Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2018
Manantena Ireo Artista Roa ao Nepal fa Hankahery ireo Lehilahy Hanaiky ny Fahalemeny ireo Sary Hosodokony Miboridana
“Tsara ny mijoro, afaka mitomany ihany koa ny lehilahy, afaka ho mora tohina ihany koa ny lehilahy."
Netizen Report: Noraràn'i Sri Lanka Ao Anatin'ny Herisetra Ara-pinoana Ny Media Sosialy
Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.
Fihetsiketsehana An'arivony Teny An-dalamben'i Kashmir Taorian'ny Namonoan'ny Tafika Indiana Sivily Efatra
Toeram-ponenan'ny olona an'arivony tapitrisa na miampy ireo miafina i #Kashmir. Mbola tsy maty ny fahazarana taloha eo amin'ny Mpitandro ny Filaminana. Tsy mba liana amin'ny zon'olombelona na ny fandraisana andraikitra i India. Tiany ny mifehy an'i Kashmir amin'ny alalan'ny tahotra.
Nanamarika Ny Fanoherana Ny Fankahalana Vehivavy Tany Pakistana Ny Diabe Aurat (Diaben'ny Vehivavy)
"Efa maro ny hatezerana ary nivoaka ihany izany ny farany ary fomba iray hitondrana izany fahatezerana izany ho any amin'ny toerana misy ny zavatra matanjaka sy mahafinaritra ity diabe ity."
Gay sy Lesbiana Talata Matavy 2018 ao Sydney Manome Voninahitra Ny Diabem-Pireharehana Voalohany Nakorontan'ny Herisetran'ny Polisy 40 Taona Lasa Izay
Hetsika manana tanjona roa ny Mardi Gras 2018 Gay sy Lesbiana ao Sydney - fankalazana maroloko ataon'ny vondrom-piarahamonina pelaka sy lesbiana, ary fankalazana ny faha 40 taonan'ny diabe voalohany tamin'ny taona 1978 izay nahitana mpandray anjara 53 nosamborina sy nampangain'ny polisy .
Iran: Tantara Lava Sady Maharary Momba Ireo Bilaogera Nogadraina
Voaheloka higadra roa taona sy tapany an-tranomaizina ilay Iraniana bilaogera sady mpanao gazety, Omid Reza Mirsyafi, tamin'ity herinandro ity. Voampanga ho nanivaiva mpitondra fivavahana sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamika izy.
Manao Diaben'ny Fitovian-jo sy ny Rariny Ny Vehivavy Ao Indonezia
Mampiasa ny tenirohy #LawanBersama (#Miara-mitolona) ireo mpanao diabe mba hitaky ny fiarovana ny zon'ny vehivavy.
Manasongadina ny Olan'ny Lalànan'ny Fitenenan-dRatsy An'Andriamanitra sy ny Tsy Fisaziana ao Pakistan ny Didim-Pitsarana Amin'ny Raharaha Mashal Khan
"Famonoana ho faty iray sy fanagadrana mandra-pahafaty dimy tamin'ny fitsaram-bahoaka noraketina an-dahatsary? Azo itokisana fa nihoatra ny enina ireo olona nandray anjara."
Eman Hashim Mibilaogy Manohitra Ny Berlitz Ejypta
Nanimba ny lazan'i Berlitz Ejypta ve ny kolikoly? Nanoratra tao amin'ny facebook sy tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera Ejiptiana Eman Hashim, manontany tena ny amin'ny fomba nahazoan'ny mpianany ny naoty sy ny mari-pahaizana kanefa tsy nanome na ny naoty na ny taratasim-panadinana ho azy ireo mihitsy izy.
Azerbaijan: Antsafa Nifanaovana Tamin'i Arzu Geybullayeva
Na dia teo aza ny tsindrimpeo azony avy amin'ny fanabeazana tany Etazonia sy tany amin'ny Fanjakana Britanika , Arzu Geybullayeva, izay mpandalina ny faritra amin'izao fotoana izao, dia lasa iray amin'ireo bilaogera fanta-daza indrindra any Azerbaijan miaraka amin'ny bilaoginy Flying Carpets and Broken Pipelines .