
Niharam-boina tamin'ny fanafihana afo an-tavoahangy tao anaty fitateram-bahoaka, tsaboina ao amin'ny hopitaly. Sary avy amin'i Khurhsed Alam Rinku. Zon'ny mpamorina Demotix (24/1/2015)
Nampalemy an'i Bangladesh ny hetsi-panoherana ara-politika mitohy tao anatin'izay roa volana izay. Nikarakara fampiatoana ny Fiaraha-mitantana tarihin'ny Antoko Nasionalista ao Bangladesh (BNP) valo herinandro izao. Nanjary miha-nahery vaika ny fihetsiketsehana ary mihamaro ireo olona mamoy ny ainy isan'andro. Maherin'ny 100 ankehitriny ny isan'ireo namoy ny ainy.
Vokatry ny baomba nataon-tanana, fandoroana sy fihetsika maherisetra fanahy iniana natao no antony nahatonga ny ankamaroan'ireo fahafatesana. Fiara mihoatra ny 1000 no nodorana sy norobaina, ary olona 100 hafa no nentina hotsaboina tao amin'ny sampana fianarana ho mpitsabo ao Dhaka noho ny fahamaizana mahery vaika nahazo azy ireo.
Nanomboka nanao barazy ny mpanohitra tarihin'ny BNP tamin'ny 5 Janoary 2015, mitaky ny governemanta mba hanatontosa fifidianana alohan'ny fotoana. Herintaona lasa izay, tamin'ny 5 Janoary, 2014, nanatontosa fifidianana ankapobeny i Bangladesh, izay tsy nandraisan'ny BNP anjara noho ireo fepetra nifandirana. Noho ny fahavitsian'ny mpifidy, dia voafidy hiaraha-mitantana am-perinasa governemantan'ny Ligy Awami sy ny mpiaradia aminy na dia teo aza Ireo hetsi-panoherana mahery vaika nataon'ny mpanohitra mba hanakorontanana ny fifidianana. Olona manodidina ny 100 no namoy ny ainy nandritra izany fihetsiketsehana izany. (Vakio ny ato ny tatitra ato amin'ny Global Voices.)
Noho ny korontana sy fifanjevona ara-politika miseho indray, Niadi-hevitra an-kafanampo momba ny herisetra eny an-dalambe ireo mpiserasera aterineto Bangladesh, naneho hevitra momba ireo fanafihana amin'ny alalan'ny fandoroana indrindra indrindra.
Mpanoratra, mpanabe, sady mpahay siansa Muhammad Zafar Iqbal nanoratra tao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra ao amin'ny BDNEWS24.com:
আমরা খুব দুঃসময়ের ভেতর দিয়ে যাচ্ছি। প্রতিদিন খবরের কাগজে মানুষ পুড়িয়ে মারার ছবি দেখে, মানুষকে হত্যা করার খবর পড়ে দিন শুরু করতে হয়। মাঝে মাঝে খবরের কাগজটি সরিয়ে রাখি, যেন চোখের সামনে থেকে সরিয়ে নিলেই সেই দুঃসহ ঘটনাগুলো জীবন থেকে সরে যাবে।
Mandalo fotoan-tsarotra isika izao. Isan'andro dia mahita sarin'olona nodorana ho faty aho, ary amin'alahelo lehibe no hanombohako ny tontolo andro. Indraindray, manalavitra ny gazety mihitsy aho, amin'izay tsy mahita ireo zava-nitranga mampivarahontsana.
Mpahay toe-karena iray, Shameem Ahmed nanoratra tao amin'ny takelaka tao amin'ity gazety antserasera ity ihany koa momba ny tahotra iainana fa mety hodorana ho faty ihany koa izy rehefa miala ao an-tranony:
[…] পত্রিকায় পোড়া লাশের ছবি আসে, মনে হয় এইচবিওতে ‘মমি’ মুভিটা দেখছি। অস্থির লাগে। এইসব চিন্তা করতে করতে গাড়ির জানালা তুলে দিই। এসিটা ছেড়ে দিই অন্যমনস্কভাবেই, মনে হয় একটা ফায়ার ডিস্টিংগুইসার কিনতে হবে সহসা। গাড়িতে আগুন লাগলে শুধু তা নেভাতে না, বরং নিজে গাড়ি থেকে নেমে পালানোর একটু সুযোগ তৈরি করে নেবার জন্য।
Rehefa mahita ireo vatana mangatsiaka nodorana ao anaty gazety aho, toa toy ny mijery ny The Mummy ao amin'ny fahitalavitra. Tsy zakako izany. Manakatona ny varavarakelin'ny fiarako aho, mandefa ny famerana mari-pana ary mieritreritra hividy fitaovana famonoana afo. [Amin'izay] raha misy baomba atsipy ao anaty fiarako, afaka mamono ny afo aho handosirana sy hiavotana.
