Lahatsary Misy Olon-tsotra Iray Lazaina Fa Darohan'ny Miaramila, Nahatohina Ny Tao São Tomé Sy Príncipe

Screenshot from the video published in You Tube.

Dikasary avy amin'ny lahatsary nivoaka tao amin'ny YouTube.

Ny 14 Janoary 2015, nisy olon-tsotra iray nizara lahatsary tao amin'ny vondrona Facebook antsoina hoe STP Denuncias ,  namoaka ho fanta-bahoaka ny voalaza ho fidarohana nataon'ireo manamboninahitry ny tafika mitam-piadiana São Tomé sy Principe taminà olontsotra iray.  

Ny lahatsoratra voalohany niaingana—eo amin'ny herintaona eo izao—dia nofafàna fotoana vitsy lasa izay, saingy ny toby fampielezampeo Radio Somos Todos Primos (Radio mpirahavavy daholo izahay) no namerina namoaka azy ity, nanavao indray ny fifantohan-tsain'ny olona tamin'ilay tranga :

Ontem foi divulgado nas redes sociais um vídeo da qual dá conhecer que, alegadamente, figuras com alta patente militar de S. Tomé e Príncipe terá utilizado abusivamente da força contra um civil.
Devemos todos denunciar até que se apure as responsabilidades:
http://bit.ly/denunciafacebook

Omaly, lahatsary iray voalaza ho mampiseho manamboninahitra ambony ao amin'ny tafika ao S. Tomé sy Príncipe mampiasa habibiana aminà olontsotra iray no nozaraina tety anaty tambajotra sosialy. Tsy maintsy midradradradra isika rehetra mandra-pahita ny tomponandraikitra : http://bit.ly/denunciafacebook

Ilay lahatsary, izay nahatezitra ireo mpiaro zon'olombelona, na izany tao amin'ny firenena na avy any ivelan'i São Tomé sy Príncipe, dia mampiseho fidarohana izay tsy nitsahatra raha tsy efa 15 minitra teo ho eo. Nampangaina ho nangalatra ilay voadaroka.

Tamin'ny fanehoany hevitra momba ilay lahatsary, nizara ny rikorikony tao anaty onjam-peo ireo mpihaino ny Radio Somos Todos Primos. Mpamaky iray, Luizenda Rolim, no naneho hevitra hoe :

Esta ilha que esses ditos senhores comandam e julgam ser a sua propriedade nunca ira sera melhor que isso…. todos os seres humano que rouba, mata ou droga existe lei tribunal , policia de investigação criminal ou policia nacional ….isso não se faz nem a um cachorro vira-lata na rua…. e digo mais quem nestas imagem diz que tem de ser assim… gostaria eu que fosse com alguém da sua família o que estaria a sentir neste momento?

Mendrika ny hahazo zavatra tsara noho izao ity nosy ity,  izay fehezin'ireto sarintsarinà “gentlemen” sy heverin-dry zalahy ho fananany ity…. ho an'izay olona rehetra mangalatra, mamono, na mivarotra zava-mahadomelina, misy ireo lalàna sy fitsaràna, ireo manamboninahitra mpanao fanadihadiana mikasika ny heloka bevava sy ny polisim-pirenena…. na ny alika mpirenireny eny an'arabe aza tsy ataonao toy izao… ary lazaiko anao fa na iza na iza mahita ireny sary ireny ary miteny fa tokony ho ireny no izy…. mety ho tiany ve raha toa iray tao anatin'ny fianakaviany no nahatsapa izay tsapan'ilay zalahy iny tamin'iny fotoana iny?

Ilay sary lazaina eto dia mampiseho tovolahy iray mipetraka amin'ny tany, tsy mitafy afa-tsy atin'akanjo, raha ireo miaramila kosa—raha ny fahitàna azy dia toa manamboninahitra ambony ao amin'ny Tafika Mitam-piadiana ao São Tomé sy Príncipe—midaroka azy tsy misy indrafo. Nanatrika teo ihany koa ireo manamboninahitra hafa tao amin'ny polisy izay nivezivezy tsy lavitra teo ary nanomboka nandàka sy nidaroka ilay tovolahy, izay tsy nampiseho fanoherana velively na kely aza.

