Fitsarana Makedoniana Mandà Ny Fandravàna Didy Nangatahan'ny Mpikatroka Ira Voaheloka Noho Ny Fanalàna Baràka Mpanolotra Amin'ny TV Mpomba Ny Fitondràna

Zharko Trajanoski, Žarko Trajanoski, Жарко Трајаноски

Zharko Trajanoski, mpikatroka sady manampahaizana amin'ny zon'olombelona. Sary nahazoana ny fanomezandàlany.

Taona dimy taorian'ny nanombohan'ilay raharaha, farany dia nolavin'ny fitsaràna Makedoniana ihany ny fandravàna didy nangatahan'ny mpikatroka iray voaheloka ho nanàla baràka ny mpanolotra fandarahana amin'ny fahitalavitra mpomba ny fitondràna.

Ny 2010, notaterin'ny Global Voices ny momba ny raharaham-pitsaràna iray nahazo ilay mpikatroka mpiaro zon'olombelona, Zharko Trajanoski, nampangaina ho nanàla baràka an'i Milenko Nedelkovski, mpanolotra fandaharana iray amin'ny fahitalavitra izay alefa ao amin'ny fahitalavi-panjakàna, fantson'ny Kanal 5,  ary nivahinianan'ny praiminisitra fahiny Gruevski, ny Filoha Ivanov, ary mpiasa hafa avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna. Mpitondra teny mahafatra-po  ny fitondràna, imbetsaka i Nedelkovski no niaro ny famonoana ireo mpanohitra ny antoko eo amin'ny fitondràna (indrindra fa ireo mpanao gazety sy mpikatroky ny fiarahamonina sivily). Tsy lavin'i Nedelkovski ny nampiasàny fitenenana feno fankahalàna, tamin'ny filazàna fa mendrika izany ireo ‘mpamadika’.

Tamin'ny 2010, Trajanoski niantso an'i Nedelkovski hoe “mpisoloky mpanararaotra ny media,” tamin'ny fanakianana ny fironan'ilay mpanolotra amin'ny fahitalavitra ho manindrahindra ny resaka foko sy fanavakavahana ara-pinoana, ny sotasota ara-nofo, ny fankahalàna ireo mitovy nefa mifanambady, tao anatin'ny fandaharany sy tety anaty aterineto, izay nanafangaroany ny fampielezankevitra politika ao an-toerana amin'ny teorian'ny tsikombakomba, ny fitondràna fiara tsy mataho-dàlana, ary ireo lahatsary tranainy ao amin'ny Youtube momba ireo zavamiafina tsy mbola voavaha, toy ireo zavamanidina tsy fanta-piaviana.

Ny Novambra 2012, Tsy nataon'i Makedonia ho heloka bevava intsony ny fanalàna baràka, nafindrany ho any amin'ny fitsaràna ady madio, na dia mbola mety hisy ihany aza ny sazy ara-bola. Na eo aza io fanavaozana io, mbola mitohy mandroso ihany ny raharaha Trajanoski, ary voaheloka izy tamin'ny 2014.

Herintaona mahery taty aoriana, tsy niova ny fitondrantena imasom-bahoaka fanaon'i Nedelkovski. Ny Martsa  2015, nahazo fanamelohana indray izy avy amin'ny  OSCE sy ny  Filankevitra Mifehy ny Media ao Makedonia noho ny fanohizany ny “fomba ratsy fanaony manao resaka feno fankahalàna”.

Ny 29 Desambra, 2015, anefa, nolavin'ny fitsaràna iray ao Makedonia ny hamerenana hijery ny didim-pitsaràna nomena an'i Trajanoski. Ny 29 Janoary 2016, nalefan'i Trajanoski tao amin'ny pejiny Facebook ny sarin'ny taratasy nisy ny didim-pitsaràna , narahan'izao fanehoankevitra manaraka izao:

Part of the Appellate Court Skopje verdict against Zharko Trajanoski.

Ampahany amin'ilay didim-pitsarana avy amin'ny Fampakàrana didy, Fitsaràn'i Skopje mandà ny fangatahan'i Zharko Trajanoski.

Апелациониот суд Скопје ја потврди пресудата со која треба да му платам 20.000 денари плус камата на медиумскиот шарлатан Миленко Неделковски. Судот си додели и 52.170 денари за судски трошоци во постапка која траеше 5 години. Бев обвинет по еден закон, а осуден по друг, во кафкијански процес.

Ич не му се лутам на Миленко. Тој ја докажува секојдневно вистинитоста на моето тврдење дека е медиумски шарлатан, а се надмина себеси како шарлатан со пропагирањето дека земјата е рамна плоча.
Гневен сум на сите судии што застанаа во одбрана на честа и угледот на медиумскиот шарлатан, кој сеуште неказнето повикува на ликвидација на неистомисленици. Борбата продолжува.

