Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Miantso ireo mpamily fiara sy ny toeram-pisakafoanana ny mpandeha an-tongotra mba tsy hibahan-dalana

Sary natambatra misy ireo sary be mpisioka indrindra avy amin'ny tenirohy #ЈавенПростор tao amin'ny Twitter.

Olana goavana ao Skopje, renivohitr'i Makedonia ny tsy fahampian'ny toeram-piantsoanan'ny fiara, matetika mibahana ny toerana an-kalamanjana natao ho an'ny mpandeha an-tongotra ireo mpamily, manery ireo mandeha an-tongotra handray lalana mampidi-doza anaty arabe.

Tsy vaovao ny olana ary toa vao mainka miharatsy. Mibahana arabe fiampitan'ny mpandeha an-tongotra, zaridaina, sisin-dalana, fidirana eo amin'ny garazin'ny olon-tsotra sy toeram-pilalaovana – amin'ny toerana rehetra andehanan'ny olona ireo mpamily – tahaka ny hoe toeram-piantsonan'izy ireo manokana ireny toerana ireny. Bahanan'ireo trano fisotroana toaka sy ny trano fisakafoanana ihany koa ny ampahany na ny sisin-dalana rehetra mba hanaovana toerana fipetrapetrahana sy hampitomboana tombombarotra.

Manakana ny lalana ny safidin'izy ireo ary manery ny olona, ​​tahaka ireo mponina marefo kokoa toy ny reny mitaiza zaza na ireo manana fahasembanana handeha eny amin'ny lalana akaiky ny arabe feno fiara mifamoivoy.

Mody tsy mahita ny olana ireo tompon'andraikitry ny tanàna, na imbetsaka tsy maneho hevitra raha tsy efa misy ny loza nahafatesana mpandeha an-tongotra voadonan'ny fiara ka niteraka fahatezeram-bahoaka.

Mpampiasa Twitter iray mitondra ny anarana hoe @baljumbaljum namorona tenirohy #ЈавенПростор (toeram-bahoaka) mba hanairana ny saina manoloana ny olana mahazo ny olom-pirenena ao an-drenivohitra.

Nanangana ny tenirohy #SehaBahoaka aho ary avelako ny sary no hiteny

Haingana avy hatrany ireo mpisera Twitter nandray anjara tamin'ny tenirohy, ary nanomboka nisarika ny saina ihany koa ny fampahalalam-baovao antserasera.

Nandray anjara ihany koa ireo fikambanana tsy miankina tahaka ny FTMF(=ONG) Skopje Smog alarm (fanairana momba ny Setroka ao Skopje). Rehefa nanontaniana mikasika ny antony handraisan'izy ireo anjara kanefa mikasika ny fahalotoan'ny rivotra no tena asan'izy ireo, dia namaly ry zareo fa avy amin'ny fiara ny 20%n'ny fahalotoan'ny rivotra.

#SehaBahoaka [akaikin'ny] #GaranDalamby

Nitarika fanangonan-tsonia antserasera mitondra ny lohateny hoe “Ajanony ny fiantsonana eny amin'ny sisin-dalana” ihany koa izany ary efa nahangona sonia 7.188 sahady hatramin'izao. Ny tanjona dia ny hanery ny tompon'andraikitry ny tanàna mba hanajanona ny fiantsonana eny amin'ny lalana falehan'ny mpandeha an-tongotra.

Ahitana tsangambato tsy nasiana hajany mihitsy ny ohatra sasantsasany amin'ireo sioka nampiasa ny tenirohy:

#ToeramBahoaka [ao amin'ny kaominin'i] Kisela Voda.

Zokiolona sahirana amin'ny fampiasana ny lalana bahanan'ireo fiara miantsona:

#ToeramBahoaka Lalana Nikola Parapunov, Karpoš 4 [distrikan'ny kaominina ao Skopje]

Toeram-pisakafoanana mibahana ampahan-dalana:

#SehaBahoaka

Anisan'ny ampahan'ny olana ihany koa ny polisy:

Tsy ampy ny polisy manoratra tapakila ho an'ny fiantsonana eny an-tsisin-dalana. Sahirana avokoa izy rehetra [any amin'ny toeram-pisotroana kafe)

Raha misy malalaka eo anoloan'ny tranobe, hijanona eo ny fiara:

Fandraisana anjara kely amin'ny #SehaBahoaka

Nobahanan'ity toeram-pisakafoanana ity tanteraka ny lalana fandehanan-tongotra:

Fanontaniana ho an'ny kaominina Centar sy ny minisiteran'ny atitany:
1. Inona no hitranga, raha tokony ho 100% ny sisin-dalana, mampiasa ny 100% ny arabe ny trano fisakafoanana?
2. Hafiriana no nilainao nanesorana izany teny amin'ny arabe? Ary nahoana ianao no tsy mampiasa fotoana tahaka izany mba hanesorana azy eny amin'ny sisin-dàlana?
#ToeramBahoaka

Amin'ny maha-lafo kokoa ny fiara, no vao mainka ratsy ny fandikan-dalàna:

#ToeramBahoaka ao Debar Maalo, distrikan'ny kaominina Centar.

Na ny hopitaly aza tsy afa-bela:

Tsy misy olana, mahita lalana foana ny marary. #ToeramBahoaka

Amin'ity tranga ity, mpandika lalàna (fiara) eny amin'ny toeram-bahoaka mijanona eo akaikin'ny mpandika lalàna iray hafa (trano fisakafoanana) eny amin'ny seha-bahoaka

#Ankalamanjàna

Nalaina sary teto ny renim-pianakaviana iray miaraka amin'ny zanany eny amin'ny arabe noho ny toerana fandehanana an-tongotra tsy misy handehanana:

#SehaBahoaka #DebarMaalo

Ary amin'ity sary ity, olona iray no mampiasa seza atosika eny amin'ny arabe satria feno fiara mijanona ny sisin-dalana:

Ahoana no fomba atorianao amin'ny alina, [Ben'ny tanànan'ny Kaominina Centar, Saša Bogdanović]?

Matetika misongadina toy ny iray amin'ireo tenirohy malaza indrindra ao amin'ny Twitter Makedoniana ny #ЈавенПростор (#SehaBahoaka), araka ny asehoan'ny tolotra mampiseho Tenirohy malaza Makedoniana (@trendingmk). Nanoso-kevitra ny mpisera Twitter sasany fa ho tsara kokoa ny lazany raha maro ny olona mipaingotra ireo manampahefana sy sampandraharaham-panjakana tompon'andraikitra mivantana ao anaty sioka, fa tsy mampiasa ny tenirohy fotsiny.

Na  mahomby na tsia, ny #ЈавенПростор dia fampahatsiahivana manan-danja amin'ny soatoavina sivika eo anivon'ny fiarahamonina izay nanjary mieli-patrana ny fanararaotana ny fananana iombonana nandritra ny taona maro satria noheverin'ny maro fa “ara-dalàna” izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.