Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter.

Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao amin'ny sisintany anelanelan'i Sodana sy Sodana Atsimo. Voampanga ho nanakana ny fanampiana ara-tsakafo natokana ho an'io faritra io ny filohan'i Sodana Omar Al Bashir .

Mpisera Big Pharaoh, avy any Ejypta, ni-tweet hoe:

اكتب على حيطة الزنزانه حبس كلونى عار وخيانة
@TheBigPharaoh: Soraty ao amin'ny rindrin'ny fonja, sady mahamenatra no manala baraka ny fisamborana an'i Clooney

Syriana “Save Our Syria” namaly hoe:

@freeppl: Nosamborina manoloana ny Ambasady Sodaney ny mpisehatra Clooney..Faly aho mahita olona avy any Hollywood mahafantatra tsara ny hetsika atao mivantana ankehitriny

#FreeClooney nivezivezy eran-tany tao amin'ny Twitter

Toniziana Tounsia Hourra (Free Tunisian) nivazivazy hoe:

أنادي بجبهة شعبية لتحرير جورج كلوني , يا نساء العالم اتحدن جورج مقبوض عليه في واشنطن ‎‬
@tonsiahourra: Miantso ny hanaovana hetsi-bahoaka ho fanafahana an'i George Clooney aho. Mitambara isika vehivavy manerantany. Nosamborina tao Washington DC i George Clooney.-

Malek, avy ao Ejypta, nanampy hoe:

كله الا كلوني يا ولاد الكلب … ماعندكم مايكل مور
@MaLek: Tsy iza fa i Clooney ihany, ry zanak'alika! Manana an'i Michael Moore ianareo [izay afaka samborinareo]

Ejyptiana Marwan Qoutb nanamafy hoe:

جورج كلوني مش بلطجي , الح
جورج كلوني مش بلطجي , الحرية لجورج كلوني
@Qoutb: Tsy jiolahimboto i George Clooney! Avoahy i George Clooney

Nivazivazy kosa ilay Ejyptiana Alyaa Gad:

@AlyaaGad: Asam-panafahana #FreeClooney. Tsy tiako ny mahita azy. lol

J Berry kosa nampitaha izany tamin'ireo herisetra efa nihatra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana Arabo nandritra ny revolisiona Arabo:

كلوني و قبضوا عليه .. ناقص ايه ؟ .. يخرموا عين توم كروز !! يسحلوا كيم كارديشيان !! يكشفوا عذرية باميلا انديرسون
@moneloky: Nosamborina i Clooney… Inona no mbola azon'ireo atao? Manapotsitra ny voamason'i Tom Cruise? Manipy an'i Kim Kardashian eny amin'ny arabe? Sa misava an'i Pamela Anderson raha mbola virijiny izy?

Raha te ahafantatra bebe kokoa ny amin'ny fanehoan-kevitra mikasika an'i Clooney, azonao jerena ny Twitter misy ny tenifototra hoe #FreeClooney, izay efa malaza manerana izao tontolo izao ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.