Andriamifidisoa Zo · Marsa, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2012

Repoblikan'i Kongo: Taorian'ny Fipoahana, Fahatezerana Sy Fiaraha-Mientana

  06 Marsa 2012

Iray andro taorian'ny fipoahana fitoeram-bala tao Mpila akaiky an'i Brazzaville ny 4 marsa teo, dia tonga ny andro anombanana ny isan'ny niharam-boina. Ny fanombanana farany dia milaza fa manodidina ny 150 ka hatramin'ny 200 ny isan'ny maty ary 1500 ny isan'ny naratra vokatry ny fipoahana. Efa nanome lalana ny fahatezerana sy ny fiaraha-mientana ankehitriny ny hatairana sy ny fikoropahana.

Maoritania: Manomboka Ny Diaben'ny Fanantenana Farany

  04 Marsa 2012

Nanomboka ny dia an-tongotra 470 km ny mpikatroka Maoritanianahitondra fitakiana ara-toekarena sy ara-politika maromaro amin'ny manampahefana. Antsoina hoe Diaben'ny Fanantenana Farany ary kendrena avy amin'izany ny ijerena ny fanirian'ny Maoritaniana sy ny isian'ny fanavaozana ara-drafitra

Shina: Mifampihaika Amin'ny Lasiroan'Antoko

  04 Marsa 2012

Ny antsoina hoe 50 Cent Party na lasiroan'antoko dia ireo mpaneho hevitra an-tserasera indramin'ny Fitondram-panjakana Shinoa na indramin'ny antoko komonista shinoa entina hanefena ny fihevi-bahoaka. Matetika moa ireo Lasiroan'Antoko ireo milaza izay mpitsikera henoin-teny ho mpamadika ny tanindrazana. Tamin'ny 26 Febroary, ny mpisera Sina Weibo Zhang Nong dia nanapa-kevitra hifampihaika ankarihary amin'ny Lasiroan'Antoko amin'ny alalan'ity...

Mali: Ny Renirano Niger An-Tsary

  02 Marsa 2012

Nanao fitsidihana sekoly ambanivohitra vitsivitsy tamin'ny alalan'ny sambo nentin-drazana Maliana i Boukary Konaté, ao anatin'ny fikambanan'ny Global Voices ao Mali, vao tsy ela akory izay noho ny tetikasam-pampianarana aterineto tontosainy. Io dia io no nahafahany manavatsava sy nakany sary ny karazan-javatra maro hita ao amin'ny fireneny manaraka iny reniranon'i Niger mirefy 4184 km iny. Indreto sary noraisiny hojerenao

Tonizia: Mampiasa Baomba Mandatsa-Dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Hetsika Sendikaly ny Polisy

Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy hazo hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana nampiseho ny fanohanana ny firaisankinan'ny sendikà toniziana ( fantatra amin'ny fanafohezana anarana hoe UGTT) ny polisy, tao an-drenivohitra Tunis, ny andron'ny 25 Febroary. Nampangain'ny sendikà ho nanimba ny biraon'izy ireo ny mpikambana ao amin'ny antoko mitondra Ennahdha ka nanomana fihetsiketsehana. Mbola itsakitsahan-jò eo ampanaovana ny asany hatrany ny mpanao gazety.