Ny Fitomboan'Isa Mampanahy Amin'ny Fisamborana Olona Ao Kambodza Maneho Hevitra Tsy Tiana Amin'ny Aterineto

A group of women bloggers in Cambodia conducting a training seminar. Photo from the Facebook page of The Cambodian Center for Human Rights.

Vondrom-behivavy bilaogera ao Kambodza manatontosa atrikasa fiofanana. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Kambodziana.

Namoaka tatitra mampiseho ny fitomboan'ny fisamborana mifandray amin'ny aterineto nataon'ny governemanta Kambojiana nanomboka ny Aogositra 2015 hatramin'ny Janoary 2016 ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao Kambodza .

Nanara-maso raharaha fito ny Foiben'ny Zon'Olombelona Kambojiana, anisan'izany ny fisamboran'ny manampahefana ireo mpiserasera media sosialy voampanga ho manala baraka na mandrisika herisetra. Nanamarika ihany koa izy ireo fa mpisera aterineto 24 no norahonana ampahibemaso hatramin'ny Aogositra 2015 noho ny fanehoan-kevitra na lahatsoratra navoakan'izy ireo tao amin'ny sehatry ny media sosialy isan-karazany, indrindra indrindra tao amin'ny Facebook..

Iray tamin'ireo voasambotra ny mpianatra iray niantso hanatontosa ‘revolisiona miloko’ tao amin'ny Facebook mba hanavao ny fiarahamonina Kambojiana. Raharaha iray hafa indray ny nahatafiditra politisiana mpanohitra voampanga ho mampiroborobo ny famadihan-tanindrazana.

Niaiky ny vondrona mpandala ny zon'olombelona fa tsy ny raharaha rehetra no tafiditra amin'ny “tsikera saropady na mahasoa” ny governemanta, saingy mbola niahiahy izy fa misy ireo mpiseraseran'ny aterineto nosamborina noho ny fanehoan-kevitra ao amin'ny media sosialy fotsiny :

Although not all of the following cases involve sensible or constructive criticism, they do plainly illustrate a deeply troubling trend, whereby those who criticize the political elite are routinely being arrested for expressing their views on social media.

 Na dia misy tsy idiran'ny ny tsikera saropady na mahasoa aza ireto raharaha rehetra manaraka ireto, dia mandravaka mazava tsara ny halalin'ny fironana mampanahy, fa lasa fahazarana ny fisamborana izay mitsikera ireo sangany ara-politika noho ny fanehoan’ izy ireo ny heviny ao amin'ny media sosialy.

Nampitandrina ihany koa ny vondrona fa ny fisamborana olona ambony ataon'ny governemanta dia mety hitarika ny olona hanampim-bava ny tenany ka manakana ny olon-tsotra tsy hanakiana ireo manampahefam-panjakana:

The creation of a culture of self-censorship is particularly worrying in the political domain, as the expression and tolerance of diverse views is essential to maintaining a healthy democracy.

Mampanahy loatra ny fananganana kolontsaina fanampenam-bava ny tena eo amin'ny sehatra ara-politika, satria ilaina hihazonana ny demokrasia salama ny fanehoan-kevitra sy ny fandeferana amin'ireo fomba fijery isan-karazany.

Tamin'ny herintaona, nahatsikaritra “endrika miverimberin'ny faneriterena ataon'ny governemanta amin'ny fahalalahana maneho hevitra antserasera” ny Foibe Kambojiana Misahana ny Fampitam-baovao Tsy Miankina.

The Internet, once Cambodia’s last open and free medium for press freedom and free expression, is now becoming increasingly restrictive and subject to the government controls that have for so long limited the country’s mainstream media.

Mihamikatona tsikelikely ankehitriny ary lasa sehatra fanarahamason'ny governemanta izay efa nampisy famerana ny isan'ny fampitam-baovao lehibe ao amin'ny firenena hatry ny ela ny fisokafana nataon'i Kambodza farany ho amin'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny fitenenana

Ny mpitondratenin'ny governemanta iray dia nitsipaka fa voahitsakitsaka ny zon'olombelona ary narovany ny fanapahankevitra handefa any amin'ny fitsarana ireo “tsy manaja” ny manampahefana Kambojiana. Nampian'ilay manampahefana fa tsy misy ny fanenjehana ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena fa fisamborana ataon'ny governemanta hiarovana ny fiainana an-takonan'ny olona, ny fiarovam-pirenena ary ny vakoka kambojiana ihany ireny. Izany fomba fisaina izany dia akon'ny fanambaran'ny Praiminisitra Hun Sen tamin'ny volana Janoary lasa teo namelively ny mpisera aterineto ho mamiravira ny sarin'ny vadiny :

All actions that ruin my honor and my family’s honor, as a prime minister of a country, those must be responsible before the law. If I want to take action against you, we will get [you] within seven hours at the most.

Ny fihetsika rehetra izay mety hamotika ny hajako sy ny voninahitry ny fianakaviako, amin'ny maha-praiminisitry ny firenena ahy, dia tsy maintsy tompon'andraikitra eo anatrehan'ny lalàna izy ireo. Raha hanao hetsika iadiana aminao izahay, dia omenay ora fito ianao raha be indrindra.

Efa telopolo taona izao i Hun Sen no teo amin'ny fitondrana ka mametraka azy ho mpitondra ela nitondrana indrindra tao Azia Atsimo-Atsinanana.

Ny fivoahan'ny tatitra dia nifanandrify indrindra tamin'ny fankatoavan'ny praiminisitra ny Facebook ho fitaovana hanaraha-maso ny fitarainana sy ny tolokevitry ny olon-tsotra. Efa nanome toromarika ny kabinetrany aza izy hananganana komity manokana handray ny fijery sy ny tolokevitry ny mpiserasera Facebook ao amin'ny pejiny ofisialy.

Maro ny Kambojiana no mitsiky amin'ny fahalianan'i Hun Sen tampoka amin'ny Facebook ary nandray tsara izany aza mba ahafahana mifampitafa amin'ny praiminisitra amin'ny alalan'ny media sosialy. Saingy ny tatitry ny Foiben'ny Zon'Olombelona Kambojiana dia fampahatsiahivana eo amin'ny fotoanany indrindra fa na dia mahaliana aza ny mahita an'i Hun Sen mavitrika amin'ny famoahana selfies amin'ny randram-baovaony, dia tokony tsy hahavery lalana antsika amin'ny fandrisihana bebe kokoa ny governemanta hahazaka ireo feo mifanipaka aminy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.