Nohamafisin'ny Fitsaràna Mpandrava Didy ao Skopje ny fanamelohana ahy hoe tokony handoa MKD 20.000 (USD $362), miampy ny zanabola, ho an'ilay mpisoloky mpanararaotra ny media, Milenko Nedelkovski. Mitaky ny handoavana aminy MKD 52.170 (USD $943) ihany koa ny Fitsaràna ho an'ireo fandaninaa nandritry ny fotoam-pitsaràna, izay fitsaràna iray naharitra dimy taona. Araka ny lalàna iray no nanamelohana ahy, ary lalàna iray hafa no anasaziana ahy, tao anatin'ny zotra iray “Kafkian”.
Tsy malahelo an'i Milenko aho. Voaporofony tsara ny fahamarinan'ny filazàko hoe izy dia mpisoloky mpanararaotra isanandro, ary tena nahavita nihoatra ny tenany mihitsy amin'ny maha-mpisoloky azy manely fampielezankevitra ho an'izao tontolo izao fa hoe fisaka ny tany.
Tezitra amin'ireo mpitsara rehetra nijoro niaro ny voninahitra sy  ny lazan'ilay mpisoloky mpanararaotra aho izay mbola misitraka ny tsimatimanota raha nitaky ny famongorana ireo olona tsy mitovy hevitra aminy. Mitohy ny tolona.

Roa andro monja talohan'ny fanambaràn'i Trajanoski etsy ambony, nandefa ity lisitra manaraka ity tao amin'ny Facebook i Nedelkovski, izay nahasarika betsaka ny sain'ireo tety anaty media sôsialy.

Screen shot of a Facebook post by Milenko Nedelkovski, promoting the notion that the Earth is flat as part of a global conspiracy theory.

Pikantsarin'ny fafàna tamin'ilay lahatsoratra nalefan'i Milenko Nedelkovski tao amin'ny Facebook, hankalazàna ilay fotokeviny hoe fisaka ny tany, ho ampahany amin'ilay teorian'ny tsikombakomba iray erantany.

Tao anatin'ny lahatsorany ny 27 Janoary, nanoratra i Nedelkovski hoe :

Неколку дилеми:
1. Има ли вистинска фотографија или видео на “планетата“ Земја од вселената? (ве молам без компјутерски имиџи)
2. Има ли фотографија од воздух на Јужниот пол?
3. Зошто авионите од ЈАР летаат за Австралија преку Индија?
4. Има ли вистинска слика на Земјата направена од Месечината?
5. Зошто нема директен лет од Сантјаго де Чиле до Сиднеј?
6. Како светилниците се гледаат толку на далеку?

Не брзајте со дебата, оти имам документ од НАСА дека земјата не е топка, ами рамна!!!

Zava-mifanohitra marobe :
1. Misy tena sary marina na lahatsarin'ny ‘Tany’ avy eny an'Habakabaka ve? (azafady mba tsy ho sary avy any anaty solosaina)
2. Misy ve sary iray avy eny an-danitra ahitàna ny Tendrontany Atsimo?
3. Fa maninona ny fiaramanidina avy any Afrika Atsimo ho any Aostralia no misidina mandalo an'i India ?
4. Misy sary tena izy ve ahitàna ny Tany avy eny amin'ny Volana?
5. Maninona no tsy misy sidina mivantana avy any Santiago de Chili mankany Sydney?
6. Maninona no tazana avy eny lavitra eny ny hazavana avy amin'ny ‘phares'?

Aza irotorotoana ny adihevitra, manana antontan-taratasy avy amin'ny NASA aho manamafy fa tsy boribory ny Tany, fa fisaka!!!

Zara raha nisy adihevitra kely momba ny fitsaràna an'i Trajanoski teny anivon'ny olona teny. Raha ny marina, tranonkala roa monja no nitatitra ny amin'ilay didim-pitsaràna (Plusinfo sy Okno), ary ny pejy Facebook manokan'i Trajanoski zara raha nahazo mpanjohy 50 “nizara.”   Ireo fanehoankevitry ny mpamaky dia nanome fahatsapàna hoe niala avy amin'ny hakiviana nankany amin'ny fijerin'ny olona fa hoe porofon'ny kolikoly ara-pitsaràna ny fitsaràna azy, ary fampitandremana ho an'ireo rehetra sahy miteny manakiana izay rehetra heveriny ho resaka fankahalàna sazian'ny antoko eo amin'ny fitondràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.