· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Avrily, 2018

Kazakhstan: Mitolona amin'ny Fiainana sa Miadana?

  16 Avrily 2018

Tsy fanitaran-dresaka ny flazàna fa firenen’ny fifanoherana i Kazakhstan: ny fahantrana fahadiranovana eo anilan’ny harena voajanahary tsy hita pesipesenina, ny fitomboana ara-toekarena miaraka amin'ny fitotongananan'ny sehatra ara-piarahamonina sy ny fihitaran'ny fahefam-panjakana, ary ny fandeferana mifanila amin’ny fanavakavahana.

Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy

  16 Avrily 2018

Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.

Bahrain: Kamo Ve Ny Arabon'ny Golfa?

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro farany ho an'ny Janoary 2008, nitafatafa tamin'ny gazetin'ny firaisambe arabo mpiseho isanandro "Asharq Al-Awsat" ny minisitry ny asa Bahraini, Majid Al Alawi, ary nolazainy tao amin'ilay resadresaka fa miatrika 'tsunami aziatika' ny Golfa satria 'kamo' sy 'simba' ary miankina amin'nireo mpiasa afarana avy any ivelany ireo teratany ao Golfa amin'ny fanaovana na dia ny asa tsotra aza. Nambarany fa ireo mpiasa vahiny manodidina ny 17 tapitrisa ao Golfa, aziatika ny ankamaroany, dia ho 'loza ratsy kokoa noho ny baomba atomika na ny fanafihan'ny israeliana'. ahoana ny eritreritr'ireo mpitoraka bilaogy bahraini ?

Ejypta: Tsy misy sokajin-taona ny zava-pisotron'ny lehilahy!

  16 Avrily 2018

Ity lahatsoratra ity dia nadikan'i David Faure, mpianatra kilasy fanomanana ECT2 ao amin'ny Lisea Ozenne de Toulouse, eo ambany fanarahamason'ny profesorany Audrey Lambert, izay ao anatin'ny tetikasa momba ny fanabeazana "Fidirana amin'ny fandikan-teny ny vaovao malaza".

Shina: Randram-panentanana Ho An'ny Fianakavian'ireo Nandevozina

  15 Avrily 2018

Fanentanana amin'ny aterineto no natao ho fanampiana ireo niharam-boina tavela tamin'ny raharaha andevo shinoa 2007 ---ireo fianakavian'ireo mpiasa tamin'ny lafaoro. Mizara ny alahelony ny zanany izy ireo, lasa holatra mandritra ny androm-piainana ny fahatsiarovana ireo zavatra nampahory. Mbola misy tsy hita ireo ankizy sasany nefa ny governemanta tsy miraharaha intsony io resaka io, ary navelany hiady irery ireo fianakaviana. Manentana amin'ny fanomezana tolo-tànana mba hanohanana azy ireo amin'ny fanaovana ny taombaovao Shinoa amin-kafanàna ny aterineto.