Dimy Taona Aty Aorian'ny Nanombohan'ny Fitroarana, Tohizan'ny Governemanta Ao Bahrain Ihany Ny Fanakendàna Ny Mpanohitra

Around 300,000 Bahrainis marched to demand democracy and freedom in a protest that coincided with the anniversary of the outbreak of the revolution in the country on February 14. 2011. Photo by Sayed Baqer Alkamel. Copyright Demotix

Manakaiky ny 300.000 ny isan'ireo Bahrainis nanao diabe nitaky demaokrasia sy fahalalahana tao anaty fihetsehana iray izay nifanandrify indrindra tamin'ny fitsingerenan-taonan'ny nanombohan'ilay fitroarana niteraka revolisiona tao amin'ny firenena, ny 14 Febreary 2011. Sary an'i Sayed Baqer Alkamel. Fizakàmanana Demotix

Taona dimy taty aorian'ny nipoahan'ilay lasa fantatra tamin'ny anarana hoe Hetsipanoherana “Lohataona Arabo”, izay nipariaka nanerana an'i Tonizia, tohizan'ny fitondràna ao Bahrain ny fanidiana ireo mpitarika ny mpanohitra, amin'ny fandefasana hafatra fandàvany ny hisian'ny fanavaozana na fanovàna.

Ny tena loza, anefa, dia ny fitontonganana tsy mitsahatry ny toedraharaha momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.

Raha tsy azon'iza n'iza tsinontsinoavina ny fiovàna sosialy nentin'ilay Fitroarana, tsy demaokratika kokoa noho ny tamin'ny 5 taona lasa i #Bahrain ankehitriny

Vavolombelona nahita maso ny famoretana an-kerisetra nitranga taorian'ny fitroaram-bahoaka iray nalaza , izay nitranga tamin'ny 14 Febroary 2011 ity firenena nosy ity, misy mponina 1,3 tapitrisa. Nampijaliana, novonoina na nogadraina ireo mpikatroka mafàna fo.

Ny “Amnesty International”, sangany amin'ny fanarahana maso ny resaka zon'olombelona, dia namoaka tatitra marobe nialoha ny hankalazàna ny fitsingerenan'ny 14 Febroary, nisarihany ny sain'ny olona ho amin'ny tena zavamisy marina mampididoza iainan'ireo mpanohitra ao Bahrain. James Lynch, tale lefitry ny Fandaharanasa ho an'ny Faritra Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra, nilaza fa :

“Amin'izao fotoana izao ao Bahrain, samy tandindonin-doza avokoa izay rehetra sahy manakiana ny manampahefana – na mpiaro zon'olombelona izy, na mpikatroka politika […] Na teo aza ny fampanantenan'ny manampahefana fa hanenjika ireo mpitandro filaminana tomponandraikitra tamin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nitranga tamin'ny 2011, dia mbola miandry ny rariny hatrany ny vahoaka Barhainis. Tsy hoe fotsiny tsy vitan'ireo andrim-panjakana napetraka hiaro zon'olombelona ny nanao fanadihadiana tsy miandany, na nihazona ireo nanatontosa izany ho tomponandraikitra, fa ankehitriny toa vao mainka mitombo aza ny fampiasàna azy fanadiovana ireo fanitsakitsahana tsy misy farany.”

Taona dimy aty aoriana, mitohy ny fihetsiketsehana, saingy kelikely sy milamindamina kokoa. Ankehitriny ny fihetsehana, na “fivorivoriana”, dia tondroin'ny lalàna ho heloka bevava, ary eo ambany fanarahamaso akaiky, andro sy alina, ny tanàna rehetra.

Ireo izay milaza fa tapitra ny revolisiona Barhaini, inona no antony isian'ireny mpitandro filaminana isaky ny vodirindrina ireny?

Na eo aza ny fisiana manafintohin'ireo mpitandro filaminana manerana ny firenena, mbola mikarakara fifamorina any anaty tanàna ihany ny vahoaka, araka ity bitsiky ny antoko mpanohitra Alwefaq ity:

Mitohy anio alina ao #Barhain ireo fihaonambe am-pilaminan'ny mpomba ny demaokrasia hitakiana ny rariny, ny fitovianjon'ny olompirenena ary ny demaokrasia

Ny fanadihadiana iray vao haingana avy amin'ny “Americans for Democracy & Human Rights” – Fikambanana amerikana ho an'ny demaokrasia sy ny zon'olombelona – ao Bahrain, ny Ivontoerana Barhaini ho an'ny Zon'Olombelona, ary ny Ivontoerana ao Barhain ho an'ny Zo sy ny Demaokrasia, dia nahita fa nihoatra ny 400 ny fisamborana nataon'ny manampahefana tao amin'ny firenena tato anatin'ny efatra volana farany, ka 76 isanjato amin'ireo no tsy araka ny lalàna na noho ny fanararaotam-pahefana, raha jerena amin'ny fenitra iraisampirenena.

Nifanindran-dàlana tamin'io, i Kate Kizer sy Michael Payne avy amin'ny “Americans for Democracy and Human Rights” ao Bahrain dia nanamarika tao anaty tsanganana iray nosoratan-dry zareo ho an'ilay tranonkalam-baovao  “Middle East Eye” (Mason'ny Afovoany-Atsinanana) fa tamin'ny 2015 fotsiny, raha kely indrindra dia 208 ireo teratany Barhainis no noverezinjo tsy hizaka ny zompireneny. Nolazain'izy ireo ihany koa fa azo tsiniana amin'ny ampahany amin'izany fitàran'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Barhain izany ny tsy fisian'ny hetsika iraisampirenena :

Amin'ity fankalazàna ny fahadimy taonan'ny hetsika fitakiana demaokrasia tao Barhain ity, mazava be fa hotohizan'ny manampahefana ny handrovindrovitra, fa tsy hiatrika, ny fitarainana naroso tamin'ny 2011. Navela hanao izany ry zareo vokatry ny fahanginan'ny fiombonambe iraisampirenena, indrindra fa i Etazonia sy Angletera

Itodiahan'ny mason'ny rehetra i Etazonia sy Angletera noho ny famatsian'izy ireo fitaovampiadiana ilay mpiaradia aminy, bitika saingy stratejika, ao Afovoany-Atsinanana. Paul Gallagher avy amin'ny gazety britanika “The Independent” no namoaka fa :

Teo anelanelan'ny Febroary 2011 sy Septambra 2015, nisy 45 tapitrisa livre sterling nifanarahan'i Angletera sy Barhain, hividianana fitaovampiadiana, toy ny basy marovava, basy fitondra manafika ary bala fitifirana fiara mifono vy, araka ny voalazan'ny fikambanana “Campaign Against Arms Trade (CAAT)” – Fanentanana manohitra ny varotra fitaovampiadiana. Ny fitambaran'ireo efa lasa tamin'ny telo taona nialoha ilay fitroarana dia nahatratra 6 tapitrisa livre sterling.

Tsara ny hanamarihana fa i Barhain no toeram-piantsonan'ny andian-tsambo fahadimin'i Etazonia, ary tsy ela akory izay, tobim-pamaharana miaramila Britanika vaovao iray izay tany ampiandohana dia i Barhain no namatsy vola ny fanorenana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.