Hindi: Ny Tsy Fifohana Sigara Sy Ny Lavantinà Mpilalao “Cricket”
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)
Mitatitra ny TodayKhabar fa asehon'ny vokatry ny fanadihadiana nataonà fikambanana tsy miankina iray fa manalavitra ireo lehilahy mifoka sigara ny ankamaroan'ny vehivavy. Araka ny voalazan'ireo vehivavy natao fanadihadiana, 75% no tsy te hanambady lehilahy mifoka sigara raha toa ka 67% kosa ireo tsy te hiaraka aminà mpifoka sigara. Toa avo dia avo anefa ny tahan'ny fandeferana eo amin'ny lehilahy raha ny 47% amin'izy ireo ihany no milaza fa tsy te hiarakaraka amin'ny mpifoka sigara. Nasehony fa tamin'ireo olona natao fanadihadiana, 46,4% no nilaza fa nandray ilay fahazarana mifoka sigara avy amin'ny fitarihan'ireo namana sy mpiara miasa mpifoka sns., raha toa ka 30% no mifoka ho fanalàna rarin-tsaina.
Vao haingana izay, namoaka ny drafitrasany ho an'ny fifaninanana Twenty20 (lalao “Cricket”) ao an-toerana, dia ny Indian Premier League (IPL), ny BCCI (Board of Cricket Control in India na ny Birao Fanaraha-maso ny Criket ao India), ary vao nanao lavanty ekipa maro izay novidin'ireo mpanefoefo toa an'i Mukesh Ambani, i Vijay Mallya mpanjakan'ny labiera, ary ireo kintan'ny sarimihetsika toa an'i Shahrukh Khan, Juhi Chawla ary i Preity Zinta miaraka amin'ireo trano fanaovan-draharaha hafa. Natao lavanty ireo mpilalao “Cricket” eo amin'ny sehatra Indiana & iraisam-pirenena roa andro lasa izay ka novidian'ireo ekipa isan-karazany alohan'ny dingana voalohan'ny IPL ho tanterahina amin'ny tapaky ny volana Aprily amin'ity taona ity.
Mbola mitatitra ihany koa ny TodayKhabar fa toa ny ekipa Hyderabad no mahery indrindra satria nandà ny fanasokajiana azy ho mpilalao mendrika indrindra i VVS Laxman, ilay kapiteniny & mpilalao vedety, ka nahafahan'ny ekipany nahazo ireo mpilalao handrarezina toa an'i Andrew Symonds & Adam Gilchrist avy ao Aostralia, Shahid Afridi avy ao Pakistàna ary i Herschelle Gibbs avy ao Afrika Atsimo, satria nahazo alàlana ampiasa 5 tapitrisa dolara fara-fahabetsany ny ekipa tsirairay mba hitazonana ny saham-pividianana hitovy ho an'ny rehetra. Samy mpively baolina mahery ireo mpilalao efatra ireo, izay afaka mandravarava ny fanafihan'ny mpanipy baolina manerana izao tontolo izao ary noho izany, safidy tsara ho an'ny endrika fohy indrindra an'ilay lalao. Mitovy amin'izay koa, tafita ny ekipan'i Chennai; na dia 1,5% dolara aza no nahazoana an'i M.S.Dhoni, kapitenin'ny ekipa Indiana One Day, nahavita nandresy lahatra an'i Jacob Oram, mahatana toerana samy hafa, sy i Stephen Fleming, kapiteny teo aloha, samy avy ao Nouvelle-Zélande izy roa ireo, ao ihany koa i Matthew Hayden mpively baolina malaza avy ao Aostralia ary ilay kapiteny Muttiah Muralitharan avy ao Sri Lanka. Toa tsy mandeha tsara ny ekipan'i Sharukh Khan sy i Juhi Chawla ao Kolkata, satria ilay kapiteny taloha Sourav Ganguly, sy ilay kapiteny Aostraliana Ricky Ponting, ary i Brendon McCullum, avy ao Nouvelle-Zélande fotsiny no ao aminy miaraka amin'ireo kintan'ny filalaovana “Criket” avy ao India Andrefana, dia i Chris Gayle sy ny iray amin'ireo mpanipy baolina mailaka indrindra maneran-tany, Shoaib Akhtar avy ao Pakistàna.
Sahala amin'izay ihany koa, tsy nahavita naka mpilalao tsara maro ny ekipan'i Mukesh Ambani, ka dia nihonona tamin'ilay Indiana mpively baolina Sachin Tendulkar, ilay Sri Lankey mpanoka-dalao, Sanath Jayasuriya, ary ilay kapiteny taloha sady mpanipy baolina mpanoka-dalao avy ao Afrika Atsimo, Shaun Pollock. Ny ekipan'i Preity Zinta, Mohali, moa dia tsy nanana afa-tsy goavana iray, dia i Brett Lee izany, ilay Aostraliana mpanipy baolina mandripaka haingana, ankoatra an'i Yuvraj Singh, mpanjakan'ny fanipazana baolina enina misesy, sy i Kumar Sangakkara & Mahela Jayawardene izay samy avy ao Sri Lanka. Somary navela an-jorony ireo ekipa sasany hafa ka ny voka-dalao ihany no hampiseho ny fomba nifanandrinan'ireo filaharana tsy dia malaza tamin'ireo mavesatra.
Mitatitra i Dilip Mandal avy ao amin'ny RejectMaal fa hanokana 2,9 lavitrisa dolara holaniana anatin'ny dimy taona ao India ny governemanta Indiana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro hafa manoloana ny fandaharanasa ho fisorohana ny SIDA mba hiarovana ny olona tsy ho tratran'io aretina io. Tamin'ny fanasongadinana ny anaran'ireo fikambanana nanolotra volabe, nitatitra izy fa eo amin'ny 356 tapitrisa dolara amerikana eo no hanampian'ny Fikambanana Bill & Melinda Gates raha manodidina ny 447 tapitrisa dolara kosa no homen'ny Kitampombola Maneran-tany hiadiana amin'ny SIDA, ny Raboka ary ny Tazomoka ary manodidina ny 281 tapitrisa dolara no homen'ny Banky iraisam-pirenena, ankoatra ireo hafa tsy voatanisa. Azo jerena ato (rohy maty) amin'ny tranonkalan'ny Filankevi-pirenen'i India ireo vinavinam-pandaniana sns. rehetra. Mbola soratan'i Dilip fa ny 2,9 lavitrisa ao anatin'ny dimy taona dia midika fa mihoatra ny antsasakà tapitrisa dolara isan-taona izany no holaniana amin'ny aretina izay olona latsaky ny 2000 no maty anatin'ny herintaona, isa izay tsy mitombo akory. Kanefa, 10 tapitrisa dolara amerikana (eo ho eo) monja no lany tamin'ny Fandaharanasam-pirenena ho Fitiliana ny Homamiadana tamin'ny taona 2006-2007 ary nampitomboana ho 35,5 tapitrisa dolara eo ho eo io vola io. Ny olana, manodidina ny 440.000 no matin'ny homamiadana isan-taona. Etsy ankilany, 370.000 eo ho eo no matin'ny Raboka isan-taona ary eo amin'ny 56,5 tapitrisa dolara amerikana no lany amin'ny ady amin'ity aretina ity!! Ka dia manontany tena izy raha ny hanafoana ny fiparitahan'ny SIDA tokoa no tanjon'io fandaniam-bola be io ary tena manana fikasàna tsara ve ry zareo; manahy ihany izy ny amin'izany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...