Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay

Tora-pasika fotsy ao Boracay. Sary: Alexey Komarov. CC BY 3.0

Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanoherana ny drafitry ny governemanta  hanakatona sy “hanavao” ara-tontolo iainana ny toeram-pialan-sasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany fotoana izany.

Matahotra ny fahaverezan'ny asan'ireo mpiasa an'arivony sy ny faharavan'ny toekarena mifototra amin'ny asa ao amin'io toeram-pialan-tsasatra ao Boracay io, nanangana ny #NoToBoracayClosure ny mponina mba hiaro ny fiveloman'ny olona sy hanohitra ny fanapahan-kevitra hamadika ny nosy ho toerana casino goavambe.

We are calling on President Rodrigo Duterte to rescind his blanket closure order of the country’s premier tourist destination. We also call on the national government to come up with a scientific and comprehensive rehabilitation plan for Boracay that will not result to massive economic dislocation after due consultation with all its stakeholders.

Miantso ny filoha Rodrigo Duterte izahay mba hanafoana ny baikony hanakatona tanteraka ny toeram-pizahantany voalohany ao amin'ny firenena. Miantso ny fitondram-panjakana ihany koa izahay mba hametraka drafitra fanarenana siantifika sy mazava ho an'i Boracay ho amin'izay tsy hiteraka faharavana ara-toekarena goavana aorian'ny fakàn-kevitra tokony atao amin'ireo mpiara miombon'antoka aminy rehetra.

Efa ela i Boracay no nahazo tsikera avy amin'ireo mpiaro ny tontolo iainana, saingy nitranga tampoka ireo olana ireo tamin'ny volana Febroary 2018. Miantso ny toeram-pialan-tsasatra ao amin'ny nosy hoe “cesspool” i Duterte ka nanambara fa hakatony ny nosy afaka enim-bolana rehefa tsy voavaha avy hatrany ireo olana ara-tontolo iainana ireo.

Sambo sy mpizaha-tany ao Boracay. Sary: Wikimedia Commons. Boats and tourists in Boracay. Photo credit: Wikimedia Commons.

Nilatsaka ny fanehoan-kevitr'i Duterte taorian'ny fanarahamaso nataon'ny sampam-panjakana misahana ny fizahan-tany sy ny tontolo iainana tamin'ny volana Janoary tao amin'ny nosy. Nanome baiko ny Kabinetra avy eo i Duterte mba hiomana amin'ny fanakatonana ny nosy amin'ny 26 Aprily, tsy nisy ny fakàna ny hevitr'ireo mpiara miombon'antoka eo an-toerana ary tsy misy ny drafitra paikady ho amin'ny fampandrosoana sy ny fanarenana ny nosy na drafitra fanampiana ho an'ny fivelomana sy ny famindrana ny toerana ho an'ireo lasibatra.

Sehatra maromaro no lasa miahiahy manoloana ny fikasan'i Duterte taorian'ny tatitra nilaza fa nanome fahazoan-dalana ho an'ny Vondrona Fialam-boly Galaxy ao Macau (GEG) hanamboatra trano casino mitentina 500 tapitrisa dolara ao amin'ny toeram-pizahan-tany voalohany ny governemanta.

Nanambara ny lapam-panjakana fa nanafoana ny fifanarahana izy, na dia nanome fahazoan-dalana ho an'ny GEG sy ny mpiara-miasa aminy eo an-toerana, Leisure and Resorts World Corporation (LRWC) aza ny Philippine Amusement and Gaming Corporation (PAGCOR). Nolavin'ny orinasa ny filazan'ny manampahefana fa mitady toeran-kafa hananganana casino izy ireo.

Nolavin'i Duterte ny fahafantarany ny drafitra hanamboatra casino ao Boracay, saingy mampiseho ny sary ofisialy fa nihaona tamin'ny solontenan'ny GEG, notarihan'ny filohany Lui Che-Woo sy ny filoha lefitra Francis Lui Yiu Tiung, tao amin'ny lapam-panjakana tamin'ny 6 Desambra 2017 ny filoha.