Supta Ahmed nanohitra ny fandoroana atao amin'ny olo-tsotra tao amin'ny SomewhereinBlog:
[…] আমি রাজনীতি বুঝিনা, মানুষ বুঝি!!আমি ক্ষমতা বুঝি না, একটা নিরাপদ বেঁচে থাকা বুঝি!!
Tsy mazava amiko ny politika. Mazava amiko kosa ny vahoaka. Tsy mazava amiko ny ady fahefana, saingy mazava amiko ny zo hanana filaminana.
Mampitaha ny herisetra ara-politika izay mampiavaka ny adim-pahefam-panjakana amin'ny famonoana i Shaon Chowdhury.
গুলি আর ক্রসফায়ারের পর এবার বাসে পেট্রোল বোমা মেরে নিরীহ জনগণ হত্যা। এভাবেই কি শুধুমাত্র ক্ষমতার জন্য দেশটা বধ্যভূমিতে পরিণত হবে?
— শাওন চোধুরী (@BdChowdhury) February 3, 2015
Taorian'ny tifitra amin'ny bala sy ny fanapahan-doha tampotampoka, ankehitriny vonoina amin'ny baomba ao anaty fiaram-pitaterana sy fiara ny olo-tsotra. Ho sehatry ny famonoana olona ve ny fireneko?
Nilaza ny mpanohitra tarihin'ny BNP fa manao fanentanana ny hetsi-panoherana izy ireo mba hiaro ny demokrasia, saingy nilaza kosa i Munazir Hussain Sayed fa tsy azo ampiarahana amin'ny tanjona demaokratika ny fanipazana baomba ao anaty fiaram-pitaterana feno olona mba hanamafisana fitokonana.
Throwing bombs at public buses is not a #DemocraticRight Is #BNP at war with @albd or #Bangladesh? #shahbag
— Munazir Hussain Syed (@Munazir43rd) February 1, 2015
Tsy Zo Ara-Demaokratika ny fanipazana baomba ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Miady amin'i Bangladesh ve ny BNP?
As death toll from BNP-Jamaat violence mounts in #Bangladesh, govt must take concrete & immediate steps to ensure people's right to security
— Shah Ali Farhad (@shah_farhad) February 7, 2015
Satria tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo namoy ny ainy ao Bangladesh noho ny herisetran'ny BNP-Jamaat, tokony handray fepetra mivaingana tsy misy hatak'andro ny governemanta mba hiarovana ny zon'ny vahoaka hanana filaminana
Jalal Tarafdar nangataka tamin'ny governemanta mba hametra-pialàna ary hijery vahaolana ara-politika.
কোন আলোচনায় বাংলাদেশে শান্তি আসবে না যতক্ষন সরকার পদত্যাগ না করছে আর তত্বাবদায়ক সরকারের অধীনে নির্বাচন হচ্ছে,… http://t.co/lDMWNH2Qsx
— Jalal Tarafdar (@jalaltarafdar) January 31, 2015
Mety tsy hisy ny fifanekena hoan'ny filaminana raha tsy mametra-pialàna ny governemanta ary manatontosa fifidianana vaovao eo ambanin'ny fitarihan'ny governemanta vonjimaika tsy miandany.

Bangladeshita mpikarama isan-andro mandany ny fotoana very noho ny fitroarana ara-politika miseho ankehitriny. Sary avy amin'i Shafiqul Alam. Zon'ny mpamorona Demotix (9/2/2015)
Tsy vitany namoizana aina ihany ireo fahirano sy fitokonana mitohy, fa manakorontana ny varotra, ny fampianarana sy ireo sehatra hafa ao amin'ny firenena iray manontolo. Nilaza ny manam-pahaizana fa niaritra fatiantoka Tk 750 miliara ($9.6 miliara) ny toekaren'i Bangladesh noho ny barazy mitohy, ny fiatoan'ny asa, sy ny herisetra ara-politika tsy mitsaha-mitombo. Niantraika tamin'ireo mpianatra 1,5 tapitrisa hiatrika fanadinana ahazoana mari-pahaizana ambaratonga faharoa ihany koa izany, ary niteraka fihemoran'ny fanadinan'ireo mpianatra marobe ny fitokonana. Anisan'ireo sehatra ara-toekarena voa mafy ny fitaterana ao Bangladesh noho ny barazy sy ny fandrobàna kamiao tsy an-kiato ka mampiadana ny fivezivezen'ny vokatra. Vokatr'izany, miakatra ny vidin'ny entana fototra ilaina andavanandro.