
Gay sy Lesbiana Mardi Gras (Talata Matavy) 2018 ao Sydney. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Jeffrey Feng, nahazoana alalana.
Hetsika manana tanjona roa ny Mardi Gras 2018 Gay sy Lesbiana ao Sydney – fankalazana maroloko ataon'ny vondrom-piarahamonina pelaka sy lesbiana, ary fankalazana ny faha 40 taonan'ny diabe voalohany tamin'ny taona 1978 izay nahitana mpandray anjara 53 nosamborina sy nampangain'ny polisy .
Noterena noroahina ny sasany tamin'ireo voasambotra ary very asa rehefa namoaka ny anaran'izy ireo ny gazety mpivoaka isan'andro Sydney Morning Herald. Maneho mari-pankasitrahana ankehitriny ny lisitr'ireo nandray anjara tamin'izany.
Niala tsiny talohan'ny diabe tamin'ity taona ity ny kaomisera mpanampy ao amin'ny polisy Nouvelle-Galles ao Atsimo:
NSW Police Assistant Commissioner Tony Crandell: “The NSW Police force got it wrong in 1978. We’ve come a long way since then. We’ll be looking forward to making sure everybody’s safe and has a happy Mardi Gras.” pic.twitter.com/aZH6RtJW39
— Sydney Mardi Gras (@sydneymardigras) March 1, 2018
Ny kaomisera mpanampy ao amin'ny polisy NSW, Tony Crandell: “Diso ny tafiky ny polisy NSW tamin'ny taona 1978. Nandalo lalana lavabe izahay nanomboka teo. Miandrandra fatratra izahay mba hiantohana fa voaaro ny tsirairay ary manao Mardi Gras (Talata Matavy) am-pifaliana. “
Na dia izany aza, naneho ny ahiahin'izy ireo ny roa tamin'ireo izay voadaroka sy voasambotra tamin'ny taona 1978, Peter Murphy sy Sandi Banks fa tsy avy any amin'ny fara-tampony izany, izany hoe ny kaomiseran'ny polisy tenany. Nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube i William Brougham izay nofaritan'i Sandi Banks fa “endrika roa amin'ny diabe. Maivana sy falifaly ary misidisidina ny iray. Herisetra tafahoatra kosa ny iray hafa”::
Nanatontosa lahatsary 22 misy antsafa miaraka amin'ireo 78ers , araka ny niantsoana azy ireo ihany koa i William. Betsaka amin'ireny no mihoatra ny adiny iray. Ao amin'ny fantsona Youtube ny lisitr'ireo tantara am-bava ireo.
Ho an'ilay mpikatroka malaza sady 78ers Wendy Bacon, fiaraham-pianakaviana ihany koa ny Talata Matavy 2018 Gay sy Lesbiana ao Sydney:
It’s pretty good as a #78ers when you’re on the crowded/ excited #Newtown train to meet your daughter at #MardiGras40 who is also in parade
— Wendy Bacon (@Wendy_Bacon) March 3, 2018
Mahafinaritra izany amin'ny maha-78er rehefa ao amin'ny fiaran-dalamby Newtown feno/mientanentana ianao hihaona amin'ny zanakao vavy izay ho ao amin'ny Mardi Gras 40 ihany koa
Raharaham-pianakaviana ho an-dry Ingram mpiray tampo ihany koa izany:
HAPPY MARDI GRAS FROM (TWO OF THE) INGRAM SIBLINGS #MardiGras40pic.twitter.com/SwDhDzUlep
— Lauren Ingram (@laureningram) March 3, 2018
TRATRY NY TALATA MATAVY AVY AMIN'NY (ROA) AMIN'IREO MPIRAY TAMPO INGRAM
Tahaka izany koa ry kambana Foster:
Amazing time with my identical twin at #mardigras2018?❤️#LoveIsLove#Twinningpic.twitter.com/C8CNsDos54
— Drew Foster (@Justdr3wit) March 4, 2018
Fotoana mahafinaritra miaraka amin'ny kambana mitovy amiko
Nisaotra an'ireo mpamorona tantara i Paul Kidd:
Shoutout to the #78ers. Shoutout also to the ’70s LGBT activists who weren’t at the first #MardiGras for whatever reason. Shoutout to the str8 allies who rocked up to the Darlo cop shop, raised bail money, stuck up for us. We all stand on the shoulders of giants. #MardiGras40
