Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2012

19 Marsa 2012

Ejipta: Mandria Am-piadanana Papa Shenouda III

Matroka tanteraka ny filentehan'ny masoandro tao Ejipta omaly [asabotsy] – Nodimandry tamin'ny faha-89 taonany rehefa niady mafy tamin'ny aretina nandritra ny fotoana maharitra  Pope Shenouda III. Taorian'ny fandrenesana ny vaovao mampalahelo dia an'arivony no nizotra nankany amin'ny Katedhraly Abbaseya haneho fiaraha-miory sy fanajana. Taorian'ny fanambarana ny fahafatesany dia niely tato...

18 Marsa 2012

Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao...

17 Marsa 2012

Arabia Saodita: Manambatra Ny Heriny Ireo Mpampiasa Twitter Ho Fanaraina Mikasika Ny Mafàna Fo Voafonja

Ireo Saodiana mpampiasa Twitter dia nanambatra ny heriny mba hanasongadina ny fijalian'i Shaikh Yusuf Al-Ahmad, gadra politika iray, any anaty tranonkala fitorahana bilaogy kiritika. Ny ezak'izy ireo dia nahatonga ny anaran'ilay manampahaizana lalina momba ny resaka Islamika ho malaza be eran-tany, nanaitra ny saina mikasika ny famonjàna azy tsy nisy...

India: Aza Miasa Alina Amin'izay Tsy Voaolana Ianao

Tao ao anatin'izay andro vitsy lasa izay, vehivavy mpiasa maro an'isa ao an-tanànan'i Gurgaon no nalaina an-keriny sy naolana , eo amin'ny 30 kilometatra miala ny renivohitra Indiana, ao New Delhi no misy izany tanàna izany. Ho famahana ny olana, dia nandray ny andraikiny ny mpitondra fanjakana amin'ny  fiarovana ny olom-pirenena, tamin'ny alalan'ny fangatahana...

13 Marsa 2012

Korea Atsimo: Hetsi-Panoherana Ny Fanombohan'ny Fananganana Tobim-Pamaharana Ao Jeju

Efa an-taonany izao no nanoheran'ny mponina avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Gangjeong, Korea Atsimo, ny fananganana tobin-tafika an-dranomasina ao amin'ny Nosy Jeju. Koa satria moa mety hisy fiantraikany amin'ny toerana natokan'ny UNESCO ho lovan'izao tontolo izao ity tetikasam-pananganana toby miaramila ity dia nanohitra ny fananganana azy hatramin'ny 94% tamina fitsapa-kevi-bahoaka ny...

10 Marsa 2012

Espaina: Nandrahona Mpitolona Amin'ny Fehikibony ny Filohan'ny Mpanao Gazety

Nanantosa fampiratiana sary fiarahan'i Israely sy i Espaina tamin'ny Alarobia 7 Martsa teo tao Granada, Espaina ny Filohan'ny Mpanao Gazety ao Granada, Antonio Mora, raha nitsofoka tao amin'izany efitrano izany ireo mpitolona manohitra ny fibodoana avy amin'ny fikambananna antsoina hoe Plataforma Andalucía con Palestina (Sehatra Andaloziana miaraka amin'i Palestina). Nitondra saina Palestiniana izy ireo ary...

09 Marsa 2012

Alemaina : Ny Fampahalalam-baovao anaty aterineto, tena #baomba (#bombe)!

Ny sampam-pitsikilovana miafina Alemàna dia nanara-maso mailaka efa ho 37 tapitrisa sy nandalinana azy ireny mba hamaritana raha toa ka mifandraika amin'ireo mason-tsivana isan-karazany mifamatotra amin'ny lohahevitra fampihorohoroana sy asa fanondranana an-tsokosoko isan-karazany, ohatra amin'izany ny teny hoe baomba. Sady sorena no mihanihany, ireto ny fanehoan-kevitra eny anivon'ny tambajotra sosialy...

05 Marsa 2012

Repoblikan'i Kongo: Nampisahotaka Ny Fipoahana Fitoeram-Bala Tao Brazzaville

Tamin'ny alahady 4 Marsa 2012, tamin'ny 8 ora maraina, tratran'ny afo ny fitoeram-bala tao Mpida faritra Brazzaville, akaikin'ny Lapam-panjakana, ka niteraka fipoahana in'efatra. Nirodana ny trano eo amin'ny manodidina, ka nahatonga endrika sahotaka tao an-tanàna.