Duterte nihaona tamin'ireo tompon'andraikitry ny Galaxy Entertainment Group avy ao Macau tao amin'ny lapam-panjakana tamin'ny 6 Desambra 2017. Sarin'ny governemanta Filipina

Nilaza ihany koa ireo manampahefana ao amin'ny PAGCOR fa eo am-pananganana ny tranobe casino faharoa ao Boracay, taorian'ny fankatoavana ny ijoroana sy iasan'ny lalao filokana avy amin'ny fiarahan'ilay mpanefoefo Andrew Tan sy ny Genting Group ao amin'ny Savoy Hotel ao Malezia, miorina ao amin'ny fampandrosoana ny Morontsiraka vaovaon'i Boracay an'ny Megaworld Corporation.

Mba hanamaivanana ny fahatezeram-bahoaka manoloana ny fifanoheran-kevitra eo amin'ny tanjona fanarenana ny tontolo iainana sy ny fananganana trano casino goavam-be ao amin'ny nosy, nilaza avy eo Duterte fa hanaovana fanajariana ny tany i Boracay. Saingy maro no mahita ity fanambarana ity ho hafahafa, satria tsy dia misy tany fambolena be dia be tavela ao amin'ny nosy toeram-pialan-tsasatra, fa efa feno trano fonenana sy fivarotana ny ankamaroan'ny faritra .

Narakitra tao anaty lahatsary fanadihadiana fohy notontosain'i Jason Magbanua ny fitarainan'ny mponina ao Boracay noho ny baiko fanakatonana avy amin'i Duterte ary navoaka tao amin'ny Facebook, izay nampifanaraka ity lahatsoratra manaraka ity:

FACT
Thousands upon thousands of real people will be affected by a complete closure of the island. Real, breathing humans, not statistics. We are talking about kids, mothers, fathers, entire families – not an “insignificant GDP drop.
FACT
There are more realistic solutions in solving the problems of Boracay. Solutions that won't completely disenfranchise the people inhabiting the island, the greatest, most important stakeholders of them all.

ZAVA-MISY
Olona an'arivony no hiharan'ny fanakatonana tanteraka ny nosy. Tena izy, olombelona miaina, fa tsy antontan'isa. Miresaka momba ny ankizy, reny, ray, fianakaviana manontolo isika – fa tsy ny fihenana tsy misy dikany amin'ny harin-karena anatiny.
ZAVA-MISY
Misy vahaolana mitombina kokoa amin'ny famahana ny olan'ny Boracay. Vahaolana izay tsy hanilikilika mihitsy ny mponina ao amin'ny nosy, izay mpiara miombon'antoka lehibe indrindra sy manan-danja indrindra amin'ny rehetra.

Ho an'ilay bilaogera Samot Tallana, ny fitantanana ny olana ao Boracay dia mampiseho fotsiny ny fatiantoka (bankirompitra) ara-tontolo iainana sy ny fandrendreham-bahoaka ataon'ny filoha Duterte.

Efa nanomboka sahady ny fandroahana ireo mpiasan'ny fizahan-tany satria mikorontana amin'ny fiatrehana ny fanakatonana ireo fihariana ao. Andrasana ihany koa ny fiakaran'ny vidin'ny herinaratra manerana an'i Aklan satria mikasa hamerina ny fantiantoka P99 tapitrisa (1,9 tapitrisa USD) noho ny fanakatonana ny nosy ny mpamatsy angovo tokana ao amin'ny faritany.

Maro ihany koa no manontany ireo fepetra henjana ara-pilaminana apetraky ny governemanta, toy ny fanapariahana polisy misahana ny rotaka, famerana ny fidirana amin'ny faritra maro ao Boracay, ary ny fisorohana ny haino aman-jery tsy hanara-maso ny fanarenana kasaina atao ao amin'ny nosy.

Olom-pirenena manahy nametraka ny tambajotra Naman'i Boracay mba hanampy amin'ny fanentanana hanoherana ny fanakatonana ny nosy. Sary nahazoana alalana.

Raha maro no manaiky ny filàna hamahana ny olana ara-tontolo iainana ao Boracay, nitarika ireo sehatra samihafa hanakatom-baravarana hahavoa ny mponina sy ny mpiasa voakasik'izany ny fahasimbana ara-toekarena izay ateraky ny fanakatonana ny nosy tampoka sy tsy ara-dalàna.

Napetraka ny pejy Facebook Naman'i Boracay mba hanangonana ireo fanambarana fanohanana ny nosy, ny mpiasa ao aminy, sy ny orinasa madinika sy salantsalany ao. Satria efa akaiky ny daty hanakatonana ny nosy, miantso ny vahoaka izy ireo mba hitsangana ho an'i Boracay sy ny vahoaka ho voafindra toerana noho ny fanakatonana azy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.