamborin'ny polisy tamin-kerisetra ry zareo. Ho vaoheloka daholo izahay rehetra, hoy ny polisy. Vesatra inona? Fiarovana ny fiandrianan'i Filipina. Tonga eto izahay hanao hetsi-panoherana hisian'ny politika ivelany tsy miankin-doha ary hamarana ny vahohon'ny imperialisman'i Etazonia amin'i Filipina. Efa ela niainana tanaty herisetra sy fandrobàna ny vahoaka Filipiana noho ny fifehezan'ny imperialisman'i Etazonia sy ireo politika liberaly amin'ny endriny vaovao tereny ampiharina eto amin'ny firenena, ireo toby famaharan'i Etazonia sy ny andian-tafika Amerikàna izay misy eto. io no toherinay fony izahay niharan'ny fanafihana feno herisetran'ny polisy.
Dulping Ogan, sekretera jeneralin'ny vovonana Kalumarana iraisan'ireo vahoaka indizena ao Mindanao, nilaza fa ilay fanaparitahana tamin-keriseha dia mampiseho ny fitohizan'ny tandindon'i Etazonia ao amin'ny firenena, miaraka amin'ny fanirian'ny polisy hamely ireo vitsy an'isa ao amin'ny firenena mba hihatahan'ireo mpanao hetsi-panoherana lavitra ny masoivoho :
Tao Manila, tafondron-drano no nitsena ny fitakianay, dia ankehitriny entona mandatsa-dranomaso sy herisetra. Tany anatin'ny vondrom-piarahamonina nentindrazanay, zavatra faran'izay ratsy ny famelezana: fantatray rehetra ny momba ireo tranganà famonoana olona niverimberina natao tamin'ireo havanay akaiky. Any amin'izay rehetra alehanay, anaovana herisetra izahay Lumads sy ireo vitsy an'isa hafa eto amin'ny firenena. Kanefa mitohy mihantsy hatrany izahay.
Ny Filoha Duterte, izay mbola tany am-pitsidihana ofisialy an'i Shina (fanamarihan'ny mpandika : 20 Okt ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy niaingàna), ao anatin'ny hetsika ataony hitrandrahana politika ivelany tsy miankindoha kokoa, dia nampanantena fanadihadiana ilay tranga ary hanao fanambaràna ofisialy rehefa miverina ny 21 Oktobra. Noroahana tamin'ny asany ireo manamboninahitra sivy tao amin'ny polisy voarohirohy tamin'ilay fanaparitahana nisy rà nandriaka.
Indrisy fa tsy zavatra vaovao ny fomba fitondra ratsy ampiharina amin'ireo olona tsy omena fahalalahana ao Filipina. Tany ampiandohan'ity taona ity, tamin-kerisetra no nanaparitahan'ny polisy ireo tantsaha nitaky vary tao Kidapawan, Mindanao. Ary ho afindra toerana ireo vahoaka indizena tao Tumandok tao amin'ny nosy Panay noho ny asa fanorenana tohodrano gaovana be iray.
Tamin'ny taona lasa, nikarakara valalamanjohy tao Manila koa ireo vahoaka indizena Lumad avy any Mindanao mba hiresahana ny fanararaotana manjo azy ireo. Afaka jerena eto ambany ny lahatsary momba ny dian-dry zareo :
Tamin'ity taona ity dia tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao Diliman, Oniversite-n'i Filipina no nampiantranoina ireo vahoaka indizena sy ireo vondrona vitsy an'isa ao amin'ny firenena izay ao anatin'ny Lakbayan ivondronan'ireo Vitsy An'Isa ao amin'ny firenena .
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...