
Hosodoko lehilahy miboridana, nataon'i Kapil Mani Dixit. Sary an'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alàlana
Efa nisongadina nandritra ny taonjato maro tao anatin'ny zavakanto Nepaley ny vatanà lehilahy miboridana amin'ny endrika samihafa. Jereo fotsiny Chakrasamvara Mandala, sary hosodoko Nepaley tamin'ny taonjato faha-13 izay maneho ny firaisan'ny masina Chakrasamvara sy ny vadiny Vajravarahi, na ihany koa ireo sary vongana marobe maneho vetaveta hita ao amin'ny Tempoly Hindo ao Kathmandu.
Na izany aza, mbola mitaky fahasahiana be ny manao hosodoko mitanjaka sy mampiranty izany imasom-bahoaka ao Nepal. Ny anjara asa nentim-paharazan'ny lahy sy ny vavy ao anatin'ny fiarahamonina Nepaley dia mahita ireo lehilahy ho mpiahy ny ankohonany, izay midika fa tokony ho nofosana sy henjana izy ireo. Toy ny any amin'ny faritra hafa eto an-tany, io fiandrasana “manambony lehilahy” io dia midika fa tsy hoe mahazo aina foana ireo lehilahy manana fahalemena na ny firesahana momba ny vatany na ny fananahany.
Mba hanombohana fifampiresahana iray momba ny hoe inona no dikan'ny hoe lehilahy ianao ka mankalaza ny vatan'ny lehilahy, nampiranty tao amin'ny Trano Fampiratiana Mcube ao Patan ireo andiana hosodoko lehilahy mitanjaka, hatramin'ny ny 19 Febroary 2018, ny artista Nepaley roa Kapil Mani Dixit sy Roshan Mishra.
@men‘snude art … met these two wonderful artists @r0shanmishra & Kapil Mani who are trying to beautify a man's body as well as presenting the emotional suffering men go through for being a man. Those woman who call themselves a feminist should visit this once pic.twitter.com/W1AiJdOu39
— Banita (@banimadam) 13 de febrero de 2018…. Banita (@banimadam) 13 Febroary 2018
Nifanena tamin'ireto mpanakanto roa mahafinaritra ireto, @r0shanmishra sy Kapil Mani, ny taokanton'ny @lehilahy mitanjaka… mpanakanto izay niezaka hanome endrika tsara ny vatan'ny lehilahy iray ary ihany koa hampiseho ireo fijaliana ara-pihetseham-po izay lalovan'ny lehilahy iray amin'ny maha-lehilahy azy. Ireo vehivavy miantso ny tenany ho mpandala ny maha-vehivavy dia tokony hitsidika ity rohy ity pic.twitter.com/W1AiJdOu39
Raha niresaka tamin'ny Global Voices, nanazava i Kapil, “Rehefa mankafy ny vatan'ny vehivavy ny lehilahy, maninona izy ireo no menamenatra mijery ny vatan'ny lehilahy”
Namorona vatana mitovy tsara tarehy ho an'ny lehilahy sy vehivavy Andriamanitra. Tsara tarehy toy ny vehivavy manja ny lehilahy. Andao isika hankalaza ny vatantsika. Fa maninona no tsy tokony hiresaka momba izany isika?

“Ilay loko mavo kely amin'ny hosodokoko dia milaza fa tsy fanomezan'ny fiarahamonina fidirana ho anay. Nogejainy tamin'ny loko mavokely izahay”, hoy i Kapil. Sary nalain'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Mpandray anjara roa ao anatin'ny sary iray – ny iray marefo, ny iray “mpanindrahindra lehilahy”,”Tsara ny mijoro, afaka mitomany ihany koa ny lehilahy, afaka ho mora tohina ihany koa ny lehilahy.’ hoy i Kapil. Sary nalain'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.
Nampiasa ny vatany ho modely ho an'ny andian'asany i Roshan. Nilaza izy hoe:
Asehon'ny asako ny toetsaina miiba misy ao anatin'ny fiarahamonintsika momba ny bikan-dehilahy. Ny ankamaroan'ny lehilahy dia mahatsapa ho tsy mahazo aina miresaka momba ny vatany ary mizara ny fihetsehampony, ny eritreriny ary ny fananahana. Ny valo amin'ny asako dia mampiseho vatan-dehilahy voageja izay mitolona mafy hivoaka amin'ny akorany… Asehon'ny sasany amin'ireo asa ny vatana lehilahy miiba voahodidina tontolo mihetsika sy maro loko ary ny asa sasany mampiseho vatana voageja ary voasaron'ny sata sosialy ary ny tahotra ao anaty. Amin'ny fanehoana ny fitanjahan'ny vatako, tamin'ny alalan'io fampirantiana io, nandramako ny hanolo-tanana ireo lehilahy mahatsapa tena ho menatra, saro-kenatra, ketraka, very hevitra, very na ihany koa mihevitra hoe matanjàka. Tiako izy ireo mba hankalaza ny vatan'ny lehilahy izay nomen'ny fahasoavan'Andriamanitra ho anay sy ny maha-izahay anay.

Hosodoko maneho lehilahy mitanjaka nataon'i Roshan Mishra. Sary nalain'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Hosodoko maneho lehilahy mitanjaka nataon'i Roshan Mishra. Sary nalain'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Hosodoko maneho lehilahy mitanjaka nataon'i Roshan Mishra. Sary nalain'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.
Nanampy i Kapil hoe “Maro ny olona tonga nanatona ahy ary nanambara tamiko fa efa nihevitra toy izany saingy tsy nahavita niresaka momba azy io”
Tsy ny fihetsehampontsika fotsiny ihany fa ny fihetsehampon'ny lehilahy rehetra ihany koa no nasehonay. Tsy miresaka momba ireo olana ireo velively ny lehilahy.