Patrice Trovoada, praiminisitra amin'izao fotoana ao São Tomé sy Príncipe, dia naneho hevitra tao amin'ny pejiny ofisialy amin'ny Facebook: 

Tomei ontem conhecimento que está a circular nas redes sociais um vídeo em que, alegadamente, uma alta patente militar de S. Tomé e Príncipe terá utilizado abusivamente da força contra um civil.

Omaly no nanjary nahafantarako lahatsary iray niparitaka tao amin'ny aterineto izay voalaza fa ahitàna manamboninahitra ambony ao amin'ny tafika eto S. Tomé sy Príncipe mampiasa hery tafahoatra aminà olon-tsotra iray.

Nohararaotin'ingahy Trovoada ny fotoana mba hanambaràny fa efa manao ezaka izy hiatadiavana izay tomponandraikitra tamin'ireny zavatra ireny :

Tendo o acontecimento ocorrido ainda no mandato do anterior governo, segundo várias versões, solicitei também a abertura de um inquérito para se apurar a origem da gravação, bem como eventuais motivos para só agora ter sido divulgada e o paradeiro da vítima.

Koa satria  nitranga nandritry ny fotoam-piasàn'ny governemanta teo aloha ny raharaha, araka ny tatitra samihafa voaray, dia nangataka ihany koa aho ny hanaovana fanadihadiana momba izay loharano niavian'ilay fandraketana an-tsary, hatramin'ny mety ho antony nanosika ny fahataràn'ny famoahana azy iny sy izay rehetra mombamomba ilay niharan'ny daroka.

Tao amin'ny pejiny Facebook, karazana fanehoankevitra marobe no tsikaritra: ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto dia faly tamin'ny fihetsehan'ny praiministra, toa an'i  Elisabete Rodrigues, izay nanoratra fa :

Excelente senhor Primeiro Ministro. Sinal de que está atento.

Fatratra loatra r'ingahy Praiminisitra. Marika fa manaraka tsara ny zava-misy ianao.

Edson Miguel, tamin'ny fanehoankevitra tamin'io lahatsoratra io ihany, dia niahiahy ny amin'ny mety tena hisian'ny vokatra azo avy amin'ilay fangatahana nambara fa natao : 

Isso não vai dar em nada……! É mesma coisa dizer o cão ladra e a caravana passa, nós em STP já estamos habituado a isso.

Tsy hanova na inona na inona izany……! Mitovy tsy misy valaka amin'ilay fiteny hoe ‘ny alika mivovo fa ny sarety mandalo ihany, efa zatra an”izany anie isika ato STP e.

Adney Lucas namintina hoe: 

Sendo assim tendo em conta a veracidade do facto, mais uma vez venho muito humildemente clamar uma aceleração neste inquérito e que o mesmo seja feito com muita celeridade e coerência. Que o Estado de Direito Democrático sege respeitado e que se possa fazer a justiça com responsabilidade. Ninguém está a cima da lei, ha métodos, formas e instâncias próprias para cada caso e situações. Viva a JUSTIÇA e a DEMOCRACIA, a baixo a anarquia.

Raha raisina anaty kajikajy ny fahamarinan'ireo tranga ireo, dia mbola averiko indray mandeha fa amim-panetren-tena no itakiako fanafainganana an'io fangatahako io sy hanatanterahana azy malaky ary mirindra tsara. Aoka hohajaina ny fampiharana ny lalàna demaokratika ary ny rariny no hatao mifanaraka amin'ny andraikitra. Tsy misy olona ambonin'ny lalàna, misy fomba, taratasy sy antokon-draharaha mifanaraka tsara amin'ny tranga sy toe-draharaha tsirairay. Ho ela velona ny RARINY sy ny DEMAOKRASIA, matesa faingana ny fanjakan'i Baroa.

Tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny RFI, Célia Possér, filohan'ny Vovonana Ho An'ny Zon'Olombelona sy ny Fitoviana Lenta, dia nanameloka ilay endrika habibiana nibaribary nataon'ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.