Mitady Kamiao Tafondron-drano Roa Hovidiana Ny Polisy Kambojiana Hanoherana Fihetsiketsehana

Police notice for the bidding of water cannon trucks. Photo from Facebook page of Sopheap Chak

Filazana avy amin'ny polisy mikasika ny antso tolo-bidy kamiao tafondron-drano. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Sopheap Chak

Namoaka fakana tolo-bidy misokatra hoan'ny rehetra ny polisy Kambojiana hividianana kamiao roa mpitondra tafondron-drano izay nambaran'izy ireo mazava tsara fa “hampiasaina hamoretana fihetsiketsehana.”

Hoy ny fivakiny:

To supply two water cannon trucks to be used against demonstrations. The said trucks are manufactured in Korea in 2014, with 100% quality, to be provided to national police forces for use in security, safety and social order protection operation.

Hahazoana kamiao mpitondra tafondron-drano roa hampiasaina hanoherana ireo fihetsiketsehana. Kamiao namboarina tao Korea taona 2014 manana kalitao 100%, omena ireo mpitandro ny filaminana mba hampiasaina amin'ny fiarovana, sy amin'ny bemidina fiarovana ny filaminam-bahoaka.

Nanaitra ireo mpikatroka ny zon'olombelona ilay filazana, nivoaka tamin'ny gazety roa ao an-toerana, ka miahiahy izy ireo fa mety hampiasa herisetra indray ny manampahefana satria namelona indray ny fitakian'izy ireo hampakatra ny karama farany ambany indrindra isam-bolana ireo mpiasan'ny fanaovana akanjo.

Nanatontosa fitokonana manerana ny firenena ireo mpiasan'ny fanaovana akanjo tamin'ny volana Janoary, izay naparitaky ny polisy tamin'ny fomba feno herisetra. Noravan'ny manampahefana ihany koa ny toby fihetsiketsehan'ny mpanohitra ara-politika ao amin'ny Kianjan'ny Fahalalahana ao Phnom Penh. Volana maromaro izay, nandrara ny fihetsiketseham-bahoaka ny governemanta mba hihazonana ny filaminana sy ny firindrana ao amin'ny firenena.

Nanontany mikasika ny loharanom-bola hividianana izany kamiao izany i Sopheap Chak avy ao amin'ny Foibe Kambojiana hoan'ny Zon'Olombelona ary nitsikera ny polisy ho miezaka manohintohina ny fahalalaham-pitenenana:

People tax payment or aid support? Instead of strengthening its effort in using water cannon to rescue people from fire, the government is focused on how to fight against freedom.

Hetra aloan'ny vahoaka sa fanampiana ara-bola ? Raha tokony hanamafy ny ezak'izy ireo amin'ny fampiasana tafondron-drano hamonjena ny vahoaka amin'ny haintrano, dia toa mifantoka indray amin'ny fomba hiadiana amin'ny fahalalaham-pitenena ny governemanta.

Tao amin'ny Facebook, John Weeks, tompon'andraikitry ny seraseran'ny fikambanana hoan'ny fampandrosoana Soedoà Forum Syd ao Kamboja nanontany ny laharam-pahamehan'ny governemanta ihany koa:

Now if only the government put *land concessions* out for competitive bidding instead of riot control equipment, there would be a lot more trust. Sigh.

Raha mba mametraka “fampanofana tany ngeza be” amin'ny fifaninanana tolo-bidy ny governemanta fa tsy fitaovana hanoherana fitroarana , angamba mety hisy kokoa ny fitokisana. Sento.

Fampiasa manerantany ny kamiao mpitondra tafondron-drano, saingy angamba voalohany ao Kambodza ny hoe sampan'ny governemanta miaiky mazava fa ampiasaina hanoherana ireo fihetsiketsehana fa tsy hamonoana afo ny kamiao mpitondra tafondron-drano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.