Makedoniàna Manao Hetsi-panoherana Hiarovana Ny Lalàm-panorenana Amin'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana

"Lets defend the Constitution from the Constitutional Court justices," second day of protest on Feb 25, 2016 in Skopje, Macedonia. Photo by Vancho Dzhambaski (CC BY-NC-SA).

“Ndeha isika hiaro ny Lalàm-panorenana amin'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana.” Andro faharoa amin'ny hetsi-panoherana, 25 Feb. 25 2016 tao Skopje, Makedonia. Sary an'i Vancho Dzhambaski (CC BY-NC-SA).

Nanao andiana hetsi-panoherana teo anoloan'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana ao Skopje ireo olompirenena Makedoniàna, tezitra tamin'ny fanapahankevitry ny fitsaràna handinika ny mety hanovàna ny lalàna momba ny Famotsoran-keloka ao amin'ny firenena, hanesorana ireo fepetra maneritery amin'ny famelàna ireo heloka bevava mifandraika amin'ny hosoka amin'ny fifidianana, ny fanaovana firaisana amin-jaza ary ny asa fampihorohoroana.

Ireo hetsi-panoherana roa voalohany, nokarakarain'ny vovonana sivily Ajde!, dia natao ny 24 Febroary sy 25, nanaraka indrindra ny naneken'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana hiverina handinika ilay tolokevitra. Tanora mpisolovava vao avy nahazo ny maripahaizana lisansa tamin'ny Desambrta 2015 no nanolotra ireo volavolam-panovàna ary toa hoe “mifampizàra birao fiasàna” amin'ilay mpisolovava miaro an'i Gordana Jankuloska, ilay Minisitry ny Atitany fahiny, iray amin'ireo olobe iharan'ny fanadihadiana noho izy voalaza ho nangalatra tamin'ny fifidianana tamin'ny 2013, mba hiantohana ny fahalanian'ny antoko VMRO-DPMNE.

Raha mahazatra ny hoe maka roa taona na mahery ny fitsaràna mba handinihana raharaha tahaka izao, tamin'ity indray mitoraka ity dia herinandro vitsy monja. Amin'ireo mpitsara niisa sivy, dimy no nifidy nanaiky azy ity.

Naneho ny hatezerany tamin'ilay hetsiky ny fitsaràna ireo olompirenena, politisiana mpanohitra sy ireo fiarahamonina sivily, tamin'ny fiahiahiany ny fisian'ny fitsabatsabahana ataon'ny VMRO-DPMNE antoko eo amin'ny fitondràna. Raha ny antoko indray nandà ny tsy fitsofotsofohany, ireo mpampiasa media sosialy sasany nampipongatra ireo lahatsoratra sy angon-drakitra hafa manondro ireo fifandraisana misy amin'ny VMRO-DPMNE sy ireo mpitsara dimy ireo. Izy dimy ireo dia samy notendren'ny maro an'isa anjakan'ny VMRO-DPMNE ao amin'ny parlemanta ho ao anatin'ny mpanao lalàna. Ny sasany manana fifandraisana manokana mihitsy amin'ireo manampahefana ao amin'ny antoko, ary mitàna andraikitra ambony ao amin'ny governemanta VMRO-DPMNE ny fianakavian'izy ireo. Ohatra, naboraky ny mpanohitra fa ny zanaka vavin'ny iray amin'ireo mpitsara no filohan'ny kaomitin'ny fanisàmbahoaka kitoatoa tamin'ny 2011.

zanaka lahin'ny mpitsara avon'ny lalàm-panorenana no sekreteran'ny filoha. Na izany aza, tsy mbola nanao fandàvana hentitra izy momba ny fifidianana ny lalàna momba ny famotsorankeloka omen'ny filoha

Raha ny fahitàna azy, dia toa ara-dalàna tanteraka ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana, ary na inona na inona heloka vitanao, rehefa mbola ny fitsaràna no manaiky azy,

Raha manova ny lalàna momba ny famotsorankeloka ny Fitsarana Avon'ny Lalàm-panorenana, dia ho ampela-tànan'ny filoha amin'izao fotoana izao ny fahefana hamela ny helok'ireo olona nanao heloka bevava, mba hiantohana ny fandresen'ny antokony. Araka ny nomarihan'ilay mpikatroka mafana fo, Ognen Janevski :

Доколку се докаже дека имало изборни нерегуларности и злосторничко здружување против изборите и гласањето во Р. Македонија, попрецизно претседателските избори во 2014 година, тогаш д-р Ѓорге Иванов кој доби втор мандат за Претседател поддржан од владејачкото мнозинство во Собранието на Р.М. би бил нелегитимен Претседател на државата, со што по автоматизам сите негови одлуки, па дури и тие одлуки за помилување автоматски стануваат ништовни односно, нелегитимни, поточно би биле нелегитимни и ништовни?

Raha voaporofo fa nisy tsy fetezana ny fifidianana ary nisy tsikombakomba ratsy tao anatin'ireo fifidianana sy latsabato tao amin'ny Repoblikan'i Makedonia,  indrindra fa ireo fifidianana ho filohampirenena tamin'ny 2014, dia mety ho lasa tsy ara-drariny avy eo ny maha-filoham-panjakàna an'i George Ivanov, PhD, izay nahazo ny fepotoana fanindroany maha-filohampirenena azy, niaraka tamin'ny fanohanan'ny maro an'isa tao amin'ny parlemanta avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana. Izany ve hitarika koa hoe foana tsy hanankery sy tsy ara-drariny daholo ireo fanapahankeviny nanome famotsoran-keloka?

Tamin'ireo hetsipanoherana rehetra teo anoloan'ny fitsaràna, nihiaka teny faneva ireo mpandray anjara manohitra ny  “mafia ara-pitsaràna” ary ny “mpandevina ny demaokrasia” sady niventy ny  “raha tsy misy rariny – tsy misy fandriampahalemana!”  Nofafazan-dry zareo atody ihany koa ilay rindrina “faux-baroque” eo anoloana. Na teny amin'ny fitsaràna, na teny anaty media sôsialy, samy nitaky tamberin'andraikitra avy amin'ireo mpitsara dimy avokoa ireo mpanao hetsi-panoherana, izay notanisainy tsirairay ny anaran'izy rehetra.

Photo by Vancho Dzhambaski (CC BY-NC-SA).

Sary an'i Vancho Dzhambaski (CC BY-NC-SA).

Nisarika ny sain'ny solontenan'ireo fikambanana iraisampirenana ao Makedonia ihany koa ilay fanapahankevitry ny fitsaràna handinika ilay tolokevitra. Ohatra, ny masoivoho Britanika nizara ny hagagàny tao amin'ny Twitter.

Vao tafaverina avy any amin'ilay fihaonana tao Londona niarahana tamin'ny Minisitra Eoropeana @DLidington. Inona ity vaovao manome alàlana ny famelankeloka tamin'ny hosoka tamin'ny fifidianana ity?

Araka ny vinavina sasany, mety ho amin'ny Aprily no afaka handray fanapahana momba io tolokevitra io ny fitsaràna.  Eo am-panomanana ny hetsi-panoherana manaraka hatao ny mitataovovonan'ny Alatsinainy 29 Febroary eo anoloan'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana ny .Ajde!

“Raha Tsy Misy Rariny – Tsy Misy Fandriampahalemana!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.