Manao Diaben'ny Fitovian-jo sy ny Rariny Ny Vehivavy Ao Indonezia

Mpandray anjara tamin'ny Diabe ho an'ny Vehivavy 2018 tany Jakarta. Sary avy amin'ny Women's March (Diaben'ny Vehivavy), nahazoana alalana.
Olona an'arivony no nanatevin-daharana ny Diabe ho an'ny Vehivavy tao amin'ny tanàna indoneziana maherin'ny am-polony mba hitaky ny rariny sy ny fiarovana ny zon'ny vehivavy. Natao tamin'ny 3 martsa 2018, andro vitsivitsy talohan'ny Andro Iraisam-pirenena ho n'ny Vehivavy, 8 Martsa ireo diabe ireo.
Manana fitakiana valo amin'ny governemantam-panjakana ny Diaben'ny Vehivavy:
- Abolition of discriminatory laws and policies that perpetuate gender violence
- Pass laws and policies that protect women, children, indigenous people, people with disabilities and gender minority groups from discrimination and sexual violence
- More accessible justice and rehabilitation for gender violence victims
- Stop the state and society's intrusion against a person's body and sexuality
- Abolition of stigma and discriminations against a person's gender, sexuality, and health status
- Abolition of the practice of violence in courts, schools, and workplaces
- Ending economic and financial depravation against women especially those working in factories, transwomen, sex workers and domestic workers.
- A more proactive society in abolishing unfair practices and culture of violence existing in various institutions
1.Fanafoanana ny lalàna sy politika manavakavaka izay mampaharitra ny herisetra amin'ny vehivavy
2.Fandaniana lalàna sy politika miaro ny vehivavy, ankizy, vahoaka tompotany, olona manana fahasembanana ary vondrona vitsy an'isa (vehivavy) manoloana ny fanavakavahana sy herisetra ara-nofo
3.Fitsarana sy fanarenana azo hidirana mora foana ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra
4.Fampitsaharana ny fitabahan'ny fanjakana sy ny fiarahamonina amin'ny vatana sy ny ara-nofo
5.Fanafoanana ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ny maha lahy sy vavy, ny firaisana ara-nofo sy ny fahasalamana
6.Fanafoanana ny fampiharana herisetra any amin'ny fitsarana, sekoly sy toeram-piasana
7.Famaranana ny fahasimbana ara-toekarena sy ara-bola amin'ny vehivavy indrindra indrindra ireo miasa eny amin'ny orinasa, ny sarimbavy, ny mpivaro-tena sy ny mpiasa an-trano.
8.Fiarahamonina mavitrika kokoa amin'ny fanafoanana ireo fanao tsy ara-drariny sy ny kolontsain'ny herisetra misy eo amin'ny sehatra samihafa
Anisan'ireo olana nampahafantarina tamin'ny diabe ny fanitsiana nankatoavina tamin'ny fehezan-dalàna famaizana Indoneziana (RKHUP) izay manameloka ny tsikera atao amin'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimiera (DPR). Nanameloka ny fandaniana fehezan-dalàna izay mandràra ny fanitsakitsaham-bady sy ny fizarana vaovao momba ny fanabeazana aizana sy ny fanabeazana ara-pananahana ihany koa ireo mpandray anjara.
Manana mponina miozolomana maro an'isa i Indonezia ary mirehareha amin'ny fampiroboroboana ny fomba fijery mahalala onony momba ny Silamo izay mankalaza ny fahasamihafan'ny finoana mba hananganana fiarahamonina mirindra. Na dia izany aza, nandritra ny taona vitsy lasa, nanosika amin'ny fandraisana hentitra momba ny fampianarana Silamo sy ny fampiharana azy ireo amin'ny lafiny maro amin'ny fitantanana ireo mpitondra fivavahana hiringiriny.
Nokarakaraina voalohany tamin'ny taona 2017 ny Diaben'ny Vehivavy ao Indonezia, noforonina mba hanetsiketsika ny olona avy amin'ny lafi-piainana rehetra mba hiady amin'ny herin'ny fanjakazakan-dehilahy eo amin'ny lafi-piarahamonina rehetra. Nanambara ny faharetan'ny foto-kevitra feodaly ireo mpandray anjara, tahaka ny fisainana Javaney taloha izay ny vehivavy no hany tsara ho an'ny “macak, masak, manak” (manao izay mampanintona ny vadiny, mahandro sakafo ho an'ny fianakaviany, mitondra zaza).
Niantso ho amin'ny firaisankina sy ny fanohanan'ny vahoaka ny zon'ny vehivavy ireo mpanao diabe ary nampiasa ny tenirohy #LawanBersama (#Miara-mitolona) tao amin'ny media sosialy:
Privileged & humbled to march with so many inspiring & awesome women this morning at #womensmarchjkt#LawanBersama#jakarta#intersectionalitypic.twitter.com/UA2ap0nsJC
— Victoria Forsgate (@VictoriaFors) March 3, 2018
Tombontsoa & fanetre-tena ny manao diabe miaraka amin'ireo vehivavy manome aingam-panahy sy mahafinaritra tamin'ity maraina ity nandritra ny diaben'ny vehivavy
A post shared by Wulan Luna (@deportistaverde) on
(Raha) sahirana amin'ny (fifehezana) ny elakelape ny fanjakana, mihomehy ny mpanao kolikoly. #againstRKUHP #notoincoherentRKUHP
Hoy ny vakin'ny fanazavana: “Ato amin'ny Diaben'ny Vehivavy androany maraina. Ankoatra ny maneho ny hevitro, ny mahafinaritra tamin'izany dia ny fihaonana tamin'ireo olona zara raha hitantsika noho ny rotorotom-piainantsika. Tiavo ireo vahoaka ireo.”
Hoy ny vakin'ny sora-baventy: “Nofiratsin'ny lehilahy ihany koa ny fanjakazakan-dehilahy.”
Any Indonezia, mbola mahazatra ny fanambadian'ny tsy ampy taona na dia eo aza ny lalàna mandràra ny ray aman-dreny tsy hampanambady ny zanany latsaky ny 18 taona. Matetika zara raha taterina ny fanambadian'ny ankizy indoneziana. Tao Kupang, renivohi-paritanin'i Nusa Tenggara Atsinanana akaikin'i Bali, tanora roa no naneho ny ahiahiny sy ny fanantenany:
WOMEN'S MARCH KUPANG DARI KUPANG UNTUK INDONESIA YANG LEBIH MANUSIAWI #WOMENSMARCHKUPANG
A post shared by Women's March Kupang (@womensmarchkupang) on
Hoy ny fanazavana amin'ny Instagram: “Ny Diaben'ny Vehivavy Kupang ho amin'ny maha-olombelona kokoa ao Indonesia.”
Hoy ny vakin'ny sora-baventy: “Mama, tsy vonona hiteraka ny kiboko” sy “Mama, mbola te hianatra aho.”
Ny Diaben'ny Vehivavy tamin'ny 3 Martsa dia voalohany fotsiny tamin'ireo hetsika maro natao nandritra ny volana tao Indonezia.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...