Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2015
Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?
Tsy tonga lafatra ny horonantsary fanadihadiana momba ny tranga fanolanana tao Delhi tamin'ny taona 2012, saingy nanome tsiny ny governemanta ao India ny tsikera sasany noho ny fandraràna ilay horonantsary sy ny fangatahany tamin'ny Youtube mba hanakatona izany.
Mahery Fo Voasambotra Fa Niampanga “Fanandevozana An-tanindrazana” Tao Maoritania
M. Biram Dah Abeid ary olona valo hafa mpiaro ny zon'olombelona no voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny 11 novambra.
Tafaverin'ireo Mpikatroka Nomerika Amin'ny Toerany Ny Grani.Ru Sy Ireo Tranonkalam-baovao Hafa Voasivana
Mampiasa ny teknikan'ny didom-pitaratra manamaro isa ny fidirana amin'ireo habaka sivy voasivana sy hametraka ny dindony ao anatin'ny lohamilin'ireo orinasa goavan'ny aterineto ny mpikatroka hahamora ny fidirana aminy
Tonga Any Amin'ny Rafi-Panabeazan'ny Sekolim-panjakana Ao Puerto Rico Ny Fomba Fijery Ny Mitovy Lenta
"Na dia tsy ny tanjona farany aza izy ity, dia ho fitaovana mahazendana hanome vàhana ny zon'olombelona ao Puerto Rico ity dingana ity."
Mila Fampianarana Ara-Pananahana Ve i Tajikistan?
Ao amin'ny firenena izay tokony ho virijiny avokoa ny vehivavy alohan'ny fanambadiana, mampiadi-hevitra ny tolo-kevitra mikasika ny fampianarana ara-pananahana any an-tsekoly. Saingy efa mihatra izany ankehitriny.
Alina Mialoha Ny Andro Erantany Ho An'ny Vehivavy: Mila Vaniny Amin'ireo Vehivavy Mpikatroka Mafàna Fo i Shina
Mialohan'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, miatrika karazany hafa amin'ny resaka filàna vaniny ireo vehivavy manao hetsi-panoherana ny sotasota ara-nofo : ny sotasotan'ny polisy.
Lahatsary Misy Olon-tsotra Iray Lazaina Fa Darohan'ny Miaramila, Nahatohina Ny Tao São Tomé Sy Príncipe
Ilay sary lazaina eto dfia mampiseho tovolahy iray mipetraka amin'ny tany, tsy mitafy afa-tsy atin'akanjo, raha ireo miaramila kosa—raha ny fahitàna azy dia toa manamboninahitra ambony ao amin'ny Tafika Mitam-piadiana ao São Tomé sy Príncipe—midaroka azy tsy misy indrafo
Marobe Ireo Aina Nafoy Noho Ny Herisetra Ara-politika Ao Bangladesh
Manakatona ny varavarakelin'ny fiarako aho, mandefa ny famerana mari-pana ary mieritreritra hividy fitaovana famonoana afo. [Amin'izay] raha misy baomba atsipy ao anaty fiarako, afaka mamono ny afo aho handosirana sy hiavotana.
Sarin'Ankizy Filipino Miasa Amin'ny Fitrandrahana sy Fambolena Fary Hampilatsa-dranomaso Anao
"Efa efa-taona aho izao no tsy nianatra intsony. Kilasy fahenina ihany no mba vitako ary tsy maintsy nijanona aho ahafahako miasa."