Mitaky Famerenana Milamina Ireo Mpianatra Natao “Sambo-belona” Ny Meksikana

15,000 march against disappearance of Ayotzinapa students, October 8, 2014, by Enrique Perez Huerta, Mexico City, Demotix.

Olona 15 000 no manao diabe ho fanoherana ny fanjavonan'ireo mpianatry Ayotzinapa tamin'ny 8 Oktobra 2014, sary avy amin'i Enrique Perez Huerta, Mexico City, Demotix.

Olona an'arivony no nanao fihetsiketsehana ao Mexico noho ny fanjavonan'ireo mpianatry Ayotzinapa am-polony tao amin'ny firenena morontsirak'i Guerrero tamin'ny Alarobia 8 Oktobra.

Niaina fitaintainana indray ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ity herinandro ity, raha nahita nofo mangatsiaka 28 (mbola hofantarina) tao anaty fasana miafina iombonana ao atsimo-atsinanan'i Guerrero ny manampahefana. Indrisy, efa mahazatra ao Meksika ity karazam-baovao ity, indrindra taorian'ny vono olona tao San Fernando.

Mitaky ireo mpanao fihetsiketsehana mba hampodiana ny mpianatra mbola velona. Tokony ho hita kosa ireo namoy ny ainy hoy ihany ireo mpanao fihetsiketsehana. Satria nidina an-dalambe manerana ny firenena ny vahoaka, niadi-hevitra momba ny fanentanana tao amin'ny Twitter ireo mpiserasera ao Meksika.

Nandefa ity hafatra manaraka ity avy amin'ny fiavian'ny fihetsiketsehana ilay mpisera antsoina hoe Tania :

Ao amin'ny Anjely, afaka mahatsapa firahalahiana sy fahatezerana ianao. [Fanamarihana: toerana mora hita ao an-tanànan'i Mexico ny Anjelin'ny Fahaleovantena ary nanjary toerana fanaovana fankalazana sy fihetsiketsehana .]

TuiteraMx (mpisera manana mpanjohy mihoatra ny 13 600) nilaza hoe

Tsy hay refesina ny fahoriana noho ny fahabangan'ireo normaliana [mpianatra ho mpampianatra].

Nizara ity andian-tsary mampiseho fihetsiketsehana teny amin'ny tanàna isan-karazany ilay mpisera,  Pau:

Fihetsiketsehana ao Alemaina, Norvezy, Arzantina, Bolivia ho fanohanana an'i Ayotzinapa. Ayotzinapa avokoa isika rehetra.

Namariparitra ny zava-mitranga tao amin'ny fihetsiketsehana i Mauricio Torres:

Mitari-dalana ireo ray aman-dreny, milanja sora-baventy misy ny sarin'ireo tanora nanjavona miisa 43

Tolagaga tamin'ny halavan'ny filaharambe [fihetsiketsehana] i Jordy M.Y:

Goavana sy mampitolagaga tokoa ny fihetsiketsehana fanohanana an'i Ayotzinapa. Marobe ireo vondrona tonga tao Reforma [iray amin'ireo arabe midadasika ao an-tanànan'i Mexico].

Fanampin'izany, nampiseho ny fanohanan'izy ireo ny fihetsiketsehana ihany koa ny mponina avy ao Buenos Aires, Arzantina:

Ayotzinapa: Firaisankina ao amin'ny masoivoho Meksikana ao Buenos Aires, Arzantina.

Dr. John M. Ackerman namariparitra ny hetsi-bahoaka izay teraka hatramin'ny nanjavonan'ireo mpianatra hoe:

Thousands of people have taken to the streets to demand justice for the dead as well as an increased role for society in politics and education.

Olona an'arivony no nidina an-dalambe mba hitaky ny rariny hoan'ireo namoy ny ainy sy hitaky fandraisana andraikitra bebe kokoa hoan'ny fiarahamonina eo amin'ny politika sy ny fampianarana.

Raha te-ahafantatra bebe kokoa momba ny fihetsiketsehana tamin'ny 8 OKtobra, sy ny fivoaran'ny toe-draharaha farany, afaka manaraka ireto diezy Twitter ireto ianao: #Ayotzinapa, #AyotzinapaSomosTodos#JusticiaParaAyotzinapa, ary #JusticeForAyotzinapa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.