Repoblikan'i Kongo: Nampisahotaka Ny Fipoahana Fitoeram-Bala Tao Brazzaville

Tamin'ny alahady 4 Marsa 2012, tamin'ny 8 ora maraina, tratran'ny afo ny fitoeram-bala tao Mpida faritra Brazzaville, akaikin'ny Lapam-panjakana, ka niteraka fipoahana in'efatra. Nirodana ny trano eo amin'ny manodidina, ka nahatonga endrika sahotaka tao an-tanàna.

Nanao izao fanambarana manaraka izao ny minisitry ny fiarovana tao amin'ny fahitalavi-panjakana:

C'est juste un incident provoqué par l'incendie du dépôt de nos munitions. C'est pourquoi il y a eu des détonations. Certaines maisons ont été touchées par des éclats, leurs tôles envolées et des vitres brisées. C'est l'incendie du régiment blindé, lieu où nous conservons nos munitions, qui est à la base de tous ces dégâts. Pendant que je vous parle ici, nos experts se sont déployés sur le terrain pour éteindre le feu. Nous prendrons des mesures pour que les incidents de ce genre ne surviennent plus dans l'avenir. Nous présentons nos excuses aux hommes et aux femmes, à tous les frères et soeurs, pour ce trouble à la paix : des gens étaient paniqués, allant de gauche à droite. Nous vous prions de regagner vos domiciles car l'incident est maîtrisé. Nous vous rassurons qu'il ne s'agit pas d'une mutinerie, encore moins d'un coup d'Etat. Il s'agit juste d'un malheureux incident que nous regrettons. Nous avons appris aussi qu'il y a des blessés – ils ne sont pas nombreux – dus à ces éclats. Nous le regrettons.

Tranga vokatry ny fahamaizan'ny fitoeram-bala fotsiny io. Izany no nahatonga ny fipoahana miverimberina. Tratran'ny poti-bala ny trano sasany ka nampanidina ny tafo fanitso ary nahavaky ny fitaratra. Ny fahamaizana ao amin'ny rezimantan'ny fiara mifono vy, fitoerana ametrahanay ny bala, no fototry ny fahapotehana. Amin'izao fotoana itenenako aminareo izao dia efa eny an-toerana ny manampahaizana manokana mamono ny afo. Handray fepetra izahay mba tsy hisy intsony ny trngan-javatra tahaka izao amin'ny manaraka. Maneho ny fialan-tsiny aminareo izahay ry tompokolahy sy tompokovavy, ry rahalahy sy anabavy, noho izao fikorontanana izao: nisaritaka nivezika havia sy nivezika havanana ny olona. Miangavy anareo izahay mba hody any an-tranonareo fa efa voafehy ny raharaha. Manome antoka anareo izahay fa tsy misy fiokoana eto na hoe fanonganam-panjakana izany. Trangan-javatra mampalahelo izay ialanay tsiny indrindra iny. Nahare izahay fa nisy ny naratra – fa tsy betsaka izy ireo – noho ny poti-bala. Miala tsiny indrindra izahay.

Tsy mbola mazava ny isan'ny naratra amin'izao fotoana izao, saingy araka ny loharanom-baovao maro dia an-jatony no mety ho namoy ny ainy ary an'arivony ny naratra. Tamin'ny voalohany ny fitondrana dia nanamarika fa efatra no maty, ary ampolony no naratra, tombana izay ambany dia ambany, araka ny filazan'i Fortuné Ndombé, mpanao gazety Kongoley monina ao Brazzaville. Niantso telefonina an'i Ndombé ny mpanoratra ka nanazava ny fizotran'ny raharaha izy [fr]:

Je suis actuellement au CHU de Brazzaville. C'est une catastrophe on n'a jamais vu ça. Il y a encore des feux, beaucoup de maisons sont effondrées, c'est un vrai désastre. on n'arrive pas à expliquer ce qui s'est passé. (…) La situation pas encore maitrisée. Le gouvernment laissait croire qu'il n y a pas de morts, mais il ya plusieurs morts. Les hopitaux submergés. Je déplore que presque toutes les pharmacies soient fermées. Il faudrait les réquisitionner pour que les malades recoivent des médicaments. C'est peut-être demain que nous en saurons un peu plus. Si quelqu'un vous dit que la situation est maitrisée, ce sont des mensonges.

Eto amin'ny hopitalin'i Brazzaville aho izao. Voina tsy mbola hita hatrizay ity. Mbola misy ny afo ary maro ny trano mirodana, loza ity marina. tsy hay ny manazava izay nitranga. (…) Mbola tsy voafehy ny raharaha. Te-hampino ny fitondrana fa tsy nisy ny maty, nefa dia maro no maty. Hika tanteraka ny hopitaly. Malahelo aho fa saika mikatona avokoa ny Fivarotam-panafody. Tokony antsoina manokana izy ireo ahafahan'ny olona mahazo fanafody. Rahampitso angamba vao hahalala bebe kokoa isika. Raha misy miteny aminao hoe efa voafehy ny raharaha dia lainga izany.

Mitovy hevitra amin'ny fandavana ihany koa ny mpisera Twitter @BaaRbieCaRteR, izay nanoratra hoe:

@BaaRbieCaRteR:  4 morts 24 blessés !! Vous vous foutez de la gueule de qui ????! Ya plus de 300 morts ! On se croirait en Irak

Maty 4 sy maratra 24! Fa izay no ampiesonina amin'izany??! Mihoatra ny 300 ny maty! Tahaka ny hoe any Iràka ny eto

Namoaka ity sary manaraka ity ihany koa izy, izay heverina ho nopihana nandritra ny fipoahana faharoa:

Fipoahana faharoa teto Brazzaville hoy i BaaRbieCaRteR on Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.