Tetikasa Lahatsary Mampahafantatra Ny Fiainana Sy Ireo Ady Atrehan'ireo “Papous” Tandrefana
Papuan Voices dia fandraisana andraikitra fisoloana vava amin'ny alàlan'ny famokarana lahatsary, izay manome fahafahana ireo Papous Tandrefana mpikatroka mafàna fo mba hamokatra horonantsary fohy hitantaràna ireo tantarany ary hilazàna ireo ady atrehan'izy ireo isan'andro.
Mahàlana no mba mitatitra momba ny fiainana any Papoazia Andrefana, faritany iray ao Indonezia, ireo media lehibe. Raha mba mitodika any amin'io faritra io ireo mpitati-baovao, dia miompana kokoa amin'ny fifandirana ara-politika eo anivon'ny governemanta Indoneziana sy ny hetsika ho an'ny fahaleovantenan'i Papoazia Andrefana, matetika. Manoro ireo mpamaky ireo endrika hafa isehoan'ny kolontsaina sy tantaran'i Papoazia ny Papuan Voices:
Tsy natao manodidina ny ady ara-politika Papoazia ho an'ny fahaleovantenany ihany ireto tantara ireto; tsy tantaranà fifandirana araka ny ahely matetika ireo. Fa kosa, tantara ankoatra ny fifandirana ireo: ireo ady ho an'ny fampianarana, ny fiarahamonina, ny fitoviana sy ny fahamendrehana..
Ny Papuan Voices dia fifandrimbonana eo amin'ny EngageMedia sy ny Fahamarinana, Fandriampahalemana, ary ny “Intégrité” an'ny Famoronana . Miara-miasa amin'ireo fikambanana eo an-toerana any Jayapura sy Merauke any Papoazia Andrefana ilay tetikasa, izay nanatrehan'ireo mpikatroka mafana fo tany an-toerana atrikasa amin'ny fampitam-baovao, ary nianarany nitantara tamin'ny alalan'ny lahantsary ny tantara sarotra momba ny Papoazia Andrefana. Lahatsary roa miaraka amin'ireo mpanatontosa horonantsary maro teo an-toerana, ary tantara manokana momba ny sosialy, kolontsaina, ary ny raharaha politika any Papoazia Andrefana no vokatra azo.
Manantena ny mpikarakara ny tetikasa fa “hanome aingam-panahy ho an'ny hafa ireo tantara ireo mba hianatra sy handray andraikitra, amin'izay ho entina eny anoloana ireo feon'ny Papoazia Andrefana.”
Efa nalefa nojerena tany amin'ny faritra sasany tao Indonezia ireo lahatsary. Ny Mutiara Dalam Noken (Perla any Noken) no iray amin'ireo horonantsary malaza, izay manambara ny tantaran'i Dr. Mia, “vehivavy Papoana iray izay nanokana ny fiainany mitsabo ireo marary ary manome tànana manampy ireo mahantra any amin'ireo faritra tena saro-dàlana sy lavitra any Papoazia Andrefana .”
Miompana amin'ny trano nentin-drazana Honai ny lahatsary iray hafa malaza be, ivon'ny fiainam-piarahamonina any amin'ny faritra avon'ny afovoan-tany, manamboatra trano bongo mba hitahirizana ilay lova ara-kolotsaina.
Nanampy ny famokarana ny horonantsarin'ny Papuan Voices mampiseho ny mahazo ireo vehivavy mpivarotra, i Patricio Wetipo, mpamokatra horonantsary. Tao amin'ny fijoroana vavolombelona, nitaraina i Wetipo fa tsy dia taterina araka ny tokony ho izy ny herisetra atao amin'ireo vehivavy.
Ny herisetra politika sy miaramila matetika no tena asehon'ireo media. Ary tsy misy mijery ny herisetra mihatra amin'ireo vehivavy na iray aza.
Natao hanehoana ireo faharatsian'ny fiainan'ireo vehivavy any Papoazia ilay lahatsarin'i Wetipo:
Tiako haseho amin'ny olona maneran-tany ireo fiainan'ireo vehivavy Papoana. Miasa mafy tokoa izy ireo, nefa tsy mahazo fanampiana avy amin'ireo mpikambana amin'ny fianakaviany mihitsy. Tsy mba manampy azy ireo mitaona entana any an-tsena akory ny vadiny. Manantena izahay fa hahita ireto horonantsary ireto ny olona ary hahazo aingam-panahy mba hitondra fiovàna eo amin'ny fiainany.
Lahatsary hafa indray mitondra fanadihadiana momba ny kolontsaina Wamena, miompana manokana amin'ny maha zava-dehibe tokoa sy manan-daja ireo kisoa ao amin'ny fiarahamonina eo an-toerana.
Avy amin'ny teny hoe ‘Wam’ izay midika hoe kisoa kely, sy hoe ‘Ena’ izay midika hoe alaina namana akaiky ny anarana hoe Wamena. Ahitàna endrika kisoa daholo ireo fombafomba atao rehetra, ary refesina amin'ny isan'ny kisoa ananany ny harenan'ireo fianakaviana. Endriky ny fiadanana eo anivon'ny foko any amin'ny toerana avon'ny firenena ihany koa ny kisoa. Noho izany, mety hampisy fitotonganana ara-toekarena goavana tokoa eo amin'ireo vahoakan'i Wamena ny aretin-kisoa mahatonga fahafatesana, .
Asehon'ilay lahatsary ny fifandraisana akaiky tokoa eo amin'ireo kisoan'ny fiarahamonina sy olona, ary ny dona sosialy nateraky ny aretina nandringana kisoa maro:
Manampy ireo olona hahatakatra tsara kokoa ny fanamby atrehan'ireo Papoana any Indonezia ny Papuan Voices. Fampahatsiahivana mahery vaika ihany koa io, hoe tokony hanadihady sy hizara bebe kokoa ireo tantaran'ireo vahoaka Papoana tsotra isika, ankoatra ny fanehoana ireo fangatahana ara-politikany hisian'ny fahamarinana sy ny fitoviana.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...