— Paul Kidd (@paulkidd) March 2, 2018
Fiarahabana ho an'ny #78ers. Fiarahabana ihany koa ho an'ireo mpikatroka LGBT tamin'ny taompolo 70s izay tsy tao amin'ny #MardiGras voalohany na inona na inona antony. Fiarahabana ho an'ireo lahy tia vavy/vavy tia lahy mpiara dia izay nirohotra nankany amin'ny fivarotan'ilay polisy Darlo, nanaisotra ny vola antoka, nihitsoka noho isika. Eo amin'ny soroky ny goavana isika. #MardiGras40
Ankoatra izay, voalohany hatramin'ny fankatoavana ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana ao Aostralia ny diabe. Nisy ny fampakaram-bady tsy azo ihodivirana tao amin'ny Talata Matavy:
Couple Wed In Mardi Gras Parade's First Legal Same-Sex Marriage. Check out more on https://t.co/0qSJ3O70Sf#Cher#JamesBrechney#SamesexWedding#SydneyGayAndLesbianMardiGraspic.twitter.com/enWsfmRhhj
— QNews Magazine (@QNewsMagazine) March 4, 2018
Mpivady natao mariazy tao amin'ny Diaben'ny Talata Matavy, Fanambadiana Ara-dalàna voalohany ho an'ny mitovy taovam-pananahana. Jereo bebe kokoa ao amin'ny https://t.co/0qSJ3O70Sf#Cher#JamesBrechney#SamesexWedding#SydneyGayAndLesbianMardiGraspic.twitter.com/enWsfmRhhj
Nanatevin-daharana ity lanonana ity ny ankamaroan'ny mpitarika ara-politika ao amin'ny firenena. Ny Praiminisitra Malcolm Turnbull izay niara-naka selfie tamin'i Cher ilay malaza, izay noheverina ho anisan'ny olomangan'ny fiarahamonina LGBTQ:
Welcome to Sydney, Cher! @GladysB Lucy and I and all your fans thrilled to be with you at the 40th Mardi Gras & first since Australia achieved marriage equality. pic.twitter.com/EIYDaq2OTG
— Malcolm Turnbull (@TurnbullMalcolm) March 3, 2018
Tongasoa eto Sydney, Cher! @GladysB Lucy ary izaho ary ireo mpankasitraka anareo rehetra izay miaraka aminareo aty amin'ny Talata Matavy faha-40 sy voalohany hatramin'ny nandanian'i Aostralia ny Fanambadiana itovian'ny rehetra.
Tsy ny olon-drehetra no mankafy izany, indrindra fa ireo izay manome tsiny azy noho ny fanadihadiana am-paositra “tsy ilaina izay talohan'ny fifidianana ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana tao amin'ny parlemanta:
@TurnbullMalcolm Second Greatest Insult To The #LGBTQI Community After The #MarriageEquality Post Vote , ” My Love Affair With Lucy Is Because Of #MardiGras ” https://t.co/b30n8M2UuG@randlight@nobby15@RBJRON@lynlinking@housinghellcom@WhteRbbnAdvocat@davidbewart#auspol
— Rick Lane (@ricklevy67) March 4, 2018
@TurnbullMalcolm Fanevatevana Lehibe Faharoa Ho an'ny Vondrom-piarahamonina #LGBTQI Taorian'ny Fifidianana ny #MarriageEquality (Fitovian-jo amin'ny mariazy), “Noho ny #MardiGras no nahatonga ny olana ara-pitiavako amin'i Lucy ” https://t.co/b30n8M2UuG@randlight@nobby15@RBJRON@lynlinking@housinghellcom@WhteRbbnAdvocat@davidbewart#auspol
Nandefa raki-tsary ny sary tamin'ny alina ny pejy Facebook-n'ny Sydney Gay sy Lesbiana Talata Matavy:
First big album of PARADE photos online on our Facebook page now with many more to come: https://t.co/rAH2sgwQoS#MardiGras40pic.twitter.com/eqLUSDAaGp
— Sydney Mardi Gras (@sydneymardigras) March 4, 2018
Raki-tsary lehibe antserasera voalohany amin'ny sarin'ny DIABE ao amin'ny pejy Facebook, mbola maro no ho avy.
Ara-dalàna ny mamarana izany amin'ny sary orizinalin'ny 78ers: